2010
Mampitombo ny Finoana sy ny Fahamarinan’ny Tena Manokana
Aogositra 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Aogostra 2010

Mampitombo ny Finoana sy ny Fahamarinan’ny Tena Manokan

Halalino ity hafatra ity, ary raha azo atao dia ifanakalozy hevitra amin’ireo rahavavy izay vangianao ny ao anatin’izany. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampiana anao hampahery ireo rahavavinao sy hampidirana ny Fikambanana Ifanampiana ao anatin’ny fiainanao manokana.

Sary
Relief Society seal

Finoana • Fianakaviana • Asa fanompoana

Avy ao amin’ny soratra masina

Isaia 2:2–3; F&F 109:22–23; 110:8–10

Ny Andraikitsika ny mba Ho Mendrika Hanao Asa any amin’ny Tempoly

“Ny fanekempihavanana izay ataontsika my ireo ôrdônansy mifanaraka amin’ izany izay raisintsika any amin’ny tempoly dia lasa antoka hamelana antsika ho voaray eo anatrehan’Andriamanitra. Ireo fanekempihavanana ireo dia mampisondrotra antsika mihoatra ny fetran’ny herintsika manokana sy ny fahatakarantsika. Manao fanekempihavanana isika hanehoantsika ny fanoloran-tenantsika hanangana ny fanjakana. Ho tonga vahoakan’ny fanekempihavanana isika rehefa manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra. Ireo fitahiana rehetra ampanantenaina dia ho antsika amin’ny alalan’ny fahatokiantsika amin’ireo fanekempihavanana ireo. …

“Inona no azon’ny vehivavin’ny Fiangonana atao hitakiana ireo fitahian’ny tempoly?

“Amin’ny alalan’ny mpaminaniny, dia manasa ireo izay tsy mbola nandray ny fitahian’ny tempoly ny Tompo mba hanao izay rehetra ilaina mba ho lasa anisan’ireo afaka mandray azy ireny. Manasa ireo izay efa nandray izany fitahiana izany Izy mba hiverina matetika araka izay tratra mba higoka izany traikefa izany indray, ka hampitombo ny fahitany sy ny fahatakarany ny drafiny mandrakizay.

“Aoka isika ho mendrika ny hanana ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly. Aoka isika ho any amin’ny tempoly hamehy ny fianakaviantsika ho mandrakizay. Aoka isika hiverina any amin’ny tempoly matetika araka izay hamelan’ny toe-javatra iainantsika antsika. Aoka isika hanome fahafahana ireo olon-tiantsika efa maty handray ny ôrdônansin’ny fisandratana. Aoka isika hanararaotra ny hery ara-panahy sy ny fanambarana azontsika rehefa mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly. Aoka isika ho mahatoky sy hanao ary hitandrina ny fanekempihavanan’ny tempoly mba handray ny fahafenoan’ny fitahiana entin’ny Sorompanavotana.”1

Silvia H. Allred, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Avy Amin’ny Tantarantsika

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra fa ny Fikambanana Ifanampiana dia miroborobo fatratra noho ny fanirian’ireo rahavavy hanao ny asan’ny tempoly:

“Nandritra ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland dia nantsoina ireo vehivavy hitoto madinika ireo vilia bakoliny mba hahazoana vovoka hafangaro amin’ny lalotra ampiasaina amin’ny rindrin’ny tempoly, izany dia mba hahatonga ny taratry ny masoandro sy ny volana hanome tara-pahazavana izay manome hatsarana ny endriky ny trano.

“Tamin’izany fotoana izany, izay fotoana nahakely ny vola nefa nisian’ny finoana goavana, ireo mpiasa lehilahy dia nanome ny tanjak’izy ireo sy ny fananany tamin’ny fananganana ny tranon’ny Tompo. Ny vehivavy dia nanome sakafo azy ireo, izay tsara indrindra azon’izy ireo nokarakaraina. Edward W. Tullidge dia nitatitra fa nandritra ny fanjairan’ireo vehivavy ny voalin’ny tempoly, dia nilaza i Joseph Smith, raha teo am-panaraha-maso azy ireo, hoe: ‘Ry rahavavy, tena tsy mitsahatra miasa mihitsy ianareo. Ny rahavavy no voalohany foana sy mihazona ny toerana manan-danja indrindra hatrany eo amin’ny fanaovana asa tsara rehetra. I Maria no tonga voalohany tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty; ary ankehitriny dia mbola ireo rahavavy no miasa voalohany ato anatin’ny tempoly.’ …

“Toy izany koa ny tao Nauvoo, rehefa teo andalam-panamboarana ny tempoly, dia niaraka ny vehivavy vitsivitsy nanamboatra akanjo ambony ho an’ireo mpiasa lehilahy. Tao anatin’izany trangan-javatra izany no nivorian’ny roapolo tamin’izy ireo ny Alakamisy 17 Martsa 1842, tao amin’ny efitrano ambonin’ny trano fivarotan’ny Mpaminany.”2 Izany no fomba niantombohan’ny Fikambanana Ifanampiana.

Inona no Azontsika Hatao?

  1. Inona no fanohanana azoko atolotra mba hanampiana ireo rahavaviko hiomana sy handeha ho any amin’ny tempoly?

  2. Ahoana no fomba hanehoako ny ohatra avy amin’ny lova napetrak’ireo rahavavy voalohandohany izay nahafoy be mba hahazoana ireo fitahian’ny tempoly?

  3. Ahoana no ahafahako mitaky ireo fitahian’ny tempoly?

Fanamarihana

  1. Silvia H. Allred, “Holy Temples, Sacred Covenants,” Liahona, Nôv. 2008, 113, 114.

  2. Gordon B. Hinckley, “Ambitious to Do Good,” Ensign, Mar. 1992, 2.