2018
Ny fanompoana fampihavanana
Nôvambra 2018


Ny fanompoana fampihavanana

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fiadanan’ny fanahy izay hoentin’ny famitranam-pihavanana amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika raha malemy fanahy sy be herim-po tokoa isika amin’ny fanaovana izany.

Tamin’ny aprily lasa teo raha nampahafantatra ny drafitra momba ny fanompoana ny Filoha Russell M. Nelson dia nanamafy fa izany dia fomba iray hitandremana ireo didy lehibe mba hitia an’ Andriamanitra sy hifankatia.1 Izahay mpiandraikitra ambony ato amin’ny Fiangonana dia midera sy miarahaba anareo noho ny fihetsika mahavariana nasetrinareo izany. Misaotra anareo izahay noho ny fanarahanareo ny mpaminany malalantsika tamin’io asa mahatalanjona io ary manoro hevitra anareo izahay ny tsy hiandrasanareo toromarika maro fanampiny intsony. Tonga dia mirotsaha fotsiny ao anatin’izany. Ampio ireo izay mila fanampiana. Aoka tsy hanakana anareo hanompo ny fieritreretana hoe karazana asa fanompoana inona no tokony hatolotrareo. Raha manaraka ireo fitsipika fototra izay efa nampianarina isika, miara-miasa amin’ny fanalahidin’ny fisoronana, mikatsaka ny Fanahy Masina hitarika antsika, dia hahomby foana.

Amin’ity maraina ity aho dia maniry ny hiresaka lafin-javatra iray mahakasika bebe kokoa ny tena manokana mihitsy aza momba ny fanompoana izay tsy asa ampanaovina, tsy ahitana fandaharam-potoana hanaovana dinidinika, tsy mila hanaovana tatitra na amin’iza na amin’iza afa-tsy any an-danitra ihany. Mamelà ahy hizara ohatra tsotra iray momba izany karazana fanompoana izany.

I Grant Morrell Bowen dia vady sy ray niasa mafy sy nahafoy tena, izay tahaka ireo maro izay nivelona tamin’ny fambolena sy fiompiana, dia nanana fahasarotana ara-bola rehefa tsy ampy ny ovy novolena teo an-toerana. Nanomboka nanao asa hafa izy sy i Norma vadiny, dia nifindra tany amin’ny tanàna iray hafa taty aoriana, ary nanomboka nanana vola ampy hivelomana indray. Tao anatin’ny trangan-javatra iray izay tena nampalahelo tokoa anefa, dia naratra mafy ny fondrahalahy Bowen rehefa tsy dia ninoan’ny eveka loatra, nandritra ny dinidinika iray momba ny fanomezan-dalana hidirana ny tempoly, ny fanambaran’i Morell fa nandoa fahafolonkarena feno izy.

Tsy fantatro izay nanana ny rariny tamin’ireo lehilahy ireo tamin’izay andro izay, fa fantatro hoe Rahavavy Bowen dia nivoaka niaraka tamin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly nohavaozina rehefa vita ilay dinidinika, raha toa kosa Rahalahy Bowen ka nivoaka tamin-katezerana, izay nahatonga azy nanalavitra ny Fiangonana nandritra ny 15 taona.

Na iza na iza no nanana ny rariny momba ilay fahafolonkarena, dia hita mibaribary fa na i Morrell na ny eveka dia samy nanadino ilay fananaran’ny Tompo hoe “mihavàna faingana amin’ilay manana ady aminao”2 sy ny torohevitr’i Paoly hoe “aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.”3 Ny zava-nisy dia tsy nihavana izy ireo ary tena tratran’ny masoandro milentika nandritra ny andro maro, avy eo herinandro maro, ary avy eo nandritra ny taona maro ny hatezeran-drahalahy Bowen, izay nanaporofo ny hevitra notsoahin’ny hendry indrindra tamin’ny ntaolo Rômana, izay nilaza hoe: “Ny hatezerana, rehefa tsy sakanana, dia matetika no [manimba] bebe kokoa noho ny fahadisoana izay niteraka izany.”4 Misy foana anefa ny fahagagan’ny fampihavanana ho antsika, ary noho ny fitiavany ny fianakaviany sy ny Fiangonana izay fantany fa marina, dia niverina navitrika tanteraka tato amin’ny Fiangonana i Morrell Bowen. Hofintiniko vetivety aminareo ny fomba nitrangan’izany.

