2013
Zarao ny Fijoroanao ho Vavolombelona
Desambra 2013


Ho an’ny Ankizy

Zarao ny Fijoroanao ho Vavolombelona

Azonao atao ny manolotra ny filazantsara ho fanomezana amin’izao Krismasy izao amin’ny alalan’ny fanomezana ny namana iray na mpifanolobodirindrina iray ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny fijoroanao ho vavolombelona voasoratra ao anatin’izany. Araho ireto dingana ireto mba hivononana:

  1. Manaova mahatsizoro eo amin’ny taratasy iray ka mirefy 11,5 santimetatra ny sakany ary 16,5 santimetatra ny halavany ary mangataha olon-dehibe iray mba hanampy anao hanety izany.

  2. Asio ny sarinao ery amin’ny tampon’ilay taratasy—na izany sary natao tanana na sary nalaina tamin’ny fakan-tsary—.

  3. Soraty eo ambanin’ilay sary ny fijoroanao ho vavolombelona.

  4. Mangataha olon-dehibe iray mba hanampy anao hametaka ilay taratasy ao amin’ny fonony anatin’ny Bokin’i Môrmôna.