2018
Lasa mpiandry ondry
Nôvambra 2018


Lasa mpiandry ondry

Manantena aho fa ireo izay tompoinareo dia hahita anareo ho namana iray ary ho tsapan’izy ireo fa mahita olona mpandresy sy azo itokiana izy ireo ao aminareo.

Herintaona lasa izay dia nitondra tsiky teo amin’ny endriko ny ankizy iray tao amin’ny Kilonga izay hitako tany Chili. “Manao ahoana,” hoy izy, “David no anarako. Hiresaka momba ahy ve ianao mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Nosaintsainiko tao anatin’ireo fotoana milamina ny fiarahabana tsy nampoizina nataon’i David. Te ho ankasitrahana isika rehetra. Te hanan-danja, hotsaroana, ary hahatsapa hoe tiana isika.

Rahavavy sy ranadahy, manan-danja ianareo tsirairay. Na dia tsy resahina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aza ny momba anareo dia mahafantatra anareo sy tia anareo ny Mpamonjy. Raha toa ka manontany tena ianareo raha marina izany, ny hany ilainareo banjinina dia ny hoe “vita tombokavatsa eo amin’ny felatana[ny] [ianareo].”1

Rehefa fantatsika fa tia antsika ny Mpamonjy, dia mety hanontany tena isika avy eo hoe inona no fomba tsara indrindra ahafahantsika mampiseho ny fitiavantsika Azy?

Nanontany an’i Petera ny Mpamonjy hoe: “Moa tia ahy va ianao … ?”

Hoy i Petera hoe: “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.”

Rehefa nanontaniana fanindroany sy fanintelony izy hoe: “Moa tia Ahy va ianao?” Dia nalahelo i Petera kanefa nanamafy ny fitiavany: “Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Dia hoy i Jesoa taminy: Fahano ary ny ondriko.2

Tsy efa noporofoin’i Petera ve fa mpanara-dia tia an’i Kristy izy? Tamin’ny fotoana nihaonan’izy ireo voalohany teo amoron-dranomasina, dia nandao ny haratony “niaraka tamin’izay” izy mba hanaraka ny Mpamonjy.3 Lasa tena mpanarato olona i Petera. Niaraka tamin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany manokana izy ary nanampy nampianatra ny hafa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Kanefa tamin’izay fotoana izay dia fantatry ny Tompo nitsangana tamin’ny maty fa tsy ho eo akaikin’i Petera intsony izy, ka nampisehony azy ny fomba sy ny fotoana tokony hanompoany. Mandritra ny fotoana tsy maha-eo ny Mpamonjy dia mila mikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy i Petera, mandray fanambarana ho an’ny tenany manokana, ary avy eo dia manana ny risi-po sy finoana hanao asa. Noho Izy mifantoka amin’ny ondriny, dia nirin’ny Mpamonjy ny hanaovan’i Petera izay ho nataony raha teo Izy. Nangataka an’i Petera mba ho tonga mpiandry ondry izy.

Tamin’ny volana aprily lasa teo, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanolotra fanasana mitovy amin’izany ho antsika mba hamahana ny ondrin’ny Raintsika amin’ny fomba masina kokoa ary hanao izany amin’ny alalan’ny fanompoana.4

Mba hanekena amim-pahombiazana io fanasana io, dia tsy maintsy manao izay hananana toetra tahaka ny an’ny mpiandry ondry isika sy tsy maintsy mahatakatra ireo zavatra ilain’ny ondrin’ny Tompo. Noho izany, amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho lasa ilay mpiandry ondry izay ilain’ny Tompo hahatongavantsika?

Tahaka ny amin’ny fanontaniana rehetra dia afaka miandrandra ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, ilay Mpiandry Ondry Tsara isika. Fantatra sy voaisa ireo ondrin’ny Mpamonjy. Voambina izy ireo ary voangona tao amin’ny valan’Andriamanitra izy ireo.

Fantatra sy voaisa

Rehefa miezaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika dia tsy maintsy mahafantatra sy manisa ny ondriny aloha. Nasaina niandraikitra olona na fianakaviana isika mba ho azontsika antoka fa ny andian’ondrin’ny Tompo rehetra dia voaisa avokoa ary tsy misy hadino. Tsy ny isa anefa no zava-dehibe ao anatin’ilay fanisana, fa ny fahazoana antoka fa ny olona tsirairay dia mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny olona iray izay manompo Azy. Amin’izany fomba izany dia afaka mahafantatra ny rehetra fa fantatry ny Ray any an-danitra be fitiavana izy ireo.

Sary
Ny Mpamonjy miaraka amin’ny zanak’ondry iray

Vao haingana aho no nihaona tamin’ny zatovovavy iray izay nasaina nanompo rahavavy iray izay zokiny dimy taona latsaka eo. Niara-nahita izy ireo fa samy tia mozika. Rehefa mamangy io zatovovavy io dia miaraka mihira sy mifampizara izay hira tian’izy ireo indrindra izy ireo. Manefy finamanana izay mitahy ny fiainan’izy roa tonta izy ireo.

