Tantaran’ny Fiangonana
I Jane Elizabeth Manning James


“I Jane Elizabeth Manning James,” Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana

“I Jane Elizabeth Manning James”

I Jane Elizabeth Manning James

I Jane Elizabeth Manning (manodidina ny 1822–1908) dia isan’ireo zanaka dimy farafahakeliny izay nateraky ny mpivady Afrikana Amerikana nanana fahafahana tany Connecticut tamin’ny fotoana izay naha-andevo ny ankamaroan’ny olona mainty hoditra tao Etazonia.1 Teo amin’ny fahatanorany dia niditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana Kongregasionalista Kanana Vaovao izy tamin’ny 1841, saingy 18 volana taorian’izay, tamin’ny ririnin’ny taona 1842–43, dia natao batisa ho lasa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy sy ny olona maro tao amin’ny fianakaviany. Vetivety i Jane sy ireo olona hafa tao amin’ny fianakaviany dia naniry ny hiara-hivondrona tamin’ireo Olomasina tany Nauvoo, ka noho izany dia nanainga avy tao Connecticut izy ireo nankany New York, ary nanana drafitra ny sady handeha amin’ny sambo mandeha amin’ny etona no handeha amin’ny sambo mandeha eny amin’ny lakan-drano. Tsy navela nandeha sambo anefa izy ireo noho ny volon-kodiny, ka dia tsy maintsy nodiaviny an-tongotra ireo 1287,48 kilaometatra sisa tavela. Tao Peoria illinois dia niahiahy ny fianakaviana Manning ho andevo nitsoa-ponenana ireo manampahefana teo an-toerana ary nangataka antontan-taratasy mba hanaporofoana ny maha-olona afaka azy ireo. Sakana izay tsy maintsy ho natrehan’i Jane nandritra ny androm-piainany sisa ny fanavakavaham-bolon-koditra.

Sary
Saripikan’i Jane Manning James

Sarin’i Jane Manning James

Nahazoana lalana tamin’ny Tranomboky sy ny tahirin’ireo firaketana momba ny tantaran’ny Fiangonana

Vao tonga tany Nauvoo i Jane dia vetivety dia lasa mpinamana tamin’i Joseph sy i Emma Smith. Niara-nipetraka tamin’izy ireo izy ary niasa tao an-tokantranon’izy ireo. Nisy fotoana nanasan’i Emma an’i Jane mba ho lasa zanaky ny fianakaviana Smith tamin’ny alalan’ny famehezana tamin’ny alalan’ny fisoronana.2 Nolavin’i Jane izany noho ny tsy fahatakarany ilay fomba fanao tsy mahazatra sy vaovao, saingy nino fatratra ny anjara asan’i Joseph amin’ny maha-mpaminany azy izy. “Fantatro ny Mpaminany Joseph,”, hoy izy nijoro ho vavolombelona taty aoriana. “Izy no lehilahy mahafinaritra indrindra hitako teto an-tany. … Azoko antoka fa mpaminany izy satria fantatro izany.”3

Tamin’ny alalan’ny firesadresahany tamin’i Joseph sy i Lucy Mack Smith reniny no nahafantaran’i Jane zavatra bebe kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fandikana izany ary nahazoany fahatakarana momba ireo ôrdônansin’ny tempoly ka nahatonga azy hanome hasina izany.

Nanambady an’i Isaac James izay mpikambana niova fo mainty hoditra nahazo fahafahana avy any New Jersey i Jane. Nandao an’i Nauvoo niaraka tamin’i Sylvester zanakalahin’i Jane izy ireo ny taona 1846 mba handeha hiankandrefana niaraka tamin’ny Olomasina. Ny jolay tamin’izany taona izany no nahaterahan’i Silas zanakalahin’i Jane sy i Isaac. Ny taona manaraka izay dia namakivaky ireo lemaka ilay fianakaviana ary tonga tany Salt Lake ny fararanon’ny taona 1847. Nanan-janaka enina fanampiny i Isaac sy i Jane, ary ny roa tamin’ireo ihany no mbola velona taorian’ny nahafatesan’i Jane. Tahaka ireo mpanorim-ponenana tany am-piandohana tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake dia niasa mafy i Jane sy i Isaac mba hamelomana ny fianakaviany. Niasa taman’olona i Isaac ary mpitondra voatirin’i Brigham Young indraindray, ary i Jane dia nanenona lamba, sy nanamboatra fitafiana, ary nanasa lamba tahaka ny nataony tany Nauvoo.

