2020
Ny tranon’ny Tompo
Septambra 2020


HAFATRY AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Ny tranon’ny Tompo

Tamin’ny 16 febroary 2020 no notokanana ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo. Ireo lanonam-pitokanana izay nandrasana efa ela ireo dia narahan’ny firotsahana mahatalanjon’ny Fanahy. Ity manaraka ity ny sombiny tamin’ireo lahateny nomena nandritra ny iray tamin’ireo lanonana ireo.

Fony aho zazalahikely dia nieritreritra aho fa ny tempoly tao amin’ny firenena niaviako ao Nouvelle Zélande no trano tsara indrindra tato an-tsaiko. Tahaka ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo dia nijoro amim-boninahitra eo an-tampona havoana izany ary voahodidina tontolo mahafinaritra. Amin’ny alina izany dia rakotry ny jiro fotsy ary hita avy lavitra be. Am-polo taonany maro izany dia tena fanilo nanintona ny olona rehetra tao amin’ireo nosy ao Pasifika Atsimo.

Saingy ny nahatonga ny tempoly ho tena nahafinaritra ahy dia ny zavatra mitranga ao anatin’ny rindrin’izany. Tao anatin’ny rindrin’izany no namehezana ahy tamin’ireo ray aman-dreniko sy ny fianakaviako fony aho zazalahy, volana vitsy monja taorian’ny nitokanana ilay tempoly. Tao no nahatsapako ny Fanahy raha natao batisa ho an’ireo razambeko izay efa maty aho fony zatovo. Tao no nahazoako ny fanafiana masina talohan’ny nandehanako nanao asa fitoriana. Lasa famantarana lehibe mampifandray mandrakizay amin’ny fianakaviana ny tempoly tamiko ary fifandraisana amin’ny lanitra sy ny Fanahin’ny Tompo.

Koa torak’izany koa ity tempoly tsara tarehin’i Durban ity dia ho toerana hitoeran’ny fahatsiarovana masina ho an’ireo taranaka mbola ho avy. Ao anatin’ny rindrin’izany no hanatanterahana ireo ôrdônasy sarobidy ho an’ireo olon-tiana efa nody mandry izay tsy azo tanterahina any an-toeran-kafa. Hoy i Paoly Apôstôly momba io asa soa io: “fa tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika—isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika.”1

Eto ireo ankizy sy zatovo matahotra nefa faly vao nandray ny antso hanao asa fitoriana no handray ny fanafiana masina mialoha ny handehanan’izy ireo manerana izao tontolo izao hitory ny filazantsara. Tao amin’ny lanonam-pitokanana tahaka ity roanjato taona lasa izay dia nisy fitalahoana nentanim-panahy ny vavaka fitokanana ny tempolin’i Kirtland “mba hahazoan’ireo mpanomponao mivoaka avy amin’ity tranonao ity, mitondra ny herinao ho fiadiana, ary mba ny anaranao no ho amin’izy ireo, ary ny voninahitrao no hanodidina azy ireo, ary ny anjelinao no hikarakara azy ireo . . . hahazoany mitondra avy amin’ity toerana ity . . . ireo vaovao lehibe fatratra sy be voninahitra hatrany am-paran’ny tany.”2

Ao anatin’ny rindrin’ity tempoly ity no hanorenana fianakaviana mandrakizay. Handohalika eo amin’ny alitara ny mpivady ao amin’ilay efitrano famehezana izay tsara indrindra. Tsy ho hadinoko mandrakizay ny zavatra niainako rehefa nijery tao amin’ny mason’ny vadiko aho ka tsy nieritreritra an’iza na iza tao amin’ilay efitrano raha nahafantatra fa tamin’izay fotoana izay izahay roa dia nifanao voady ho amin’ny mandrakizay. Manasa ny ankizy sy ny zatovo rehetra aho mba hanao tanjona ny hanambady ao amin’ny tempoly. Avelao ny Fanahin’ny Tompo hanamafy aminareo fa tsy hionona amin-javatra hafa ambany kokoa noho ny fanambadiana selestialy ianareo.

