2017
Misaotra Anao noho ny Mpaminany
September 2017


Zatovo

Misaotra Anao noho ny Mpaminany

Tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’ny Filoha Thomas S. Monson ny fiainanao? Inona no ho tsaroanao indrindra mikasika azy? Hevero ny hanoratra ao amin’ny diarinao mikasika ny Filoha Monson sy ny fiainany, tahaka ny nataony tamin’ity hafatra mikasika ny fitarihan’ireo mpaminany tsirairay izay tsaroany.

Azonao atao ihany koa ny misafidy teny iray tianao indrindra nolazainy ary manoratra izany amin’ny toerana izay hahitanao izany matetika, tahaka ny classeur fampiasanao any am-pianarana na taratasy apetakao ao amin’ny efitranonao Azonao ampiana sary mihitsy aza izany ary ataonao sary amin’ny efijerin’ny findainao. Isaky ny mahita izany ianao dia afaka ny mandinika ny maha zava-dehibe ny mpaminany velona sy mahatsiaro fa eo izy mba hitia sy hitarika antsika ankehitriny.