Manantena aho fa ireo izay tompoinareo dia hahita anareo ho namana iray ary ho tsapan’izy ireo fa mahita olona mpandresy sy azo itokiana izy ireo ao aminareo. Olona iray izay mahafantatra ny toe-javatra iainan’izy ireo sy manohana azy ireo amin’ireo zavatra antenain’izy ireo sy irin’izy ireo.

Vao haingana aho no nomena andraikitra mba hanompo rahavavy iray izay tsy fantatro sy tsy fantatry ny mpiara-manompo amiko firy. Rehefa nifanakalo hevitra izaho sy i Jess, ilay mpiara-manompo amiko 16 taona, dia nandroso hevitra tamim-pahendrena izy hoe: “Mila mahafantatra azy isika.”

Sary
Ny rahavavy Cordon sy ny rahavavy mpiara-manompo aminy

Nanapa-kevitra avy hatrany izahay fa tsara ny mandefa amin’ny telefaonina selfie iray sy hafatra fohy fampahafantarana ny tenanay. Notazoniko ilay telefaonina ary notsindrin’i Jess ny bokotra mba hakana ilay sary. Ezaka nataon’ny mpiara-manompo ilay fahafahanay voalohany nanao fanompoana.

Tamin’ny fitsidihana voalohany nataonay dia nanontany ilay rahavavy izahay raha toa ka nisy zavatra izay tiany hampidirinay ao amin’ny vavaka ataonay ho azy. Nizara olana manokana mampihetsi-po izy ary nilaza fa ankasitrahany tokoa ny vavaka hataonay. Nitondra rohim-pitiavana teo no ho eo ny fahitsim-po aman-tsainy sy ny fahatokiany. Tena tombontsoa tsara iray ny mahatsiaro azy ao amin’ny vavaka nataoko isan’andro.

Rehefa mivavaka ianareo dia hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy an’ireo izay tompoinareo. Zarao amin’izy ireo izany fitiavana izany. Inona no mety ho fomba tsara kokoa hoenti-mamahana ny ondriny ankoatra ny manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavany, amin’ny alalanareo?

Voambina

Fomba faharoa atao mba hananana toetra tahaka ny an’ny mpiandry ondry dia ny miambina ny ondriny. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika isika dia afaka ny mamindra, manamboatra, ary manorina indray na inona na inona izany. Mailaka isika manolotra fanampiana ilaina iray amin’ny alalan’ny tanana vonon-kanampy na lovia feno mofomamy. Saingy sao misy zavatra ankoatra izany?

Moa ve fantatr’ireo ondrintsika fa miambina azy ireo amim-pitiavana isika ary hanao asa mba hoenti-manampy?

Hitantsika ao amin’ny Matio 25 hoe:

“Avia hianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo … :

“Fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo: …

“Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina? Na nangetaheta ka nampisotroinay?

“Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay?”5

Ry rahalahy sy ranabavy, ny teny fototra dia hoe hita. Ny olo-marina dia nahita ireo sahirana satria nandinika izy ireo ary nahita. Isika ihany koa dia afaka ny ho maso mahay mandinika mba hanampiana sy hampaherezana, ary mba hiderana, eny na dia hanofisana aza. Rehefa manao asa isika dia afaka matoky ilay fampanantenana ao amin’ny Matio: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto … , no nataonareo tamiko.”6

Sary
Ny Mpamonjy mikarakara ny ondriny

Nisy namana iray, antsointsika hoe John, nizara izay mety hitranga rehefa mahita filana fanampiana iray hafa tsy mora hitan’ny maso isika: “Nikasa ny hamono tena ny rahavavy iray tao amin’ny paroasiko. Roa volana taty aoriana dia hitako fa tsy nisy na iray aza tao amin’ny kôlejy nisy ahy mba nanatona ny vadiny hiresaka momba izany zava-nitranga mampivarahontsana izany. Mampalahelo fa izaho koa dia tsy nandray andraikitra. Farany dia nasaiko hiara-hisakafo atoandro tamiko ilay vadiny. Lehilahy saro-kenatra izy, tsy dia miresaka matetika. Kanefa rehefa niteny aho hoe -Nikasa hamono tena ny vadinao. Mety ho tena navesatra taminao izany. Te-hiresaka momba izany ve ianao?- dia nigogogogo nitomany izy. Nanao resaka tamim-pitiavana sy anay roa tonta fotsiny izahay ary tao anatin’ny minitra vitsy dia lasa nifanakaiky sy nifampatoky tamin’ny fomba niavaka.”