Nahatonga an’i Isaac sy i Jane ho tonga tamin’ny fisaraham-panambadiana tamin’ny taona 1870 ny fifandirana tao anatin’ny fanambadian’izy ireo. Taty aorina dia niaina fanambadiana fohy nandritra ny roa taona niaraka tamin’ny Frank Perkins izay andevo teo aloha i Jane, saingy nanapa-kevitra haingana ny hiaina toy ny reny sy renibe tokan-tena izy. Nahatonga an’i Jane niverina niasa ny filàna ara-bola sy ny fahafatesan’ny zanany telo. Nanamboatra sy nivarotra savony izy, raha toa kosa ka nandeha nikarama niasa taman’olona ny roa tamin’ireo zanany lahy. Tamin’ny 1890, taorian’ny 20 taona tsy naha-teo azy, dia niverina tany Salt Lake City i Isaac, dia nanavao ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy, ary nifandray toy ny mpinamana tamin’i Jane. Rehefa nodimandry izy herintaona taorian’izay dia natao tao an-tranon’i Jane ny fotoam-pivavahana ho an’ny fandevenana.

Nandritra ireo zava-tsarotra teo amin’ny fiainany dia nanolo-tena hatrany tamin’ny finoany ireo fampianaran’ny filazantsara i Jane ary nanome lanja ny maha-mpikambana azy tato amin’ny Fiangonana. Nanao fanatitra ho an’ny fanorenana tempoly izy ary nandray anjara tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Fikambanana mandala ny fitsitsiana naorin’ny tanora vehivavy.4 Nahazo betsaka tamin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy i Jane, ka anisan’izany ny fahitana, ny nofy, ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana, ary ny fitenenana amin’ny fiteny maro. “Ny finoako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” hoy izy nanoratra fony fahavelony, “dia mbola mafy orina hatrany ankehitriny. Tsia, raha azo heverina dia matanjaka kokoa noho ny tamin’ny andro nanaovana batisa ahy voalohany izany.”5

Teo anelanelan’ny taona 1884 sy 1904 dia nifandray tsindraindray tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana i Jane, dia i John Taylor, i Wilford Woodruff, i Zina D. H. Young, ary i Joseph F. Smith, ary nangataka lalana ny handray ny fanafiana masina ho azy sy mba hofehezina.6 Tamin’izany fotoana izany dia tsy nahazo nandray anjara tamin’ny ankamaroan’ireo ôrdônansin’ny tempoly ny lehilahy sy vehivavy Olomasin’ny Andro Farany mainty hoditra. Tamin’ny 1888 dia nanome lalana an’i Jane hanatanteraka batisa ho an’ireo havany efa nodimandry i Angus M. Cannon izay filohan’ny tsatòka.7 Taty aoriana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia namela azy hofehezina tamin’ny alalan’ny fisoloan-tena ho lasa isan’ny fianakavian’i Joseph Smith ho toy ny mpanompo tamin’ny taona 1894, izay zavatra tsy nitranga afa-tsy indray mandeha ihany. Na dia tsy nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly na ny famehezana ny fianakaviana nandritra ny androm-piainany aza izy dia notanterahina ho azy ireo ôrdônansy ireo tamin’ny 1979.8

Nodimandry izy ny 16 aprily 1908 teo amin’ny faha-95 taonany, ary mbola Olomasin’ny Andro Farany mahatoky. Notaterin’ny Deseret News fa “Vitsy ny olona nalaza ho nanam-pinoana sy fahatokiana lehibe raha ampitahaina amin’i Jane Manning James, ary na dia ambany saranga aza izy dia nanana namana sy olom-pantatra an-jatony.”9