Ao anatin’ny rindrin’ny tempoly no toerana hahatsapantsika ireo olon-tiantsika ho akaiky indrindra na dia any amin’ny lafiny ilan’ny voaly aza izy ireo amin’izao. Eto no anambarana an’ilay drafitry ny famonjena be voninahitra. Eto isika dia afaka tonga miaraka amin’ireo ahiahiy lalina indrindra ananantsika ary hahatsapa fiadanana sy fankaherezana rehefa mampitodika ny saintsika any amin’i Jesoa Kristy, izay tompon’ity trano ity. Taona maro lasa izay dia niady saina mafy momba ny iray amin’ireo zanakay aho. Nahatonga ahy ho tsy nahita tory amin’ny alina izany ary be fanahiana nandritra ny volana maro. Nanapa-kevitra ny hitady ny valin’ilay fanontaniana izay nanelingelina ahy aho tamin’ny fandehanana tany amin’ny tempoly. Raha tonga tany aho dia niaina zavatra manokana sy masina, tonga tao an-tsaiko ny tenin’ny Tompo tamin’ny endrika soratra masina tsotra manao hoe: “aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo”,3 ary fantatro fa voavaly ny fanontaniako. Nitondra fiadanana sy fampitoniana tamiko izany ary mbola nitarika ahy hatrany nandritra ny taona maro taorian’izay. Vavolombelon’ny fampanantenan’ny Filoha Nelson aho fa rehefa ataontsika am-pifaliana ny fihaonantsika amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandehanana ao an-tranony dia hampisy ireo fahagagana izay fantany fa ilaintsika Izy.

Mialoha ny hidirantsika ny varavaran’ny tempoly raha mijery ambony isika dia mahita ny teny hoe: “Fahamasinana ho an’ny Tompo”. Isaky ny mandeha any isika dia ampahatsiahivina ny fanekempihavanana sy ny fampanantenana nataontsika ny hikatsaka ny ho lasa masina kokoa eo amin’ny fiainantsika manokana.

Mahita ihany koa isika ny teny hoe “Ny tranon’ny Tompo”. Mampahatsiahy antsika izany fa ny tempoly dia tsy tempolin’ny zoulou, na tempolin’ny indiana, na ny tempolin’ny anglisy, na ny Afrikaans na ny Xhosa, fa izany dia “Ny tranon’ny Tompo” izay anasan’i Jesoa Kristy an’ireo rehetra izay mendrika sy mikatsaka Azy. Any amin’ny tempoly dia tsy ny firazanantsika, na ny kolontsaitsika, na ny fitenintsika intsony no ahafantarana antsika voalohany indrindra. Na filohan’ny Fiangonana isika na mpikambana vaovao, dia samy manao akanjo fotsy tsotra isika izay tandindon’ny fitoviana eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Miara-mipetraka tsy misy fanavahana araka ny harena na saragam-piainana isika. Ary isaky ny mandeha any amin’ny tempoly isika dia ampianarina ny amin’ny tena maha-izy antsika, ny maha-izy antsika mandrakizay: zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, tonga amim-panetrentena mba hanao fanekempihavanana sy handray anjara amin’ireo ôrdônansy masina izay mitondra antsika miverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Akory ny hafaliana tsapantsika amin’ny fahafantarana fa mandrotsaka ny fitahianay amin’ireo zanany malala amin’ity faritr’i Afrika ity ny Tompo. Tahaka ny haha-fanilo ity trano mahafinaritra ity amin’ireo rehetra izay mandalo dia enga anie ireo fanekempihavanana masina ataontsika ao anatin’ny rindrin’io tempoly tsara tarehy io ho fampatsiahivana tsy tapaka ny fitavana tonga lafatra ananan’ Andriamanitra amintsika.

I S. Mark Palmer dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2016. Manambady an’i Jacqueline Ann Wood izy ary manan-janaka enina izy ireo.

Naoty

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–23.

  3. Matio 7:1.

  4. Church News, 20 aprily 2020.