Tantaran’ny Fiangonana
I Joseph Smith sy ny fampakarana vady maro


“I Joseph Smith sy ny fampakarana vady maro,” Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana

“I Joseph Smith sy ny fampakarana vady maro”

I Joseph Smith sy ny fampakarana vady maro

Mino ny Olomasin’ny Andro Farany fa ny fampakarana vady tokana, dia ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, no lalàn’ny Tompo manan-kery mikasika ny fanambadiana.1 Tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly, dia nandidy ny sasany tamin’ireo vahoakany hampakatra vady maro ny Tompo: ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy mihoatra ny iray.2 Naharay ihany koa ary nankatò io didy izay nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminanin’ Andriamanitra io ny sasany tamin’ireo mpikambana teo aloha tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Rehefa avy nandray fanambarana nandidy azy hanao fampakarana vady maro i Joseph Smith dia nampakatra vady maro ary nampahafantatra ilay fombafomba an’ireo mpiara-miasa akaiky taminy. Io fitsipika io dia anisan’ireo ampahan-javatra sarotra indrindra teo amin’ny Famerenana tamin’ny laoniny, ho an’i Joseph manokana sy ho an’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana. Nizaha toetra ny finoana sy niteraka adihevitra ary fanoherana ny fampakarana vady maro. Olomasin’ny Andro Farany vitsy tany am-piandohana no nankasitraka ny famerenana tamin’ny laoniny ny fomba fanao iray tao amin’ny Baiboly izay tena zava-baovao tokoa ka mety nanohintohina azy ireo. Saingy maro taty aoriana no nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra niainana ara-panahy nahery vaika tokoa izay nanampy azy ireo handresy ny fisalasalany ary nanome azy ireo herim-po hanaiky ilay fomba fanao.

Antsipiriany maro tamin’ny fampiharana ny fampakarana vady maro teo aloha no tsy fantatra satria nasaina nihazona ny zavatra nataony ho tsiambaratelo ireo izay nandray anjara tamin’izany. Manify tokoa noho izany ny rakitsoratra ara-tantara mikasika ny fampakarana vady maro tany aloha tany: rakitsoratra vitsy tamin’izany fotoana izany no nanome antsipirian-javatra, ary ireo tamberin-tsiahy taty aorina mahakasika izany dia tsy azo antoka foana. Ny Olomasina dia mitantara tantara manan-danja maro mifandray amin’ny fampiharan’i Joseph Smith sy ireo Olomasin’ny Andro Farany hafa ny fampakarana vady maro. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mahakasika ny fampakarana vady maro tany aloha tany dia jereo ny “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” Gospel Topics Essays, topics.churchofjesuschrist.org.

Lohahevitra mifandray amin’izany: I Joseph Smith Zanany, Emma Hale Smith, Fanny Alger, Ny Nauvoo Expositor