2011
Ny Safidy ny Hahay Hankasitraka
Desambra 2011


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Desambra 2011

Ny Safidy ny Hahay Hankasitraka

Sary
Nataon’ny Filoha Henry B. Eyring

Ny Raintsika any an-danitra dia mandidy antsika mba hisaotra amin’ny zavatra rehetra (jereo ny 1 Tesaloniana 5:18), ary mitaky ny hanolorantsika fisaorana amin’ireo fitahiana azontsika (jereo ny F&F 46:32). Fantatsika fa ny didiny rehetra dia natao mba hahafaly antsika, ary fantatsika ihany koa fa ny fandikana ireo didy ireo dia mitondra any amin’ny fahoriana.

Noho izany, mba hananana fifaliana sy hisorohana ny fahoriana, dia tsy maintsy manana fo feno fankasitrahana isika. Efa hitantsika teo amin’ny fiainantsika ny fifandraisana misy eo amin’ny fankasitrahana sy ny fifaliana. Isika rehetra dia te-hahatsapa fankasitrahana, kanefa tsy mora ny mankasitraka foana amin’ny zavatra rehetra ao anatin’ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Indraindray dia tonga eo amin’ny fiainantsika ny aretina sy ny fahadisoam-panantenana ary ny fahalasan’ireo olon-tiana. Ny fahoriantsika dia mety hanasarotra ny fahitantsika ireo fitahiana azontsika sy hanasarotra ny fankasitrahantsika ireo fitahiana izay homanin’Andriamanitra ho antsika amin’ny hoavy.

Lasa fanamby ny manisa ireo fitahiana azontsika satria lasa tsy dia miraharaha izay zavatra tsara azontsika isika. Rehefa tsy manan-kialofana intsony isika, na tsy manana sakafo ho hanina, na tsy ampy fitiavana avy amin’ireo namana sy fianakaviana, dia tsapantsika amin’izay fa tokony ho nahay nankasitraka isika tamin’ny fotoana nananana azy ireny.

Sarotra ho antsika matetika indrindra indrindra ny maneho fankasitrahana ampy noho ireo fanomezana goavana izay azontsika: ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotany, ny fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty, ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika, ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny miaraka amin’ny fisoronana sy ny fanalahidiny. Amin’ny alalan’ny fanampian’ny Fanahy Masina ihany no ahafahantsika manomboka mahatsapa ny dikan’ireo fitahiana ireo ho antsika sy ho an’ireo izay tiantsika. Ary dia amin’izay ihany isika vao afaka manantena ny ho feno fankasitrahana amin’ny zavatra rehetra sy afaka misoroka ny fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra noho ny tsy fankasitrahana.

Tokony angatahantsika ao anatin’ny vavaka amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ny mba hanampian’Andriamanitra antsika hahita mazava tsara ireo fitahiantsika na dia ao anatin’ny zavon’ny fitsapana atrehantsika aza isika. Afaka manampy antsika Izy, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy, hamantatra sy hankasitraka ireo fitahiana izay toa tsy raharahiantsika. Ny tena nanampy ahy indrindra dia ny fangatahana tamin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka hoe: “Mba tariho aho ho any amin’izay olona azoko ampiana amin’ny anaranao.” Tamin’ny alalan’ny fanampiako an’Andriamanitra hitahy ny hafa no nahitako akaiky kokoa ireo fitahiako manokana.

Nivaly ny vavaka nataoko indray andro raha nisy mpivady izay tsy fantatro akory nanasa ahy ho any amin’ny hopitaly. Rehefa tany aho dia nahita zazakely tena bitika loatra ka antonona tao anatin’ny felantanako. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja niainany, dia efa nandalo fandidiana maromaro izy. Nilaza tamin’ireo ray aman-dreniny ny dokotera fa hisy fandidiana sarotrarotra kokoa izay tsy maintsy atao amin’ny fony sy ny avokavony mba hahavelona ity zanaka kelin’Andriamanitra ity.

Rehefa nangatahan’ireo ray aman-dreniny aho, dia nanome tsodranon’ny fisoronana an’ilay zaza. Tafiditra tao anatin’ilay tsodrano ny fampanantenana fa hihalava ny andro iainana. Ankoatry ny fanomezana tsodrano, dia nahazo tsodrano aho mba hanana fo feno fankasitrahana kokoa koa ny tenako.

Miaraka amin’ny fanampian’ny Ray, isika rehetra dia afaka misafidy ny hahatsapa fankasitrahana bebe kokoa. Afaka mangataka Azy isika mba hanampy antsika hahita mazava tsara ireo fitahiana ananantsika, na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainantsika. Ho ahy tamin’io andro io, dia naneho fankasitrahana mihoatra noho ny hatramin’izay aho noho ny fananako fo sy avokavoka izay fahagagana. Nanolotra fisaorana aho teny an-dalam-podiana noho ireo fitahiana azon-janako ka dia hitako mazava tsara ny fahagagan’ny hatsaram-panahy avy amin’Andriamanitra sy avy amin’ny olona tsara manodidina azy ireo.

Nahatsapa fankasitrahana aho indrindra indrindra noho ny porofo mivaingana amin’ny fiasan’ny Sorompanavotana teo amin’ny fiainan’ireo ray aman-dreny be ahiahy sy teo amin’ny fiainako. Efa hitako namiratra teo amin’ny endrik’izy ireo ny fanantenana sy ny fitiavana madion’i Kristy, na dia tao anatin’ny fitsapana mivaivay aza. Ary tsapako ny porofo mivaingana mety ho tsapanao raha angatahanao Andriamanitra mba hanambara aminao ny Sorompanavotana izay ahafahanao mahatsapa fanantenana sy fitiavana.

Isika rehetra dia afaka manao safidy ny hanolotra fisaorana ao anatin’ny vavaka ary hangataka fitarihana avy amin’Andriamanitra mba hanompoana ny hafa amin’ny Anarany—indrindra fa mandritra izao vanim-potoana izao izay ankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Andriamanitra Ray dia nanome ny Zanany, ary i Jesoa Kristy dia nanome antsika ny Sorompanavotana, ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ ny fanomezana rehetra (jereo ny F&F 14:7).

Ny fanolorana fisaorana ao anatin’ny vavaka dia manome fahafahana antsika hahita ny halehiben’ireo fitahiana ireo sy ireo fitahiana hafa rehetra azontsika ary dia handray ny fanomezam-pahasoavan’ny fananana fo feno fankasitrahana kokoa.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Ny fanoratana ny zavatra niainantsika sy ireo fitahiana azontsika dia hanampy antsika hahatsiaro azy ireny ary hanome antsika zavatra izay azontsika hanaovana jery todika. Diniho ny hangatahana ireo izay ampianarinao hanoratra ireo zavatra maha-feno fankasitrahana azy—mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ireo fitahiana izay noraisin’izy ireo, sy hahafantatra ireo fitahiana izay misy ankehitriny, ary hiandrandra ireo fitahiana amin’ny hoavy.

Afaka mamporisika ireo izay ampianarinao ihany koa ianao hanaraka ny ohatry ny Filoha Eyring mba hangataka ny Ray any an-danitra hitarika azy ireo any amin’izay olona azon’izy ireo ampiana na anaovana asa fanompoana.