Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy

Te hanolotra zavatra dimy manokana azontsika atao aho mba hanampiana ny tenantsika hihazona hatrany fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara.

Ry rahalahy sy anabavy malala isany, tiako ianareo. Tiako ny fahafahako miaraka aminareo androany. Mivavaka isan’andro aho mba ho voaro amin’ny fanafihana mahery vaika ataon’ny fahavalo ianareo ary hanana ny hery hirosoana ao anatin’izay mety ho olana atrehanareo.

Ny fitsapana sasany dia enta-mavesatra lalina an’ny tena manokana ka tsy hitan’olon-kafa mihitsy. Ny hafa indray dia hita mibaribary eo amin’izao tontolo izao. Iray amin’izany ny fifandirana hampiasana fitaovam-piadiana any amin’ny faritra atsinanan’i Eorôpa. Efa imbetsaka aho no tany Ukraine sy Russie. Tiako ireo tany ireo, ny vahoakany ary ny fiteniny. Mitomany ary mivavaka ho an’ireo rehetra izay voakasik’io ady io aho. Ny Fiangonana dia manao izay rehetra azo atao mba hanampiana ireo izay mijaly sy mitolona hiarovana ny ainy. Manasa ny rehetra aho hanohy hifady hanina sy hivavaka ho an’ny olona rehetra izay ianjadian’ity loza ity. Ny ady dia fanitsakitsahana mampihoron-koditra ny zavatra rehetra izay nampianarin’i Jesoa Kristy sy ijoroany.

Tsy misy amintsika afaka mifehy firenena na mifehy ny zavatra ataon’ny hafa na dia ny ataon’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika aza. Saingy afaka mifehy ny tenantsika isika tsirairay Ny antso ataoko anio, ry rahalahy sy anabavy malala isany, dia ny hampitsaharana ireo fifandirana izay mirongatra ao am-ponareo, sy ao an-tokantranonareo, ary eo amin’ny fiainanareo. Aleveno avokoa izay fironana rehetra handratra ny hafa, na izany fisafoahana, na teny tsy voalanjalanja, na lolompo amin’olona izay nandratra anao. Nandidy antsika ny Mpamonjy hanolotra ny takolaka ilany,1 sy hitia ny fahavalontsika, ary hivavaka ho an’ireo izay manararaotra antsika.2

Mety ho sady maharary no sarotra ny miala amin’ny fahatezerana izay tsapa fa tena ara-drariny. Mety toa tsy ho vita ny hamela heloka ireo olona izay nandratra ny tsy manan-tsiny ny fihetsika mifono famotehana nataony. Kanefa dia nananatra antsika ny Mpamonjy mba “hamela ny olon-drehetra.”3

Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana isika. Izao indrindra mihoatra noho ny hatramin’izay no ilantsika ilay fiadanana izay Izy ihany no afaka mitondra azy. Ahoana no ahafahantsika manantena ny hisian’ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao raha tsy mikatsaka fiadanana sy filaminana isika tsirairay? Ry rahalahy sy anabavy, fantatro fa tsy mora ny zavatra arosoko. Saingy ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tokony haneho ohatra mba harahin’izao tontolo izao. Miangavy anareo aho mba hanao izay rehetra azonareo atao hampitsaharana ireo fifandirana an’ny tena manokana izay mirongatra ao am-ponareo sy eo amin’ny fiainanareo.

Mamelà ahy ianareo hanamafy ity antso hanao zavatra ity amin’ny alalan’ny firesahana foto-kevitra iray izay nampahatsiahivina ahy vao tsy ela raha nijery lalao basikety iray aho.

Tao anatin’izany dia niovaova ny fandehan’ny lalao nandritra ny fizaram-potoana voalohany, nifandimby nitarika ny ekipa roa tonta. Avy eo nandritra ny dimy segondra farany tamin’ilay fizaram-potoana voalohany dia nahafaty baolina tsara be ahazoana isa telo ny mpilalao iray tao amin’ny ekipa iray. Teo amin’ny iray segondra monja sisa tavela dia azon’ny namany ny baolina ary nahafaty baolina iray indray tamin’ny fiafaran’ny fotoana mihitsy izy! Noho izany dia nanana tombony isa efatra io ekipa io rehefa nankany amin’ny efitrano fisoloana akanjo, niaraka tamin’ny fahavitrihana tena azo tsapain-tanana. Afaka nihazona izany fahavitrihana izany izy ireo tao anatin’ny fizaram-potoana faharoa ary nandresy.

