2017
Ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana
Janoary 2017


Hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano, Janoary 2017

Ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny “manomana ny vehivavy amin’ireo fitahiana avy amin’ny fiainana mandrakizay,” hoy i Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.1 Amin’ny alalan’ny finoana sy ny fianakaviana ary ny fanampiana no andraisantsika anjara ao anatin’ilay “ampahany tena manan-danja ao amin’ny asantsika.”2

Ny Fikambanana Ifanampiana “dia asa ara-nofo sy ara-panahy,” hoy i Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. “Izany no nataon’ny vehivavy tamin’ny andron’ny Mpamonjy ary izany no tohizintsika atao.”3

Rehefa mijery ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana isika izay nandao ny sininy ary nihazakazaka niteny tamin’ny hafa fa mpaminany i Jesoa (jereo ny Jaona 4:6–42), na i Foiby izay nanompo tamim-pifaliana ny hafa nandritra ny fiainany (jereo ny Romana 16:1–2), dia mahita ohatra-na vehivavy tamin’ny andron’ny Mpamonjy izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatonana an’i Kristy. Izy no manokatra ny lalantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jaona 3:16).

Rehefa mijery ireo rahavavintsika mpisava lalana tany Nauvoo, Illinois, isika izay nivory tao an-tranon’i Sarah Kimball tamin’ny 1842 mba hanangana ny fikambanany manokana dia hitantsika ny drafitr’ Andriamanitra hanorina ny Fikambanana Ifanampiana sy hampifanaraka izany amin’ny fitsipiky ny fisoronana. Rehefa avy nanoratra lalampanorenana iray i Eliza R. Snow, dia nodinihin’ny Mpaminany Joseph Smith izany. Tsapany fa tsy tafatsangana tanteraka ny Fiangonana raha tsy efa tafaorina ny fikambanan’ny vehivavy. Nilaza izy fa nanaiky ny zavatra natolotr’izy ireo ny Tompo saingy nisy zavatra tsaratsara kokoa. “Handamina ireo vehivavy aho ho eo ambany fitarihan’ny fisoronana araka ny lamin’ny fisoronana,” hoy izy.4

“Ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy vondrom-behivavy anankiray hafa fotsiny izay miezaka ny manao soa eto amin’izao tontolo izao. Miavaka izany. ‘Zavatra tsara kokoa’ izany satria naorina teo ambany fahefan’ny fisoronana. Dingana tena nilaina teo amin’ny fiantombohan’ny asan’ Andriamanitra teto an-tany ny fanorenana azy.”5

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:2–3, 10; 88:73; reliefsociety.lds.org

Fanamarihana

  1. Linda K. Burton, ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “Relief Society Celebrates Birthday and More March 17,” Church News, 13 Mar. 2015, news.lds.org.

  2. Linda K. Burton, in Weaver, “Relief Society Celebrates Birthday.”

  3. Carole M. Stephens, ao amin’ny Weaver, “Relief Society Celebrates Birthday.”

  4. Joseph Smith, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2011), 11–12.

  5. Filles dans Mon Royaume, 16.

Eritrereto Ity

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Fikambanana Ifanampiana ny vehivavy mba hanatanteraka ilay anjara asa masina nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo sy mba hitarihana azy ireo mankany amin’ny fiainana mandrakizay?