I Brad zanakalahin-dRahalahy Bowen dia tena namanay be ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra mahafoy tena izay manompo ao Idaho Atsimo izy. 11 taona i Brad tamin’ny fotoana nitrangan’ilay olana, ary nandritra ny 15 taona dia hitany ny fihenan’ny fanolorantenan’ny rainy teo amin’ny fivavahana, izay vavolombelon’ny voka-dratsy nitranga tamin’ny fianakaviany noho ny hatezerana avy amin’ny tsy fifankahazoan-kevitra momba ilay fahafolonkarena. Nisy zavatra nilaina natao. Ka noho izany, rehefa nanakaiky ny fialan-tsasatry ny Fotoana fanehoana fankasitrahana tamin’ny 1977, dia nampiditra ny entany tao amin’ny fiarana mpianatr’izy ireo izay tsizarizary i Brad izay mpianatra 26 taona tao amin’ny Oniversite Brigham Young, sy i Valerie vadiny, ary i Mic zanany lahy vao teraka, ary na dia teo aza ny faharatsian’ny toetr’andro dia nandeha nankany Billings Montana izy ireo. Na ny fifatrarana tany anaty ranomandry nivangongo teny akaikin’i West Yellowstone aza dia tsy nahasakana ireto telo mianaka ireto tamin’ny fanatanterahana ny fifandraisana mifono fanompoana nataon’izy ireo tamin-drahalahy Bowen Rainy.

Rehefa tonga izy ireo dia nangataka ny hihaona manokana tamin’ny rainy i Brad sy i Pam anabaviny. “Dada tena mahafinaritra ianao,” hoy i Brad nanomboka niteny tamim-pientanam-po, “ary efa fantatray hatrizay ny halehiben’ny fitiavanao anay. Saingy misy zavatra tsy mety, ary efa naharitra ela izany. Noho ianao voaratra indray mandeha dia voaratra nandritra ny taona maro ity fianakaviana ity. Simba izahay ary ianao no hany afaka manamboatra anay. Miangavy anao izahay, taorian’izay fotoana rehetra izay, azonao tadiavina ao am-ponao ao ve azafady ny faniriana hanadino izany trangan-javatra mampalahelo niaraka tamin’izany eveka izany, ary afaka mitarika indray ity fianakaviana ity ho ao amin’ny filazantsara tahaka izay nataonao taloha ve ianao?

Nangina tanteraka ny tao an-trano. Dia niandrandra nijery azy mianadahy izay zanany, taolana avy amin’ny taolany sy nofo avy amin’ny nofony Rahalahy Bowen,5 dia niteny moramora kely hoe: “Eny. Eny, hanao izany aho.”

Tao anatin’ny hafaliana kanefa niharo hagagana ihany koa noho ilay valinteny tsy nampoizina no nijeren’i Brad Bowen sy ny fianakaviany an’ilay vady sy rain’izy ireo nankany amin’ny evekan’izy ireo tamin’izay fotoana izay, tamin’ny fananana toe-tsaina vonona hihavana mba handamina ireo zavatra teo amin’ny fiainany. Naneho fihetsika mahafa-po ho setrin’io fitsidihana feno herim-po kanefa tsy nampoizina tanteraka io ny eveka, izay efa nanasa matetika an-drahalahy Bowen mba hiverina, ka niantsampy teny amin’i Morrell sady namihina azy, namihina azy ela dia ela tokoa.

