2013
Teny kely ho an’ilay Misiônera Miahotrahotra
Febroary 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Febroary 2013

Teny kely ho an’ilay Misiônera Miahotrahotra

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Nanana andraikitra hatrany ny hitondra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho eo amin’izao tontolo izao ireo mpianany (jereo ny Marka 16:15–16). Na izany aza dia sarotra indraindray ny manokatra ny vavantsika sy ny miresaka mikasika ny finoantsika amin’ireo manodidina antsika. Raha toa ka manana talenta voajanahary amin’ny firesahana mikasika ny fivavahana amin’ny olon-kafa ny mpikambana sasany ato amin’ny Fiangonana, ny hafa kosa dia somary miahotrahotra na mety ho mahatsiaro ho manana fahasarotana na miambakavaka, na matahotra mihitsy aza hanao izany.

Noho izany antony izany no tiako hanolorana sosokevitra efatra izay azon’ny olon-drehetra atao mba hanarahana ilay asa nanirahan’ny Mpamonjy hoe hitory filazantsara “amin’ny olona rehetra” (F&F 58:64).

Aoka Ianao ho Fahazavana

Misy fomba fiteny iray tiako indrindra izay matetika voalaza fa avy amin’i Masindahy François d’Assise ary manao hoe: “Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara, ary raha toa ka ilaina dia mampiasà teny.”1 Tsy voalaza mivantana ao amin’io fomba fiteny io, saingy ny tena dikany dia hoe matetika dia tsy izay ambara amin’ny teny no fampianarana tena mahery vaika indrindra.

Tsikaritry ny olona raha toa isika ka marin-toetra sy miaina tsy tapaka araka ireo fenitra arahintsika. Vao mainka ho tsikaritr’izy ireo bebe kokoa izany raha toa isika ka mampiseho fifaliana sy fahasambarana.

Samy te-ho sambatra avokoa ny olona tsirairay. Raha toa isika mpikamban’ny Fiangonana ka mampiseho ny fahazavan’ny filazantsara dia ho hitan’ny olona ny fahasambarantsika, ary ho tsapany ny fitiavan’Andriamanitra izay manenika sy mitosaka eo amin’ny fiainantsika. Te-hahafantatra ny anton’izany izy ireo. Tian’izy ireo ho takarina ny fomba nahatongavantsika ho toy izany.

Izany no mahatonga azy ireo hametra-panontaniana hoe: “Inona no mahatonga anao ho sambatra be toy izao?” na koa hoe: “Inona no mahatonga anao hahay mijery ny lafin-tsaram-piainana lalandava toy izao?” Mazava ho azy fa ny valin’ireo fanontaniana ireo dia mitondra tanteraka mankany amin’ny fifampiresahana mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay naverina amin’ny laoniny.

Aoka Ianao mba ho Azo Ifampiresahana

Ny fitondrana resaka mikasika ny fivavahana—indrindra fa amin’ny namantsika sy ireo olon-tiantsika—dia mety ho toa mampatahotra sy mitondra fanamby. Tsy tokony ho toy izany no izy. Ny fitantarana zavatra niainana ara-panahy na ny firesahana mikasika ny fiaraha-mientana atao sy zava-mitranga ato amin’ny Fiangonana mandritra ny resaka atao andavanandro dia ho mora sy hahafinaritra raha toa isika ka manana herim-po kely fotsiny sy mahay mandanjalanja tsara.

I Harriet vadiko no ohatra mahafinaritra amin’izany. Fony izahay nipetraka tany Allemagne, dia nahita fomba hatrany izy hampidirana ny lohahevitra mikasika ny Fiangonana amin’ny resaka ataony amin’ireo namany sy olom-pantany. Raha toa ohatra ka misy manontany mikasika ny faran’ny herinandrony, dia toy izao no lazainy: “Niaina zavatra nahavariana izahay tany am-piangonana tamin’ny Alahady teo! Nisy zatovolahy iray 16 taona nanao lahateny tsara dia tsara mikasika ny fananana fiainana madio teo anatrehan’ny olona miisa 200 tamin’ireo mpivavaka tao aminay.” Na koa hoe: “Nianatra mikasika ny vehivavy iray 90 taona aho, izay nanamboatra bodofotsy mihoatra ny 500, ary nanolotra izany tamin’ ny fandaharan’asan’ny Fiangonanay misahana ny fanampiana olona mba halefa any amin’ ny olona izay mila fanampiana manerana izao tontolo izao.”

Amin’ny ankapobeny, ny olona nandre izany dia te-hahafantatra misimisy kokoa. Nametraka fanontaniana izy ireo. Ary izany no nitondra tamin’ny fahafahana hiresaka mikasika ny filazantsara tamin’ny fomba tsotra sy tsy nampiahiahy ary tsy nanafintohina.

Ary hatramin’ny nisian’ ny Internet sy ireo fomba fifaneraserana eo amin’ny fiaraha-monina, dia moramora kokoa noho ny teo aloha ankehitriny ny miresaka mikasika ireo zavatra ireo ao anatin’ny fifampiresahana atao. Ny hany zavatra ilaintsika dia ny herim-po hanaovana izany fotsiny.