Foto-kevitra mahery vaika ny hoe fahavitrihana. Efa samy niaina izany tamin’ny endriny samihafa isika. Ohatra, ao anatina fiara iray izay mihamandeha haingana na tsy fifanarahana lasa mivadika fifamaliana tampoka.

Koa manontany ary aho hoe inona no afaka mandrehitra ny fahavitrihana ara-panahy? Efa nahita ohatra momba ny fahavitrihana amin’ny tsara sy amin’ny ratsy isika. Mahafantatra mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay lasa niova fo sy nitombo finoana isika. Saingy mahafantatra ihany koa isika mpino izay nisy fotoana nanolo-tena nefa niala. Afaka mitondra any amin’ny lalana roa samy hafa ny fahavitrihana.

Tsy mbola nila ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao isika, hanoherana ny hafainganan’ny fitombon’ny ratsy ary ireo famantarana andro maloka. Ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara dia hampandroso antsika hatrany ao anatin’ny tahotra sy ny fisalasalana vokatry ny valanaretina, ny tafofo-dranomasina mahery sy avo, ny fipoahan’ny vôlkano, ary ny ady. Ny fahavitrihana ara-panahy dia afaka manampy antsika hanohitra ny fanafihan’ny fahavalo izay tsy mitsahatra sy feno haratsiam-panahy ka hanakana ireo ezaka ataony handrodanana ny fototra ara-panahy iorenan’ny tenantsika manokana.

Maro ireo zavatra atao izay afaka mitondra fahavitrihana ara-panahy ho amin’ny tsara. Santionany amin’izany fotsiny ny fankatoavana, ny fitiavana, ny fanetrentena, ny fanompoana ary ny fankasitrahana.4

Anio aho dia te hanolotra zavatra dimy manokana azontsika atao mba hanampiana ny tenantsika hihazona fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara.

Voalohany: Mandehana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary mijanòna eo.

Vao tsy ela izay no nanonofy mazava tsara ny fihaonako tamina vondron’olona maro be aho. Nametraka fanontaniana maro izy ireo, ary ny matetika amin’izany dia mikasika ny lalan’ny fanekempihavanana sy ny maha-zava-dehibe izany.

Tanatin’ny nofiko aho dia nanazava fa miditra amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy ny fanekempihavanana voalohany amin’ Andriamanitra.5 Isaky ny mandray ny Fanasan’ny Tompo isika dia mampanantena indray ny hitondra eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy, ny hahatsiaro Azy, ary ny hitandrina ny didiny.6 Ho setrin’izany dia manome toky Andriamanitra fa hanana ny Fanahin’ny Tompo mandrakariva miaraka amintsika isika.

Any aoriana any isika dia hanao fanekempihavanana fanampiny any amin’ny tempoly, izay andraisantsika fampanantenana lehibe kokoa. Ahafahantsika mahazo ny herin’ Andriamanitra ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana. Ny lalan’ny fanekempihavanana no hany lalana mitondra any amin’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay.

Tao anatin’ilay nofy dia nisy vehivavy nanontany hoe ahoana no ahafahan’ny olona iray izay efa nanitsakitsaka ny fanekempihavanany nataony hiverina amin’ilay lalana indray? Ny valiny omeko amin’ny fanontaniany dia mitondra any amin’ny sosokevitro faharoa:

Iaino ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro.

Manan-danja toy ny ahoana ny fibebahana? Nampianatra i Almà fa isika dia tokony “tsy [hitory] afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana ny Tompo.”7 Takina amin’ny olona tompon’andraikitra tsirairay izay maniry voninahitra mandrakizay ny fibebahana.8 Tsy hanavahana an’iza na iza izany. Tao anatin’ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith, ny Tompo dia nibedy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohany noho ny tsy nampianaran’izy ireo ny filazantsara ny zanany.9 Ny fibebahana no fanalahidin’ny fivoarana. Ny finoana madio dia mampandroso antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Aza atahorana na ahemotra azafady ny fibebahana. I Satana dia miravoravo amin’ny fahorianao. Atsaharo avy hatrany izany. Esory hiala eo amin’ny fiainanao ny fitaomany! Atombohy anio ny fiainana ny fifaliana amin’ny fialana amin’ny maha-olona araka ny nofo.10 Tia antsika foana ny Mpamonjy fa indrindra rehefa mibebaka isika. Nampanantena Izy fa na dia “hifindra [aza] … ny tendrombohitra ary … hihetsika … ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko.”11

Raha mahatsapa ianao fa niala lavitra na ela loatra tamin’ilay lalan’ny fanekempihavanana ka tsy mahita fomba hiverenana, dia tsy marina tsotra izao izany.12 Aoka ianao hifandray amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao. Solontenan’ny Tompo izy ary hanampy anao hiaina ilay fifaliana sy fahamaivanana avy amin’ny fibebahana.

Ity misy fampitandremana: Ny fiverenana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia tsy midika hoe ho mora ny fiainana. Sarotra io lalana io ary toy ny fiakarana mideza indraindray.13 Io fiakarana io anefa dia natao hitsapana sy hampianarana antsika, hanadio ny toetrantsika ary hanampy antsika ho tonga masina. Io no hany lalana mitondra amin’ny fisandratana. Ny mpaminany iray14 dia nilazalaza ny “fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, … [ary] miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”15

Ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, miaraka amin’ny fibebahana isan’andro dia mampitombo ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara.

Ny sosokevitro fahatelo dia hoe: Mianara momba an’ Andriamanitra sy ny fomba fiasany.

Iray amin’ireo olana tena sarotra atrehantsika amin’izao fotoana izao ny fanavahana ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra sy ny fitak’i Satana. Izany no nahatonga ny Tompo nampitandrina antsika hoe “Mivavaha mandrakariva … mba hahazoanao mandresy an’i Satana ary … mandositra ny tanan’ireo mpanompon’i Satana, izay manohana ny asany.”16

I Mosesy dia ohatra iray tena tsara teo amin’ny fahaizana manavaka an’ Andriamanitra sy i Satana. Rehefa tonga naka fanahy an’i Mosesy i Satana dia hitan’i Mosesy ilay fitaka satria vao avy nifanatri-tava tamin’ Andriamanitra izy. Noho izany dia fantatr’i Mosesy hoe iza i Satana ka dia nodidiny handeha izy.17 Rehefa nisisika i Satana dia fantatr’i Mosesy ny fomba iantsoana an’ Andriamanitra mba hahazoana fanampiana bebe kokoa. Nahazo hery avy amin’ Andriamanitra i Mosesy ary nandroaka ilay ratsy indray nanao hoe: “Mialà amiko ry Satana, fa izao Andriamanitra iray izao ihany no hoderaiko.”18

Tokony hanaraka izany ohatra izany isika. Esory hiala eo amin’ny fiainanareo ny fitaoman’i Satana! Miangavy anareo aho tsy hanaraka azy hidina “any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany” misy azy.19

Mety hitotongana amin’ny hafainganam-pandeha izay mampatahotra ny fijoroana ho vavolombelona izay tsy voakolokolo “amin’ny teny soan’ Andriamanitra.”20 Araka izany dia mazava ny fanefitra amin’ny tetidratsin’i Satana: Mila miaina isan’andro ny fitsaohana ny Tompo sy ny fandalinana ny filazantsarany isika. Miangavy anareo aho mba hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo. Omeo ampahany araka ny tokony ho izy amin’ny fotoanareo Izy. Rehefa manao izany ianao dia jereo ny zavatra mitranga amin’ilay fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara ao aminao.

Sosokevitra faha-4: Mikatsaha ary manantenà fahagagana.