Tao anatin’ny herinandro vitsy monja, tsy ela akory, dia nirotsaka tanteraka tamin’ny fahavitrihana tao am-piangonana Rahalahy Bowen ary nanao izay hahamendrika azy hiverina tany amin’ny tempoly. Fotoana fohy dia nanaiky ny antso mba hitarika sampana kely iray nandalo fahasahiranana nahitana olona 25 izy ka nampitombo izany ho lasa mpiangona niroborobo niisa 100 mahery. Izany rehetra izany dia nitranga efa ho dimampolo taona lasa izay, kanefa ny vokatry ny fiangavian’ny zanakalahy sy zanakavavy iray tamim-panompoana izay nataony tamin’ny rainy, sy ny fahavononan’izany raim-pianakaviana izany hamela heloka sy handroso, na dia teo aza ny tsy fahatanterahan’ny hafa, dia nitondra fitahiana izay mbola mirotsaka hatrany, ary hirotsaka mandrakizay, ao amin-dry Bowen mianakavy.

Ry rahalahy sy anabavy, nangatahan’i Jesoa isika ny “hiara-honina amim-pitiavana”6 ka “tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo.”7 “Izay manana ny fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy,” hoy Izy nampitandrina ny Nefita.8 Mazava ho azy fa hamaritra be ny fifandraisantsika amin’i Kristy, na farafahakeliny hitondra fiantraikany eo amin’izany, ny fifandraisana misy eo amintsika.

“Raha … maniry ny hankatỳ Amiko [ianao],” hoy Izy; “ary mahatsiaro fa ny rahalahinao dia manana zavatra ifanoherana aminao—

“Mandehana mankany amin’ ny rahalahinao, ary mihavàna aloha ami[ny] dia mankanesa aty Amiko amin’ ny fo feno finiavana ary handray anao Aho.9

Azo antoka fa isika tsirairay avy dia afaka mitanisa karazan-javatra maro nandratra tany aloha tany sy alahelo ary fahatsiarovana mampalahelo izay mbola manimba ny fiadanana ao am-pon’ny olona iray na ny fianakaviana na ny mpiara-belona amin’izao fotoana izao. Na avy amintsika no nahatonga izany fahoriana izany na isika no hidonan’ilay fahoriana, dia mila sitranina ireo ratra ireo mba hahafahan’ny fiainana mitondra soa araka izay nokasain’ Andriamanitra hanaovana izany. Tahaka ny sakafo ao anatin’ny vata fampangatsiahanareo izay arahan’ireo zafikelinareo maso tsara eo amin’ny toeranareo, ireny alahelo taloha ireny dia efa lany daty ka tsy tokony hisy fiantraikany eo aminareo intsony. Aza mandany hery sarobidy amin’izy ireny intsony. Araka ny nolazain’i Prospero tamin’i Alonso mampalahelo ao amin’ny tantara an-tsehatra La tempête hoe: “Aoka ny fahatsiarovantsika tsy hovesarantsika zavatra efa tsy tokony hamesatra intsony.”10

“Aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo,”11 hoy i Kristy raha nampianatra tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Ary tamin’izao androntsika izao: “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.”12 Manan-danja kosa anefa ho an’ny sasany aminareo izay miaina ao anatin’ny fahoriambe ny mieritreritra ny zavatra tsy nolazainy. Tsy nilaza Izy hoe: “Tsy mahazo mahatsapa fahoriana lalina na alahelo lalina avy amin’ireo zavatra niainana tena mandratra izay nihatra taminareo noho ny zavatra nataon’ny hafa ianareo.” Tsy nilaza koa Izy hoe: “Mba hamelana heloka tanteraka dia tsy maintsy manohy fifandraisana mandratra fo na miverina miaina toe-javatra feno fanararaotana sy manimba ianareo.” Kanefa na dia eo aza ny fanafintohinana faran’izay mahatsiravina mety hitranga amintsika, dia tsy afaka mandresy ny fahoriantsika isika raha tsy rehefa mametraka ny tongotsika eo amin’ny lalan’ny fahasitranana marina ihany. Ilay lalana dia ilay lalan’ny famelan-keloka izay nandehanan’i Jesoa avy any Nazareta, izay miantso antsika tsirairay avy hoe: “Avia, manaraha Ahy.”13

