2017
Iray Fo
September 2017


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Septambra 2017

Iray Fo

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay?

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony” (Mosesy 7:18) Ahoana no ahafahantsika ho iray?

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ny ivon’ny teny Anglisy hoe atonement na hoe sorompanavotana dia ny teny hoe one na iray. Raha mahatakatra izany ny zanak’olombelona rehetra dia tsy hisy na oviana na oviana olona izay tsy horaharahiantsika, na firy taona izy na firy taona, na inona na inona firazanany, na vavy izy na lahy, na inona na inona finoany, na inona na inona toe-javatra iainany ara-tsôsialy na ara-bola. Hiezaka mafy ny ho toy ny Mpamonjy isika ary tsy mba ho ratsy fanahy, na tsy miraharaha, na tsy manaja, na tsy mihevitra ny hafa na oviana na oviana.”1

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Rehefa manana [ny] Fanahy miaraka amin’izy ireo ny olona dia afaka ny miandrandra filaminana [izy ireo]. … Tsy mba mitondra fifandirana velively ny Fanahin’ Andriamanitra (jereo ny 3 Nefia11:29). …Mitondra filaminan-tsain’ny tena manokana izany ary fahatsapana ho iray amin’ny hafa.”2

Raha ny sedra atrehan’ny fianakaviana indray no resahina, i Carole M. Stephens, izay mpanolotsaina voalohany tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nilaza hoe:“Tsy niaina tao anatin’ny fisaraham-panambadiana mihitsy aho, na niaina ny fanaintainana sy tahotra avy amin’ny fandaozan’ny olona, na ny andraikitra mifandray amin’ny maha-reny tokan-tena. Tsy niaina fahafatesan-janaka aho, na fahamombana, na ny fifanintonana eo amin’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy. Tsy mbola niharan’ny herisetra na aretina mikiky na tratran’ny fiankinan-doha aho. Tsy izany no fizahan-toetra nampivelarana ahy.

“… Saingy tamin’ny lalan’ny fisedrana sy fitsapana ahy manokana dia lasa nahafantatra bebe kokoa ilay Iray izay mahatakatra aho. …Ankoatra izany dia niaina ireo fitsapana rehetra vao notononiko teo ireo aho tamin’ny alalan’ny fijerin’ny zanakavavy iray, reny iray, renibe iray, rahavavy iray, nenitoa ary namana iray.

Tsy ny hianatra avy amin’ireo olana ananantsika ihany no tombontsoa ananantsika amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra mitandrina fanekempihavanana antsika fa ny hifandrimbona amin’ny fitserana sy famindrampo rehefa manampy ireo olona hafa ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra isika amin’ny olana ananany, araka izay efa nekentsika fa hataontsika.”3

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

Jaona 17:20--23; Efesiana 4:15; Mosia 18:21--22; 4 Nefia 1:15

reliefsociety.lds.org

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, The Atonement and the Value of One Soul,” Ensign na Liahona mey 2004, 86.

  2. Henry B. Eyring, “That We May Be One,” Ensign, mey 1998, 67.

  3. Carole M.Stephens, “Avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana,” Liahona mey 2015, 11, 13.