2020
Manafaingana ny asa: Ny fizaran’ny Vondromparitra Afrika Atsimo
Aogositra 2020


HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Manafaingana ny asa: Ny fizaran’ny Vondromparitra Afrika Atsimo

“Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia tia ny fanahy tsirairay ato amin’ity faritra amin’izao tontolo izao ity, ary ny fifantohan’ Izy Ireo dia miseho amin’ny alalan’ny olom-boafidy eto mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa teo amin’ny tantaran’ny olombelona.”

Amin’ny 1 aogôsitra 2020 ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana dia hozaraina amin’ny fomba ôfisialy ka hanome ny Vondromparitra Atsimo eto Afrika sy ny Vondromparitra Afrika Afovoany. Ny asa izay nahatonga izany fizarana izany dia dingan’ny fanambarana—ary dingana izay hitahy ny fiainan’ny maro ao amin’ny kaontinantan’i Afrika.

Ndeha hapetrantsika ao anatina sahan-kevitra mirindra izany fiovana manan-tantara izany: ny Fiangonana dia miorina ao anaty faritra miisa 22 ao amina toerana ara-jeôgrafika samihafa manerana izao tontolo izao. Ny Vondromparitra dia tantanan’ireo Fiadidian’ny vondromparitra, izay ahitana mpikambana telo avy ao amin’ny Fitopololahy. Ireo mpitarika ireo dia manompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—ary manara-maso ny raharahan’ny Fiangonana rehetra any amin’ireo faritra iadidian’izy ireo. Rehefa miara-mikaon-doha ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo dia mitarika ny raharaha ara-panahy sy ara-nofon’ireo rantsan’ny Fiangonana sy mpitarika izany: tsatòka, misiôna, distrika, paroasy, ary sampana.

Amin’ny maha-anisan’ny nanaraka ny dingan’ity fiovana ity hatramin’ny namolavolana izany—nanomboka tamin’ny nanaovana tolo-kevitra hatramin’ny naneken’ireo mpitarika ambony ato amin’ny Fiangonana—dia afaka mijoro ho vavolombelona aho fa tena nentanim-panahy ny dingana ary notarihin’ny Tompo teo amin’ny ambaratonga rehetra amin’izany.

Tahaka ny fizaran’ny tsatòka, na paroasy, na misiôna ihany, ity fizaram-paritra ity dia mihoatra ny fepetra ara-pitantanana. Natao izany mba hampanatona ny mpitarika ao amin’ny fisoronana—eto dia ny fiadidian’ny vondromparitra—sy ireo loharano ara-nofon’ny Fiangonana ho akaiky kokoa ny mpikambana. Fanehoan’ny Tompo ny hoe liana manokana amin’ny fanafainganana ny asany ao amin’ny kaontinantan’i Afrika Izy.

Hoy ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73: “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako.” Azo antoka fa mahita io fanafainganana io mitranga ao amin’ny firenena mihoatra ny 30 aty Afrika isika izao.

Mety hoe fotoana ihany koa izao hisaorana sy hanehoana fankasitrahana an’ireo rehetra izay namboly ny voa sy niasa mafy ary nanompo tamim-pahavitrihana mba hahatongavantsika amin’izao fotoana manan-tantara izao. Izao no fotoana hiderana ny Tompo, ambonin’ny zava-drehetra, noho ny hatsaram-pony. Araka ny nolazain’i Paoly Apôstôly tamin’ireo Korintiana hoe: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo” (1 Korintiana 3:6). Noho izany, ny fahatanterahan’ity dingana lehibe amin’ny Fiangonana aty Afrika ity dia vokatry ny ezaka nataon’ny maro tao anatiny sy ivelan’ny kaontinanta, fa indrindra indrindra porofo maneho fa ny Tompo mihitsy no manomana ny tany ho amin’ny fiaviana fanindroany.

Raha nipetraka taty Afrika tao anatin’izay 5 taona lasa izay, sy nanompo imbetsaka tao amin’ny firenena maro, nitsidika olona manan-kaja tao anaty lapa—fa niditra tao amin’ireo fonenana faran’izay mahantra ihany koa—dia afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’izao manaraka izao aho: Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia tia ny fanahy tsirairay ato amin’ity faritra amin’izao tontolo izao ity, ary ny fifantohan’ Izy Ireo dia miseho amin’ny alalan’ny olom-boafidy eto mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa teo amin’ny tantaran’ny olombelona.

Asaina ny olona rehetra hahafantatra ny asan’ Andriamanitra manerana ity tany ity, sy haneho fisaorana sy fankasitrahana ary hihazona mafy mihoatra ny hatrizay ilay anjaby eo am-panatrehantsika rehetra maso ny Tompo mampandroso ny fanjakany amin’ny voninahiny rehetra aty Afrika.

Ny Loholona Joni L. Koch dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2017. Manambady an’i Liliane Michele Ludwig izy ary manan-janaka roa izy ireo.