Amin’io fanasana mba ho mpianany sy hiezaka hanao izay nataony io no hangatahan’i Jesoa antsika ho mpitondra ny fahasoavany—mba ho “iraka solon’i Kristy” ao amin’ “ny fanompoana fampihavanana,” araka izay noresadresahan’i Paoly tamin’ny Korintiana.14 Ilay Mpanasitrana ny ratra rehetra, Izy ilay manitsy ny fahadisoana rehetra, dia mangataka antsika hiara-hiasa Aminy amin’ilay asa sarotry ny fitondrana fiadanana ao anatin’ny tontolo iray izay tsy hahita izany amin’ny fomba hafa izay misy.

Ka noho izany, araka izay nosoratan’i Phillips Brooks: “Ianareo izay mamela ny tsy fifankahazoana mandratra fo hitohy ao anatin’ny taona maromaro, kanefa manam-pikasana ny hamaha izany olana izany indray andro any; ianareo izay mbola tsy mifanara-tsaina satria tsy tena mbola tapa-kevitra tsara fa izao no fotoana tokony hamoizanareo ny ambom-ponareo ary mandamina izany; ianareo izay mandalo amim-pianjonanjonana an’ireo olona eny an-dalana, ary tsy miresaka amin’izy ireo noho ny faniriana te handratra fo … ; ianareo izay mamela … ny fon’ny [olona iray] harary noho ny tsy fahazoany teny fankasitrahana na maneho fangorahana, kanefa kasainareo hatao … indray andro any, … mandehana izao dieny izao ary ataovy ny zavatra izay mety tsy hanananao fahafahana intsony ny hanao azy any aoriana.”15

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, mijoro ho vavolombelona aho fa ny famelan-keloka sy ny fanadinoana ireo fanafintohinana, na taloha izany na vaovao, dia ampahany tena manan-danja amin’ny halehibeazan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa any aoriana any, ny fanasitranana ara-panahy tahaka izany dia tsy ho tonga raha tsy avy amin’ny Mpanavotra masintsika ihany, Izy ilay mihazakazaka manampy antsika “miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany.”16 Misaotra Azy sy ny Raintsika any An-danitra izay nandefa Azy isika, fa ny fanavaozana sy ny fahaterahana indray, ny hoavy iray izay tsy ahitana alahelo sy fahadisoana natao taloha, dia tsy hoe azo tanterahina fotsiny ihany fa efa azo sy voaonitra ihany koa tamin’ny sarany faran’izay nampahory, izay hasehon’ny ran’ny Zanak’Ondry izay nandatsaka izany.

Amin’ny alalan’ilay fahefana nomen’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao an’ireo Apôstôly no ijoroako ho vavolombelona ny amin’ny fiadanan’ny fanahy izay hoentin’ny famitranam-pihavanana amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika raha malemy fanahy sy be herim-po tokoa isika amin’ny fanaovana izany. “Atsaharo ny fifandiranareo,” hoy ny Mpamonjy.17 Raha misy ratram-po fantatrao fa nitranga tany aloha tany, dia alamino izany. Mifampitsinjova amim-pitiavana.

Ry namana malalako, mangataka antsika aho mba ho mpitondra fiadanana ao anatin’ny fanompoana fampihavanana izay ataontsika miaraka, mba hitia ny fiadanana, mba hikatsaka ny fiadanana, mba hamorona ny fiadanana, mba hankamamy ny fiadanana. Amin’ny anaran’Ilay Andrian’ny Fiadanana no hanaovako izany fangatahana izany, Ilay mahafantatra ny zavatra rehetra momba ny tsy fananan-tsiny sy ny fitondrana tsy ara-drariny, momba ny fanendrikendrehana sy ny “naratra tao an-tranon’ny sakaiza[ny],”18 kanefa mbola nanana hery ihany hamelana sy hanadinoana, sy hanasitranana, ary hifaliana. Izany no ivavahako, ho anareo sy ho ahy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.