2011
Manaova Fanamby Hanao Asa Hanehoam-pankasitrahana
Desambra 2011


Ho an’ny Tanora

Manaova Fanamby Hanao Asa Hanehoam-pankasitrahana

Ndeha isika tsy hiresaka fotsiny mikasika ny fitanisana ireo fitahiana azontsika—fa andeha ho arahan’asa izany! Tanisao an-tsoratra ny zavatra 100 izay maha-feno fankasitrahana anao. Raha toa ka toa maro loatra ny fahitanao izany, dia andramo indray ity:

  1. Manorata zavatra ara-batana 10 vitanao izay maha-feno fankasitrahana anao.

  2. Manorata fitaovana ara-materialy 10 izay anananao ka maha-feno fankasitrahana anao.

  3. Manorata anaran’olona velona 10 izay maha-feno fankasitrahana anao.

  4. Manorata anaran’olona efa nodimandry 10 izay naha-feno fankasitrahana anao.

  5. Manorata zavatra 10 ao anatin’ny zavaboahary izay maha-feno fankasitrahana anao.

  6. Manorata zavatra 10 niseho tao anatin’ny andro androany izay naha-feno fankasitrahana anao.

  7. Manorata toerana 10 eto ambonin’ny tany izay maha-feno fankasitrahana anao.

  8. Manorata famoronana vaovao 10 amin’izao fotoana izao izay maha-feno fankasitrahana anao.

  9. Manorata sakafo 10 izay maha-feno fankasitrahana anao.

  10. Manorata zavatra 10 momba ny filazantsara izay maha-feno fankasitrahana anao.

Rehefa manao lisitra tahaka izany isika, dia hitantsika fa ilay lisitra misy zavatra 100 dia vao fiandohan’ ireo zavatra rehetra izay nomen’Andriamanitra antsika fotsiny ihany.