2017
Tigetra!
Janoary 2017


Ho an’ny ankizy

Tigetra!

Nilaza ny Filoha Uchtdorf fa ny filazantsara dia toy ny fizarana mitifitra ilay zavatra kendrena. Mila mifantoka amin’ireo zavatra manan-danja indrindra isika. Ny didy roa manan-danja indrindra dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa. Raha toa isika ka mifantoka amin’ireo zavatra anankiroa ireo dia mahakendry ilay tigetra isaky ny mandeha!

Manaova sarina tigetra lehibe eo amin’ny taratasy iray. Asaivo vakin’ny ray na ny reny ity lisitra manaraka ity. Raha toa ilay zavatra ao anatin’ilay lisitra ka manampy antsika hampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny hafa, dia soraty na ataovy sary eo amin’ilay tigetra izany.

Mizara ny kilalaonao

Mangalatra vatomamy

Miangona

Miantso olona iray tsy amin’ny anarany fa amin’ny anarana ratsy

Mivavaka

Mamihina olona iray

Miady amin’ny iray tampo aminao