Fanamarihana

  1. Nandevozina ny renin’i Jane kanefa nafahan’ny lalàna manafaka tsikelikely tany Connecticut. Olona afaka hatramin’ny nahaterahany i Jane, saingy ara-dalàna ny fanandevozana tao amin’ilay faritany mandra-pialan’i Jane tao. Mahakasika ny fiainan’i Jane amin’ny ankapobeny dia jereo ny Henry J. Wolfinger, “A Test of Faith: Jane Elizabeth Manning James and the Origins of the Utah Black Community,” ao amin’ny Clark Knowlton, ed., Social Accommodation in Utah (Salt Lake City: University of Utah, 1975), 126–75 sy Quincy D. Newell, “The Autobiography and Interview of Jane Elizabeth Manning James,” Journal of Africana Religions, boky 1, lah. 2 (2013), 251–91.

  2. Taratasy nosoratan’i Zina D. H. Young ho an’i Joseph F. Smith, Jan. 15, 1894, Tranom-boky mitahiry ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City.

  3. “‘Aunt’ Jane James,” ao amin’ny “Joseph Smith, the Prophet,” Young Woman’s Journal, boky 16, lah. 12 (Des. 1905), 551, 553.

  4. Eighth Ward Relief Society Minutes and Records, 1867–1969, Paroasy faha-8, Tsatòka Liberty, 20 aog. 1874; 20 ôkt. 1874; 21 des. 1874; 20 jan. 1875; 22 mar. 1875; 20 mey 1875; 20 nôv. 1875, boky 1, Tranom-boky mitahiry ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City [Nitondra ny anarana hoe Perkins nandritra ny fotoana fohy i Jane]; “Ladies Semi-monthly Meeting,” Woman’s Exponent, boky 22, lah. 9 (1 des. 1893), 66. Nanome vatsim-bola ho an’ny fanorenana ireo tempolin’i St. George, Logan, ary Manti i Jane, ary nitondra anjara biriky tamin’ny fitoriana ny filazantsara tany amin’ny Lamanita (Indiana). Jereo ny Linda King Newell sy ny Valeen Tippetts Avery, “Jane Manning James,” Ensign, Aug. 1979, 29.

  5. Jane Elizabeth Manning James autobiography, tany amin’ny 1902 tany ho any, notononina tamin’i Elizabeth J. D. Roundy, Tranom-boky mitahiry ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City, 22.

  6. Taratasy nosoratan’i Jane E. James ho an’i John Taylor, 27 des. 1884; taratasy nosoratan’i Jane E. James ho an’i Joseph F. Smith, 7 feb. 1890; taratasy nosoratan’i Jane E. James ho an’i Joseph F. Smith, 31 aog. 1903.

  7. Taratasy nosoratan’i Angus M. Cannon ho an’i Jane E. James, 16 jona 1888; jereo koa ny Tonya Reiter, “Black Saviors on Mount Zion: Proxy Baptisms and Latter-day Saints of African Descent,” Journal of Mormon History, boky 43, lah. 4 (ôkt. 2017), 100–123.

  8. Tantaram-piainan’i Jane Elizabeth Manning James, tany ho any amin’ny taona 1902. Notononin’i Jane tao Salt Lake City ny tantaram-piainany tokotokony ho teo anelanelan’ny taona 1902 sy 1908; Ronald G. Coleman sy Darius A. Gray, “Two Perspectives: The Religious Hopes of ‘Worthy’ African American Latter-day Saints before the 1978 Revelation,” ao amin’ny Newell G. Bringhurst sy Darron T. Smith, eds., Black and Mormon (Urbana: University of Illinois Press, 2004), 54. Jereo koa ny Quincy D. Newell, “The Autobiography and Interview of Jane Manning James,” Journal of Africana Religions, boky 1, lah. 2 (2013), 256, 275 (fanamarihana 34).

  9. “Death of Jane Manning James,” Deseret News, Apr. 16, 1908.