Nanome toky antsika i Môrônia fa “Andriamanitra dia tsy mitsahatra ny ho [Andriamanitra].”21 Ny bokin-tsoratra masina tsirairay dia maneho ny fahavononan’ny Tompo hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainan’ireo izay mino Azy.22 Nanasaraka ny Ranomasina Mena ho an’i Mosesy Izy, nanampy an’i Nefia naka ny takela-barahina, ary namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny tsirairay amin’ireo fahagagana ireo dia nandany fotoana ary mety tsy ho ny zavatra tena nangatahin’ireo olona ireo tamin’ny Tompo tamin’ny voalohany.

Torak’izany koa, ny Tompo dia hitahy anareo amin’ny fahagagana raha toa ka mino Azy ianareo, “tsy miroanahana akory.”23 Ataovy ny asa ara-panahy hikatsahana fahagagana. Angataho ombam-bavaka Andriamanitra mba hanampy anareo hampihatra izany karazana finoana izany. Mampanantena aho fa ianareo dia hahazo traikefa manokana fa i Jesoa Kristy dia “mampahatanjaka ny reraka … , ary izay kely hery dia omeny hery be.”24 Vitsy ny zavatra hanafaingana ny fahavitrihanao ara-panahy mihoatra noho ny fahitana fa manampy anao hamindra tendrombohitra eo amin’ny fiainanao ny Tompo.

Sosokevitra faha-5: Atsaharo ny fifandirana eo amin’ny fiainanao manokana.

Averiko indray ilay antso ataoko mba hampitsahatra ireo fifandirana eo amin’ny fiainanareo. Ampiharo ny fanetrentena sy ny herim-po ary ny tanjaka ilaina hamelana heloka sy hikatsahana famelan-keloka. Nampanantena ny Tompo fa “raha mamela ny fahadisoan’ny olona [isika], dia mba hamela ny [antsika] kosa ny Rai[ntsika] Izay any an-danitra.25

Afaka roa herinandro manomboka androany dia hankalaza ny Paska isika. Mandra-pahatonga izany dia manasa anareo aho hikatsaka ny hampitsahatra ilay fifandirana izay manavesatra anareo. Mety hisy ve fihetsika maneho fankasitrahana mendrika an’i Jesoa Kristy noho ny Sorompanavotana nataony mihoatra noho izany? Raha toa tsy ho vita ny hamela heloka amin’izao fotoana izao dia mangataha hery amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanampy anareo. Raha manao izany ianareo dia mampanantena fiadanana manokana sy fitomboan’ny fahavitrihana ara-panahy aho.

Rehefa nanao ny sorompanavotana ho an’ny olona rehetra ny Mpamonjy dia nanokatra ny lalana Izy mba hahafahan’ireo izay manaraka Azy mahazo ilay heriny manasitrana sy mampahery ary manavotra. Ireo tombontsoa ara-panahy ireo dia azon’ireo rehetra izay mikatsaka ny hihaino Azy sy hanaraka Azy.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, manainga anareo ao anatin’ny fitalahoan’ny foko manontolo aho hiditra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary hijanona eo. Iaino ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro. Mianara momba an’ Andriamanitra sy ny fomba fiasany. Mikatsaha ary manantenà fahagagana. Miezaha hampitsahatra ny fifandirana eo amin’ny fiainanareo.

Rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ireo tanjona ireo ianareo dia mampanantena anareo aho fa ho afaka mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianareo miaraka amin’ny fahavitrihana tsy mitsaha-mitombo, na inona na inona sakana atrehanareo. Ary mampanantena aho fa ianareo dia hahazo hery bebe kokoa hanoherana ny fakam-panahy, fiadanan-tsaina bebe kokoa sy fahafahana amin’ny tahotra, ary firaisan-kina bebe kokoa ao amin’ny fianakavianareo.

Velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Velona Izy! Tia antsika sy manampy antsika Izy. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’ilay Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 3 Nefia 12:39.

