2020
Manompo amin’ny alalan’ny fizakan-tena
Aogositra 2020


“Manompo amin’ny alalan’ny fizakan-tena,” Liahona, aogositra 2020

Sary
manompo

Fitsipika momba ny fanompoana, aogositra 2020

Manompo amin’ny alalan’ny fizakan-tena

Ny fanampiana ny hafa ho lasa mizaka tena dia famatsiana sy fanompoana amin’ny fomban’ny Tompo.

Maro amin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny mpifanolobodirindrina amintsika no te ho lasa mahaleo tena bebe kokoa. Amin’ny fampiasana ilay fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny fizakan-tena, ny mpikamban’ny Fiangonana dia mahita fahafahana hanompoana, hikarakarana sy hanaovana asa fanompoana rehefa mitahy ny hafa izy ireo amin’ny fitsipika izay mitondra “fanantenana sy fiadanana ary fivoarana bebe kokoa.”1

“Tao an-trano aho”

Nosoratan’i Chrissy Kepler, Arizona, Etazonia

Sahirana ara-bola aho rehefa avy nisaraka tamin’ny vadiko, niezaka nitady asa taorian’ny naha reny nikarakara tokantrano nandritra ny 8 taona ahy. Nanana olana ara-panahy ihany koa aho, nikatsaka fahamarinana sy finoana, na dia tsy nanitsaka fiangonana hatramin’ny naha zatovo ahy aza

Indray alahady dia nanasa ny lambako tao an-tranon’ny zokiko vavy Priscilla aho, izay mpikamban’ny Fiangonana mavitrika. Raha tany aho dia nasain’i Priscilla handeha hiangona hiaraka amin’ny fianakaviany, fanasana voalohany azoko tao anatin’ny 15 taona teo farafahakeliny.

Tamin’ny voalohany aho dia tsy dia nazoto, saingy vao ny alina talohan’io aho no nitalaho tamin’Andriamanitra mba hanoroany ahy ny fomba hanakaikezako Azy. Rehefa nahatsapa zavatra tato anatiko aho dia nanapa-kevitra hoe: “Nahoana moa no tokony tsy hihaino sy hahita ho an’ny tenako manokana mba hahafantarako hoe toy ny ahoana izany manatrika fotoam-bavaka izany?”

Nandritra ny fotoana naha tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo anay dia nahatsikaritra taratasy fampahalalàna mivoaka isaky ny alahady mampilaza fampianarana fizakan-tena amin’ny sehatry ny fitantanam-bola ho an’ny tena manokana aho. Tsy vonona ny hiverina any am-piangonana aho saingy nahatsapa ho voasarik’ilay lesona maharitra 12 herinandro. Rehefa namporisihin-drahavaviko sy ny zaodahiko aho dia nisoratra anarana, nanantena fa hianatra fotsiny momba ny fitantanam-bola sy ny fandoavana trosa. Nanova ahy ara-panahy anefa ilay kilasy.

Talanjona tamin’ny hafatra ara-panahy aho tamin’ny herinandro vitsivitsy voalohany izay nianarako, saingy nandritra ny kilasy fahatelo dia heniky ny fahatsapana izay nanamafy tamiko aho fa eo amin’ny toerana izay tokony hisy ahy aho ary eo am-pihainoana fahamarinana vaovao sady toa tsy vaovao tamiko. Nandao ilay kilasy aho ary tonga dia nandeha nankany amin’i Priscilla. Sady nitomany aho no nanontany azy hoe: “Ahoana no hahazoako fahatsapana bebe kokoa toy izany eo amin’ny fiainako?” Nandaminany fotoana niaraka tamin’ireo misiônera aho mba hanombohan’izy ireo hampianatra ahy.

Tonga nanatrika ny lesona niarahako tamin’ny misiônera ireo mpikambana tamin’ny kilasy fianarana fizakan-tena izay nisy ahy sady nanohana ahy. Nitondra fiantraikany ara-panahy naharitra tamiko izy ireo ary nanampy ahy mba hanana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara sy ny mpaminany maoderina.

Tamin’ny fotoana izay nahavitako ireo fampianarana dia nahavita fanovana ara-nofo sy ara-panahy maromaro aho. Nanomboka niasa tamina orinasa tsara aho ary nandoa trosa maro.

Saingy ny fitahiana izay lalina sy mamy kokoa tonga avy tamin’ilay fianarana dia ny finamanana mahafinaritra izay niforona, ny fampivelarana fifandraisana tamina eveka izay nampahery, ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahafolonkarena, ny nahazoana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ny fahavitan’ny fanafiana masina, ary ny fahitana ireo zanako roa zokiny natao batisa.

Mbola mitohy hatrany ny lalako mankany amin’ny fizakan-tena saingy eo amin’ny lalana sisa tavela amin’ny diako dia hankamamiako ireo lesona izay efa nianarako sy ny finamanana izay nananako.

“Isaky ny nandao ny kilasy aho dia nahatsapa fa tiana”

Rehefa namangy an’i Temple Square ao Salt Lake City, Utah izy, niaraka tamin’ny zanany lahy izay 10 taona, dia i Vincent, tamin’ny desambra 2016, dia nandray ny tenany ho toy ny “olona tsy manam-pinoana na amin’inona na inona” i Katy Funk. Nandao ny Fiangonana izy tamin’ny faha 16 taonany ary lasa renim-pianakaviana tokantena tamin’ny faha 17 taonany, nanomboka nanisy tombokavatsa ny tenany ary lasa nitia kafe. Saingy nandritra ilay fitsidihana an’i Temple Square dia nahatsapa ny Fanahy Masina i Vincent ary nangataka an-dreniny raha toa izy ka afaka ny handray ireo lesona misiônera.

Na dia teo aza ny asany anankiroa, 80 ora iasana isan-kerinandro, dia nandalina ny filazantsara niaraka tamin’i Vincent i Katy, nikatsaka ny valin’ireo fanontaniany teo anelanelan’ny fitsidihan’ireo misiônera. Nanomboka nanatrika ny fivoriam-piangonana izy ny fotoam-pahavaratry ny taona 2017, izay nianarany momba ny lesona mikasika ny fizakan-tena any am-piangonana.

“Tsapako fa zavatra afaka hanampy ahy izy ireny,” hoy izy. “Angamba mety tsy hilaiko ny hanana asa roa na hiankin-doha amin’ireo ray aman-dreniko mandritra ny androm-piainako sisa.”

Niantso ny lesony ho toy ny “tena manamafy orina ara-panahy sy ara-nofo” i Katie, tsy noho ny zavatra izay nianarany fotsiny ihany fa noho ny vondrona tao amin’ny fizakan-tena izay nandray sy nanompo azy ihany koa.

Fanamarihana

  1. “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” ao amin’ny Finances personnelles pour l’autonomie (2016), i.