2010
Ireo Fitahian’ny Tempoly
Aogositra 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Aogositra 2010

Ireo Fitahian’ny Tempoly

Mbola tsaroako foana ny fotoana nitondran’ny ray aman-dreniko ny fianakavianay ho any amin’ny Tempolin’i Soisa vao naorina, izay voalohany tany Eorôpa, mba ho tonga fianakaviana mandrakizay. 16 taona aho tamin’izany ary zandriny indrindra amin’ny ankizy efatra. Niara -nandohalika teo amin’ny alitara izahay mba hofehezina eto an-tany tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana, niaraka tamin’ny fampanantenana mahafinaritra fa azo fehezina ho mandrakizay izahay. Tsy hohadinoiko mihitsy izany fotoana nahafinaritra izany.

Tamin’ny naha mbola zazalahikely ahy dia somary taitra ihany aho hoe nila niampita ny sisin-tanin’ny firenena izahay mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana anay. Ho ahy dia manamarika izany fa ny asan’ny tempoly dia miampita ireo sisin-tany arak’izao tontolo izao mba hitondrana fitahiana ho an’ny mponina rehetra eto an-tany. Ireo tempolin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tena naorina marina mba ho tombontsoan’izao tontolo izao, tsy hijerena fiaviana, kolotsaina, na firehana pôlitika.

Ny tempoly dia vavolombelona tsy voahozongozona fa handresy ny hatsarana. Ny Filoha George Q. Cannon (1827–1901), Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nilaza indray mandeha hoe: “Ny vato fototra rehetra izay apetraka mba hanoreanana Tempoly iray, sy ny Tempoly vita rehetra … dia mampihena ny herin’i Satana eto an-tany, sy mampitombo ny herin’Andriamanitra sy ny zavatra araka an-Andriamanitra.”1

Raha ny tempoly tsirairay dia mampitombo ny fitarihana ho any amin’ny fahamarinana eto an-tany, ny fitahiana lehibe kosa, mazava ho azy, dia ho azon’ireo izay mandeha any amin’ny tempoly tokoa. Ao isika no mahazo fahazavana sy fahalalana fanampiny ary manao ireo fanekempihavanana, izay raha toa ka arahina, dia hanampy antsika handeha amin’ny lalan’ny mpanaradia ny Tompo. Raha fehezina, ny tempoly dia mampianatra antsika momba ny tanjona masin’ny fiainana ary manampy antsika hahita ilay tena fitarihana ara-nofo sy ara-panahy marina.

Na izany aza anefa dia tsy mandeha any amin’ny tempoly ho an’ny tenantsika manokana fotsiny ihany isika. Isaky ny miditra amin’izany toerana masina izany isika, dia mandray anjara amin’ilay asam-panavotana masina ho famonjena ny zanak’Andriamanitra rehetra vokatry ny Sorompanavotan’ny Zanaka Lahitokan’ny Ray. Izany dia asa fanompoana masina sy tsy misy fitiavan-tena ary mamela antsika ety an-tany handray anjara amin’ilay asa be voninahitra mba ho tonga mpamonjy eo an-Tendrombohitr’i Ziona.

Ho an’ireo izay tsy afaka mankany amin’ny tempoly na inona na inona antony, mamporisika anareo aho hanao ny zava-drehetra tratry ny herinareo mba hanananareo fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly. Ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly dia mariky ny fahatokiantsika sy ny fahavononantsika hanompo ny Tompo. Mariky ny fitiavantsika ny Tompo izany, araka ny nampianarin’i Jesoa hoe: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy” (Jaona 14:21).

Raha mitohy manatsara hatrany ny hatsaran’izao tontolo izao ireo trano masina natokana ho an’ny Tompo ireo, dia mivavaka aho mba hanao ny anjarantsika isika amin’ny fitondrana ny lanitra hanakaikikaiky kokoa ny tany amin’ny alalan’ny fetezana ho mendrika hihazona fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly sy ny fampiasana izany. Rehefa manao izany isika, dia tsy hitombo eo amin’ny fiainantsika sy ny tokantranontsika fotsiny ihany ny fahamarinana fa eo amin’ny fiaraha-monina ihany koa sy manerana an’izao tontolo izao.

Fanamarihana

  1. George Q. Cannon, in “The Logan Temple,” Millennial Star, Nôv. 12, 1877, 743.

Fampianarana avy amin’Ity Hafatra Ity

Ny ankamaroan’ny olona dia mianatra tsara kokoa sy mahatadidy elaela kokoa rehefa maneho hevitra amin’ny alalan’ny fampiasana sary ianao fa tsy amin’ny alalan’ny fitenenana fotsiny (jereo Teaching, No Greater Call [1999], 182). Mandritra ny lesona, dia mampisehoa sarin’ny tempoly iray. Rehefa avy mamaky ilay lahatsoratra, dia mifanakaloza hevitra mikasika ny maha-zava-dehibe ny tempoly ho an’ny Filoha Uchtdorf. Asao ny ankizy madinika ao amin’ny fianakaviana mba hanao ny sarin’ny fianakaviany eo amin’ny tempoly.

Ny Enseignement, pas de plus grand appel dia nanambara hoe: “Amporisiho ireo izay ampianarinao mba hametraka tanjona iray na maro izay afaka hanampy azy ireo hiaina ny fitsipika izay nampianarinao” (159). Vakio miaraka amin’ny fianakaviana ny hafatry ny Filoha Uchtdorf ary asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana hanoratra ny tanjon’izy ireo manokana izay hanampy azy ireo hijanona ho mendrika hihazona sy hampiasa ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly.