2020
Manompo amin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy
Septambra 2020


“Manompo amin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy,” Liahona, septambra 2020

Sary
manompo

Fitsipika momba ny fanompoana, septambra 2020

Manompo amin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy

Ahoana no ahafahan’ny Avia, hanaraka Ahy manampy anao hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny hafa?

Na miaraka amin’ny fianakavianao ianao, na ao amin’ny efitrano fianarana Sekoly Alahady amin’ny maha mpampianatra na mpianatra anao, na any an-tsekoly, any am-piasana, na amin’ny toeran-kafa, ny fandalinana soratra masina amin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy dia manolotra fahafahana sesehena mba hanompoana ny hafa. Ny fampianarana rahateo dia “mifono zavatra bebe kokoa noho ny fitarihana fifanakalozan-kevitra mandritra ny alahady. Ahitana fanompoana amim-pitiavana sy fitahiana ny hafa amin’ny filazantsara izany.”1

Mamolavola fifandraisana amin’ireo mpianatra

Rehefa nantsoina hampianatra ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ao amin’ny paroasy Mexico City izay nisy azy i Ofelia Trejo de Cárdenas dia tsapany fa ny fananana fifandraisana akaiky amin’ireo mpianatra sekoly Alahady tsirairay izay iandraiketany no hampitombo ny fahafahany hampianatra sy hanamafy orina azy ireo.

“Raha toa ka tsy manana fifandraisana akaiky amin’ireo mpianatro aho, ary raha tsy mahatsapa ny fitiavako izy ireo, dia mety tsy hino ahy rehefa mampianatra aho na mizara ny fijoroako ho vavolombelona,” hoy izy. “Mety hahatsapa izy ireo fa mpampianatra Sekoly Alahady fotsiny ihany aho.”

Saingy ahoana no nahafahan-dRahavavy Cárdenas nampivelatra fifandraisana toy izany raha toa ka indray mandeha isaky ny roa herinandro ihany izy no nampianatra? Tamin’ny alalan’ny teknôlôjia no nahitany ny valin’izany. Noho ny fampiasany ny application WhatsApp ao amin’ny findainy dia vetivety foana dia nifandray isan’andro tamin’ny alalan’ny fandefasana hafatra an-tsoratra sy tamin’ny feo izy sy ireo mpianany. Amin’izao fotoana izao, isan’andro alohan’ny leson’ny Sekoly Alahady manaraka dia misy mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny kilasy izay mandefa amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny kilasy andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’izany lesona manaraka izany miaraka amin’ny heviny manokana mifandray amin’izany. Rehefa avy mamaky ilay andinin-tsoratra masina sy ilay hevitra manokana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy dia mamaly amin’ny hevitr’izy ireo manokana.

“Rehefa mamaky ny soratra masina izy ireo dia mandefa sarina tarehy miramirana mba hahafantarako fa efa namaky na nandalina ilay soratra masina ary efa nisaintsaina momba izany,” hoy Rahavavy Cárdenas. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny lesona ho an’ny Alahady manaraka dia efa vonona ny handray anjara ireo mpianatra.

Izany fifandraisana isan’andro izany dia nitahy tanora iray izay manana ray aman-dreny malaindaina ao am-piangonana.

“Tena tiako ny mahita azy tonga any am-piangonana satria fantatro fa tsy maintsy niatrika fanamby maromaro izy vao tonga tany,” hoy Rahavavy Cárdenas. “Azoko antoka fa ireo soratra masina sy ireo fanehoan-kevitra izay nalefan’ireo mpiara-mianatra aminy ary ireo soratra masina sy fanehoan-kevitra nalefany rehefa tonga ny anjarany dia nanamafy orina ny tenany izaitsizy tokoa.”

Milaza rahavavy Cárdenas fa ny fanompoana amin’ny alalan’ny soratra masina dia tsy mijanona fotsiny amin’ny lesona isaky ny alahady izay ataony sy ny fifandraisana ataon’ny kilasiny isan’andro momba ny famakiana soratra masina.

“Tafiditra ao anatin’ny fiomanako ny fivavahana ho an’ireo mpianatro,” hoy izy. “Tsy ny alahady fotsiny ihany aho no mieritreritra azy ireo fa isan’andro ao anatin’ ny herinandro ihany koa. Manana filana manokana sy samy hafa ny tsirairay amin’izy ireo. Zanak’Andriamanitra izy tsirairay avy. Mieritreritra azy ireo aho eo am-panomanako ny lesoko.”

Ary rehefa mampianatra izy, dia sady mihaino ireo mpianany no mihaiko ny Fanahy Masina.

Reny lazain’ireo mpianany matetika fa “Ny Fanahy no mpampianatra.” “Mila mifantoka aho satria ny zavatra izay lazain’izy ireo dia ny fanambarana izay omen’ny Fanahy azy ireo.”

