2020
Manompo amin’ny alalan’ny fandaharan’asa ankizy sy zatovo
Ôktôbra 2020


Ireo fitsipika momba ny fanompoana

Manompo amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo

Ny manasa ny hafa mba hivoatra sy ny manampy azy ireo ao anatin’izany lalana izany no tena fototry ny fanompoana.

Sary
young man playing keyboard

Sary nalain’i Tom Garner

Betsaka ny fahafahana manompo amin’ny alalan’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Mety hoe misy ankizy na zatovo ny zanakao ao an-tranonao. Mety hoe mpitarika ianao ao amin’ilay fandaharan’asa na manompo fianakaviana misy ankizy sy zatovo ianao. Na koa hoe mety mahafantatra ankizy sy zatovo ianao (izany hoe tokony hahakasika antsika rehetra izany). Na inona na inona toe-javatra mety misy anao dia misy fomba maro azo ampiasana ilay fandaharan’asa na ireo fitsipika ao anatiny mba hitahiana ny fiainan’ny hafa.

Miara-mivoatra

Ny ivon’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia ny fifantohana amin’ny fiezahana isan’andro ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa, izay nanompo tamin’ny fomba tonga lafatra. Maro amin’ireo izay nandray anjara tamin’ilay fandaharan’asa no nianatra fa arakaraka ny handrosoanao ao amin’ireo sehatra samihafa amin’ny fiainanao no ahafahanao manana fitaovana bebe kokoa entina manampy na manompo ny hafa.

Saingy ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia tsy mila miandry mianatra zavatra vao afaka mitahy ny hafa. Ilay hoe mianatra fotsiny dia efa manome fahafahana mba hanompo.

Ho an’ny zatovolahy iray antsoina hoe Prophet izay mipetraka ao Ghana, ny fametrahana ilay drafitra ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo mba hianatra ny fomba fitendrena pianô dia fiantombohany fotsiny. “Tanjoko ny hanampy ny olona hafa ihany koa mba hahafantatra ny zavatra ianarako” hoy i Prophet.

Na dia tsy mbola mpampianatra aza izy dia efa nitombo ho amin’ny zavatra mbola lehibe lavitra noho izay efa neritreretiny sahady ny tanjony. Misy mpianatra 50 izao miaraka kilasy fianarana pianô amin’i Prophet ao amin’ny efitrano fivoriana. Ary iza ary no mampianatra an’i Prophet sy ireo mpianatra 50 hafa ireo? I Alexander M. sy i Kelvin M., izay samy 13 taona. “Te haneho hatsaram-panahy amin’ny olona hafa izahay” hoy i Kevin.

Telo andro isan-kerinandro ireo zatovo anankiroa ireo no mampianatra maimaimpoana ireo lesona fototra momba ny piano amin’ireo rehetra izay tonga mianatra. Misy tombontsoa fanampiny ireo lesona fianarana piano. Maro amin’ireo mpianatra nampahafantarina ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fianarana pianô taty aoriana no nianatra ny filazantsara ary nanapa-kevitra ny hatao batisa.

Rehefa miezaka ny hampivoatra ny tenantsika isika dia afaka manompo ny hafa amin’ny fanasana azy ireo hiaraka amintsika.

Sary
woman preparing food

Sary nalain’i Jonas Rebicki

Drafitra mahomby enti-manompo

Tamin’ny naha-filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka an’i Sabrina Simões Deus Augusto avy ao Curitiba, Brésil no nahitany ny fomba nitahian’ilay fandaharan’asa eo amin’ny lafiny fivoaran’ny tena manokana an’ireo ankizy sy zatovo ao amin’ny tsatòka misy azy. Saingy nahita fomba maro hampiasana ny zavatra nianarany momba ny fivoaran’ny tena manokana amin’ny fanendrena azy ho rahavavy mpanompo ihany koa izy.

“Rehefa mampivoatra talenta aho,” hoy Rahavavy Augusto, “dia afaka mampiasa izany talenta izany mba hitahiana ny olona izay tompoiko.”

Nampianatra ny fomba fanaovana truffe au chocolat ny iray amin’ireo rahavavy izay nanendrena azy Rahavavy Augusto. Amin’izao izany rahavavy izany dia manamboatra sy mivarotra truffe mba hanampiana ny fidiram-bolan’ny fianakaviany. “Volana maro taty aoriana dia voatahy aho raha nisy rahavavy iray hafa nampianatra ahy ny fomba fanaovana mofo tantely izay azoko amidy,” hoy rahavavy Augusto. “Ny fampivoarana sy ny fizana ny talentantsika dia afaka mitahy ny fiainan’ny tsirairay ary mampatanjaka ny fifandraisantsika rahavavy mpanompo.”