Nanampy izao i John: “Ny mahazatra antsika araka ny eritreritro dia ny mitondra mofomamy fotsiny fa tsy mitady fomba hiatrehana izany zava-mitranga izany amin-kitsim-po sy amim-pitiavana.”7

Mety ho voaratra, na very na nivily lalana an-tsitrapo mihitsy aza ireo ondrintsika. Amin’ny maha-mpiandry azy ireo dia afaka ny ho anisan’ireo olona voalohany mahita ny zavatra ilain’izy ireo isika. Afaka mihaino sy mitia tsy misy fitsaratsarana isika ary manolotra fanantenana sy fanampiana miaraka amin’ny fitarihana mazava ataon’ny Fanahy Masina.

Ry rahavavy sy ranadahy, feno fanantenana sy falifaly kokoa izao tontolo izao noho ireo asa tena tsara izay maneho hatsaram-panahy ataonareo. Rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ianareo eo amin’ny fomba hampitana ny fitiavany sy eo amin’ny fomba hahitana ireo zavatra ilain’ireo izay tompoinareo, dia hisokatra ny masonareo. Ny andraikitra masina nomena anareo mba hanompo dia manome anareo ny zo masina hahazo fitaomam-panahy. Afaka mikatsaka izany fitaomam-panahy izany amim-pahatokian-tena ianareo.

Voangona ao amin’ny valan’ Andriamanitra

Fahatelo, tiantsika ho voangona ao amin’ny valan’ Andriamanitra ireo ondrintsika. Mba hanatanterahana izany dia tsy maintsy fantarintsika hoe aiza ho aiza izy ireo ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary mivonona ny hiara-dia amin’izy ireo eo amin’ny dian’ny finoana ataon’izy ireo isika. Manana tombontsoa masina mba hahafantatra ny fon’izy ireo sy hampitodika azy ireo any amin’ny Mpamonjy azy ireo isika.

Sary
Ondry manaraka ilay Mpiandry Tsara.

Ny Rahavavy Josivini any Fidji dia sahirana tamin’ny fahitana ny fandrosoany teo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana, ara-bakiteny izany. Hitan’ny namany fa tsy nahita tsara i Josivini ka tsy afaka namaky araka ny tokony ho izy ny soratra masina izy. Nomeny solomaso famakian-teny vaovao i Josivini ary koa marqueur mavo midorehitra mba hanasiany marika an’izay ahitana ny firesahana an’i Jesoa Kristy rehetra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Ilay asa natomboka tamin’ny faniriana tsotra mba hanompo sy hanampy eo amin’ny fandalinana soratra masina dia nitondra tany amin’ny fandehanan’i Josivini voalohany tany amin’ny tempoly, 28 taona taorian’ny nanaovana batisa azy.

Sary
Rahavavy Josivini
Sary
Ny rahavavy Josivini any amin’ny tempoly

Na matanjaka na malemy, na faly na ory, ireo ondrintsika dia afaka manome antoka isika fa tsy misy olona mandeha irery izany. Afaka mitia azy ireo isika na aiza na aiza misy azy ireo ara-panahy, ary manolotra fanohanana sy fankeherezana ho an’ny dingana manaraka. Rehefa mivavaka isika sy mikatsaka ny hahatakatra ny ao am-pon’izy ireo, dia mijoro ho vavolombelona aho fa hitarika antsika ny Ray any An-danitra ary hiaraka amintsika ny Fanahiny. Manana fahafahana ho “anjely manodidina” azy ireo isika rehefa mandeha eo anoloan’izy ireo.8

Sary
Ilay Mpiandry Tsara miaraka amin’ny ondriny

Manasa antsika ny Tompo mba hamahana ny ondriny sy hikarakara azy ireny tahaka izay hataony. Manasa antsika rehetra Izy mba ho mpiandry ondry ho an’ny firenena rehetra. (Ary eny, ry Loholona Uchtdorf, tianay ary ilainay ireo bergers allemands.) Ary tiany handray anjara amin’ilay hetsika ny zatovony.

Afaka ny ho anisan’ireo mpiandry ondry matanjaka indrindra ny zatovontsika. Izy ireo, araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson, dia “anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay.” Izy ireo dia “fanahy ambony” “mpilalao tena mahay” ao amintsika izay manaraka ny Mpamonjy.9 Azonareo an-tsaina ve ny hery hoentin’ireo mpiandry ondry ireo rehefa mikarakara ny ondriny izy ireo? Manompoa miaraka amin’ireo zatovo ireo, dia hahita zava-mahagaga isika.

Ry zatovovavy sy zatovolahy, mila anareo izahay! Raha toa ka tsy manana andraikitra amin’ny fanompoana ianareo dia miresaha amin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Ho faly amin’ny fahavononanareo hanao izay hahafantarana sy hanisana, ary hiambenana sy hanangonana ny ondriny ao amin’ny valan’ Andriamanitra izy ireo.

Rehefa tonga ilay andro handohalihantsika eo an-tongotry ny Mpamonjy malalantsika, efa avy namahana ny ondriny, dia mivavaka aho ny hamaliantsika tahaka an’i Petera hoe: “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho.”10 Ireo ondrinao ireo dia tiana, voaro, ary ao an-trano. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.