Sahala amin’ny “takariva ao an-tokantrano” ny kilasinay

Mahatsapa ho voatahy i Carla Gutiérrez Ortega Córdoba amin’ny maha-mpianatra azy ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahadin’i Rahavavy Cárdenas noho ny tontolo feno fitaizana sy fanompoana hita ao anatin’izany. Ho an’i Carla dia antony maromaro no mampisy izany tontolo izany, ka tafiditra amin’izany ny:

  • Fiomanana: Ny fizarana soratra masina sy hevitra dia manampy ireo mpianatra hiomana ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka. Manazava izy fa “ny soratra masina isan’andro dia mamahana sy mampivelatra ny fahalalantsika.”

  • Fandraisana anjara: “Miteny avokoa izahay. Izany dia mamela ahy hahafantatra bebe kokoa ireo mpiara-mianatra amiko, amin’ny maha mpinamana sy amin’ny maha mpirahalahy sy mpirahavavy.”

  • Fitiavana:“Mitantana anao amim-pitiavana Rahavavy Cárdenas. Toy ny hoe takariva ao an-tokantrano ny kilasinay, miaraka amin’ny rahalahy sy rahavavy maromaro. Tena miavaka izany.”

  • Fanahy Masina: “Miaina ao anatin’ny tontolo mahafinaritra sy mirindra izahay ao amin’ny kilasinay satria mifandray tsara amin’ny Fanahy.”

  • Fijoroana ho vavolombelona: “NyAvia, hanaraka Ahy dia efa nanampy ahy ho vonona hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Manana fahalalana misimisy kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly aho. Mamela ahy hizara ny zavatra izay ianarako amin’ireo mpiara-mianatra amiko any an-tsekoly sy amin’ireo olona any am-piasana izany.

Manompo mba hanomezana ireo filana ara-panahy

Rehefa namaky momba ny fanekempihavanan’i Abrahama ao amin’ny soratra masina niaraka tamin’ireo zanany lahy anankitelo i Greg sy Nicky Christensen, avy ao Kentucky, Etazonia dia hitan’izy ireo fa sarotra ny nanazava izany tamin’izy ireo. Nanapa-kevitra izy mianakavy fa handalina manokana ny fanekempihavanan’i Abrahama ny tsirairay avy amin’izy ireo ary avy eo dia hizara ny zavatra izay hitany.

“Nahazo fanehoan-kevitra mahaliana izahay,” hoy i Greg. “Ny zanakay izay valo taona dia nianatra fa ny anaran’i Abrahama fahiny dia Abrama. Niova ho Abrahama ny anarany satria nampanantena ny Tompo izy fa hiala tamin’ny fahotana ary hiaina fiainana feno fahamarinana. Talanjona tokoa aho hoe afaka namoaka izany hevitra izany izy.”

Samy nianatra zava-baovao avokoa izy ireo ary nanao fifanakalozan-kevitra tsara momba ny atao hoe fanekempihavanan’i Abrahama sy ny dikan’izany ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao.

“Nanana fahazarana nanao faribolana tao an’efitrano fotsiny izahay ary nifandimby namaky andinin-tsoratra masina nandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina izay nataonay,” hoy i Nicky. “NyAvia, hanaraka Ahy dia mifantoka kokoa mankany amin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy. Ankehitriny rehefa miaraka mandalina izahay dia mahatsapa ny bitsiky ny Fanahy aho mba hampiompanako ny fifanakalozan-kevitra ataonay amin’ny lafin-javatra hafa izay mifototra amin’ny filan’ny fianakavianay.”

Ny fampiasana ny Avia, hanaraka Ahy dia tsy nanampy fotsiny ny fianakavian’izy ireo handray anjara bebe kokoa sy ho liana bebe kokoa amin’ny fandalinan’ny mpianakavy ny filazantsara fa nanampy ihany koa an’i Greg sy i Nicky hanompo mba hanome ny filana ara-panahin’ireo zanak’izy ireo.

“NyAvia, hanaraka Ahy dia manampy ahy hampianatra ireo zanako,” hoy i Nicky. “Manampy ahy hamaha ireo olana ananako indraindray miaraka amin’ireo zanako ihany koa izany. Mahatsapa ho mirindra kokoa amin’ny Fanahy aho, manongilan-tsofina kokoa aho, ary efa nandray bitsiky ny Fanahy momba ny fomba ahafahako manampy ny zanako tsirairay avy.”

Ankafizin’i Greg ireo fifanakalozan-kevitra maharitra kokoa momba ny filazantsara izay ateraky ny Avia, hanaraka Ahy ao amin’ny fianakaviana. “Samy hafa avokoa ny halehiben’ny fahatakarana ananan’ireo zanakay lahy eo amin’ny fahalalan’izy ireo ny filazantsara,” hoy izy. Ny“Avia, Hanaraka Ahy dia nanolotra fomba ho anay mba hanampiana ny tsirairay amin’izy ireo hianatra arakaraka ny filan’izy ireo. Tena fitahiana nahafinaritra ny fahitana azy ireo mitombo amin’ny fitiavan’izy ireo ny filazantsara sy ny fijerena azy ireo mitady fomba hahafahany mampihatra fahalalana momba ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo.”

Fanamarihana

  1. Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2019), 19