2013
Fizarana amin’ny Namana iray
Febroary 2013


Ho an’ny Tanora

Fizarana amin’ny Namana iray

Indray andro raha nanao fandalinana aho mba hiomanana ho amin’ny kilasin’ny seminerako dia nanana fahatsapana nahafinaritra sy niavaka. Raha namaky mikasika ny lesona hatao ny ampitso iny aho dia nahita ny endriky ny namako iray any an-tsekoly, ary nanana fahatsapana mahery vaika aho fa tokony hizara ny fijoroako ho vavolombelona aminy.

Natahotra anefa aho na dia nazava tsara aza io fahatsapana io. Natahotra aho fandrao tsy ho tian’io namako io, indrindra noho izy toa tsy karazana tovovavy izay mety ho liana amin’ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana.

Naveriko noeritreretina ny lahateny iray nataon-dRahavavy Mary N. Cook ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, izay nanomezany fanamby ho anay ny amin’ny tokony hiasanay mafy sy hanananay herim-po.1 Te-ho tahaka izany aho, ka dia nanoratra taratasy ho an’io tovovavy io ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Fiangonana sy ny fitiavako ny Bokin’i Môrmôna. Ny ampitson’io aho dia nanatsofoka Bokin’i Môrmôna iray tao anatin’ny kitapony niaraka tamin’ilay taratasiko.

 Akory ny hagagako fa tena vonona handray ny filazantsara tokoa io namako io. Nanomboka tamin’io andro io izy no nitantara tamiko mikasika izay zavatra nianarany tamin’ny fandalinany ny Bokin’i Môrmôna. Nampahafantariko an’ireo misiônera izy herinandro vitsivitsy taty aoriana. Saika teo no ho eo no nandraisany ny fanamafisana avy tamin’ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra izay nianarany. Nitomany izaho sy ireo misiônera rehefa nolazainy anay ny fahatsapana nananany. Vetivety foana dia natao batisa io namako io, ary nitolagaga ny ray aman-dreniny nahita ny fiovana izay nitranga taminy.

 Faly tokoa aho fa afaka nahatohitra ny tahotro, sy nanampy tamin’ny fitondrana ny filazantsara teo amin’ny fiainany.

Fanamarihana

  1. Jereo Mary N. Cook, “Aza milavo lefona na oviana na oviana!” Liahona, Mey 2010, 117–19.