Aoka Ianao ho Feno Fahasoavana

Ny mampalahelo dia tena mora be ny hitrangan’ny tsy fitovian-kevitra. Matetika loatra isika no miady hevitra sy mitsikera ary manameloka. Rehefa lasa tezitra isika, na tsy mahalala fomba, na manindrona ny fon’ny olona, dia ny mianatra misimisy kokoa mikasika antsika manokana no zavatra tsy tian’izy ireo indrindra. Tsy ho azo fantarina ny isan’ireo olona izay na nandao ny Fiangonana, na tsy tafiditra tato mihitsy, satria nisy olona iray izay niteny zavatra iray izay nandratra na nanafintohina azy ireo.

Efa maro loatra ny tsy fahaiza-miaina misy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Noho ny fahafahana tsy mitonona anarana rehefa ao amin’ny Internet, dia moramora kokoa ny milaza zavatra mandratra na manafintohina. Moa ve isika, izay mpianatra maha-velom-panantenana an’ilay Kristy malemy fanahy, tsy tokony hanana fenitra ambonimbony kokoa sy feno fiantrana kokoa? Mampianatra toy izao ny soratra masina: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra” (Kolosiana 4:6).

Tiako ho izany hoe feno fifaliana sy fahamarinan-toetra ary hatsaram-panahy izany ny teny ampiasaintsika. Azonao eritreretina ve ny mety ho endriky ny fianakaviantsika, sy ny paroasintsika, sy ny firenentsika, ary na izao tontolo izao mihitsy aza raha toa ka hiainantsika io fitsipika tsotra io?

Aoka Ianao ho Feno Finoana

Indraindray isika dia diso mandray ny tenantsika ho nahavita be na diso manome tsiny loatra ny tenantsika raha ny mikasika ny fandraisan’ny hafa ny filazantsara na tsia. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa tsy takian’ny Tompo amintsika ny hanao ny fandresen-dahatra.

Tsy tonga amin’ny alalan’ny tenintsika ny fiovam-po fa avy amin’ny asa masina izay ataon’ny Fanahy Masina. Indraindray dia andian-teny iray avy amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona na mikasika ny zavatra iray niainantsika no hany zavatra ilaina ampy hiteraka ilay fanalefahana ny fo, na ilay famoahana varavarana izay ahafahan’ny hafa hiaina ireo fahamarinana lehibe amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy.

Niteny ny Filoha Brigham Young (1801–77) fa nahafantatra izy hoe marina ny filazantsara rehefa “nahita lehilahy iray izay tsy dia nahay nandaha-teny akory, na nanan-talenta amin’ny firesahana eo imasom-bahoaka, izay tsy afaka niteny afa-tsy ny hoe: ‘Fantatro tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary Mpaminanin’ny Tompo i Joseph Smith.’” Rehefa naheno izany fijoroana ho vavolombelona natao tamim-panetrentena izany ny Filoha Young, dia hoy izy hoe: “Nanazava ny fahatakarako ny Fanahy Masina tao amin’izany olona izany, ary ny hazavana sy ny voninahitra ary ny tsy fahafatesana no [teo] anoloako.”2

Ry rahalahy sy anabavy isany, manàna finoana. Afaka manatsara ireo teny izay lazainao ny Tompo, ary hahatonga izany ho mahery vaika. Tsy mangataka anao handresy lahatra Andriamanitra fa mangataka anao kosa hanokatra ny vavanao. Ny asa fandresen-dahatra dia tsy anjaranao—fa anjaran’ilay olona izay mihaino sy anjaran’ny Fanahy Masina.

Ny Mpikambana rehetra dia Misiônera

Ry namako malala isany, amin’izao fotoana izao dia efa betsaka kokoa noho izay nisy hatramin’izay ireo fomba ahafahantsika manokatra ny vavantsika sy mizara amin’ny hafa ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Misy fomba ahafahan’ny tsirairay—na dia ilay misiônera miahotrahotra aza—mandray anjara amin’ity asa lehibe ity. Azontsika tsirairay atao ny mitady fomba ampiasana ny talentantsika manokana sy miavaka ary ireo fahaizantsika amin’ny fanohanana ilay asa lehibe dia ny famenoana fahazavana sy fahamarinana izao tontolo izao. Raha manao izany isika dia hahita ilay fifaliana izay azon’ireo izay mahatoky sy manana herim-po ampy “hijoro[ana] ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra” (Môsià 18:9).

Fanamarihana

  1. Md. François d’Assise, ao amin’ny William Fay sy Linda Evans Shepherd, Share Jesus without Fear (1999), 22.

  2. Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young (1997), 67.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Ny fomba iray mahomby hampianarana dia ny “manentana ireo izay ampianarinao mba hametraka … tanjona izay afaka hanampy azy ireo hiaina ny fitsipika izay nampianarina” (L’enseignement, pas de plus grand appel [1999], 159). Diniho ny hanasana ireo olona ampianarinao hametraka tanjona ombam-bavaka mba hizara ny filazantsara amin’ny olona iray na mihoatra amin’ity volana ity. Ireo ray aman-dreny dia afaka mifandinika mikasika ireo fomba izay ahafahan’ireo zanany izay mbola kely manampy amin’izany. Azonao atao ihany koa ny manampy ny fianakaviana hikaon-doha na hanao tantara an-tsehatra kely maneho fomba hizarana ny filazantsara ao anatin’ny fifampiresahana tsotra, ary hieritreritra ireo atrikasa hiseho ao amin’ny Fiangonana izay ahafahan’izy ireo manasa namana.