  2. Jereo ny 3 Nefia 12:44.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10; jereo ihany koa ny andininy 9.

  4. Araka ny nolazain’ny Apôstôly Paoly hoe: “Misaora amin’ny zavatra rehetra” (1 Tesaloniana 5:18). Ny iray amin’ireo fanefitra azo antoka indrindra amin’ny famoizam-po, sy ny fahakiviana ary ny fahalainana ara-panahy dia ny fankasitrahana. Inona avy ireo zavatra sasantsasany azontsika isaorana an’ Andriamanitra? Isaory Izy noho ny hatsaran’ny tany, noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, ary noho ireo fomba maro tsy voatanisa hanomezan’Izy sy ny Zanany hery ho antsika eto amin’ity tany ity. Isaory Izy noho ny soratra masina, noho ireo anjely izay mamaly ny fitalahoantsika fanampiana amin’ Andriamanitra, ny fanambarana ary ny fianakaviana mandrakizay. Ary indrindra indrindra, isaory Andriamanitra noho ny fanomezana ny Zanany sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay ahafahantsika manatanteraka ireo asa nanirahana antsika teto an-tany.

  5. Mba hahatakarana ny lalan’ny fanekempihavanana dia zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fanekempihavanana dia fanolorantena mifamaly ataon’ Andriamanitra sy ny iray amin’ireo zanany. Ao anatin’ny fanekempihavanana dia Andriamanitra no mametraka ny fepetra, ary manaiky ireo fepetra ireo isika. Ho valin’izany dia manome fampanantenana antsika Andriamanitra. Fanekempihavanana maro no arahina famantarana ivelany, na ôrdônansy masina, izay andraisantsika anjara ka misy vavolombelona manatrika. Ohatra, ny batisa dia famantarana ho an’ny Tompo fa nanao fanekempihavanana ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra ilay olona atao batisa.

  6. Jereo ny Môrônia 4:3; 5:2; Fotopampianarana sy Fanekemihavanana 20:77, 79.

  7. Môzià 18:20.

  8. Jereo ny Mosesy 6:50, 57.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–48.

  10. Jereo ny Môzià 3:19.

  11. Isaia 54:10, nampiana fanamafisana; jereo ihany koa ny 3 Nefia 22:10. Ny hoe hatsaram-panahy dia nadika avy tamin’ny teny Hebreo hoe hesed, teny mahery vaika manana dikany lalina izay mahafaoka ny hatsaram-panahy, famindram-po, fitiavana fifanekena, ary maro hafa.

  12. Azo atao ny manonitra ny fahotana sasany fa tsy ny rehetra anefa. Raha mandroba ny fahadiovam-pitondrantenan’ny olona iray hafa ny olona iray, na manala ny ain’ny hafa, dia tsy azo atao ny fanonerana feno. Tsy afaka manao zavatra firy ny olona nanao ireo fahotana ireo, ary mbola betsaka ny dingan’ny fibebahana manokana ilainy atao. Noho ny fahavononan’ny Tompo hamela izay tokony honerana, dia afaka manatona Azy isika na very lavitra toy ny ahoana aza isika. Rehefa tena mibebaka amin-kitsim-po isika dia hamela antsika Izy. Ny fifandanjana rehetra tokony hisy eo amin’ny fanonerana ny fahotantsika sy ny fahafahantsika mamerina amin’ny laoniny dia tsy ho voaonitra raha tsy amin’ny alalan’ny fampiharana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Izy izay afaka manolotra famindram-po. Fanomezana tsy voavidim-bola ny fahavononany hamela izay tokony honerantsika.

  13. Jereo ny 2 Nefia 31:18–20.

  14. I Benjamina Mpanjaka ilay mpaminany Nefita.

  15. Mozià 2:41.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5; nampiana fanamafisana.

  17. Jereo ny Mosesy 1:16; jereo koa ny andininy 1–20.

  18. Mosesy 1:20.

  19. Helamàna 5:12.

  20. Môrônia 6:4.

  21. Môrmôna 9:15; jereo koa ny andininy 19.

  22. Nanambara ny Apôstôly Jaona fa nosoratany ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy “mba hinoa[ntsika] fa [Jesoa] no Kristy, Zanak’ Andriamanitra” (Jaona 20:31).

  23. Môrmôna 9:21.

  24. Isaia 40:29.

  25. Matio 6:14.