2013
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ilay Zanaka Lahitokana
Desambra 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Desambra 2013

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ilay Zanaka Lahitokana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary fantaro izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Nantsoina hoe Zanaka Lahitokana i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika satria Izy no hany olona teto an-tany izay nateraky ny reny mety maty iray ary Ray tsy mety maty iray. Nandova hery masina avy tamin’Andriamanitra Rainy Izy. Nandova ny maha mety maty azy avy tamin’i Maria reniny Izy ary nandalo hanoanana, hetaheta, havizanana sy fanaintainana ary fahafatesana.1

Noho i Jesoa Kristy ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray, dia afaka nanolotra ny ainy sy nandray izany indray Izy. Mampianatra ny soratra masina fa “amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy,” dia “azon[tsika] raisina ny fitsanganana amin’ny maty” (Jakôba [ao amin’ny Bokin’i Môrmôna] 4:11). Mianatra koa isika fa afaka ny “[hatsangana] ao amin’ny tsy fahafatesana ho amin’ny fiainana mandrakizay” isika rehetra raha toa ka “[m]ino” (F&F 29:43).

Rehefa takatsika bebe kokoa ny dikan’ny hoe Zanaka Lahitokan’ny Ray ho an’i Jesoa dia hitombo ny finoantsika an’i Kristy. Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia finoana mafy orina sy fahatokiana mikasika ny (1) Maha Zanaka Lahitokan’Andriamanitra Azy, (2) ny Sorompanavotany tsy manam-petra ary (3) ny Sorompanavotany ara-bakiteny.”2 Nijoro ho vavolombelona ireo mpaminany maoderina fa: “I [Jesoa Kristy] no … ilay Zanaka Lahitokana ao amin’ny nofo, ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao.”3

Avy amin’ny Soratra Masina

Jaona 3:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:21–24; Mosesy 5:6–9

Avy amin’ny Tantarantsika

Ao amin’ny Testamenta Vaovao isika dia mianatra momba ireo vehivavy fantatsika anarana na tsy fantatsika, izay nampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy, nianatra sy niaina ny fampianarany ary nijoro ho vavolombelona momba ny asa fanompoany sy ireo fahagagana nataony ary ny halehibeny. Lasa vehivavy mpanara-dia fakan-tahaka sy vavolombelona manan-danja momba ny asa famonjena izy ireo.

Ohatra, i Marta dia nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ny amin’ny maha Andriamanitra an’ny Mpamonjy rehefa nilaza taminy hoe: “Mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 11:27).

Ny sasany tamin’ireo vavolombelona tany am-piandohana mikasika ny maha Andriamanitra ny Mpamonjy dia i Maria reniny ary i Elizabeta havan’i Maria. Fotoana fohy taorian’ny namangian’ny anjely Gabriela an’i Maria dia nandeha namangy an’i Elizabeta izy. Rehefa ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria dia “nofenoin’ny Fanahy Masina” izy (Lioka 1:41) ary nijoro ho vavolombelona fa ho lasa renin’ilay Zanak’ Andriamanitra i Maria.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fitsipiky ny Filazantsara (2009), 52–53.

  2. D. Todd Christofferson, “Building Faith in Christ,” Liahona, Sept. 2012, 13.

  3. “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Liahona, Apr. 2000, 2–3.

Inona no Azoko Atao?

  1. Nahoana no zava-dehibe ho ahy ny mahatakatra ireo anjara asan’i Jesoa Kristy?

  2. Ahoana no ahafahan’ny finoantsika hitombo rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika?