2020
Sakiusa sy Salote Maiwiriwiri
Ôktôbra 2020


Fanehoana ny finoana

Sakiusa sy Salote Maiwiriwiri

Suva, Fijia

Sary
Sakiusa and Salote

Sarotra tamiko ny nino ilay fiadanana sy fahasambarana hitako tao an-tranon-dry Maiwiriwiri. Na dia lasana aza ny zanak’izy ireo roa dia niaina ny fiainany tamim-pifaliana sy niaraka tamin’ny tanjona isan’andro izy ireo.

Les Nilsson, Mpaka sary

Salote:

Roa taona taorian’ny nahafatesan’i Esa zanakay lahy noho ny homamiadan’ny havokavoka dia matin’ny méningite i Esalynn zanakay vavy. Tao amin’ny tempoly dia nahatsapa bitsika mahery vaika aho mba hiresaka amin’ny misiônera zokiolona iray tao izay very zanaka anankiroa koa taona maro lasa izay. Hoy izy tamiko: “Rehefa manao ny tokantranonao ho toerana masina ianao dia afaka mahatsapa fa eo ireo zanakao.”

Izany no lasa tanjonay. Ny zavatra rehetra nataonay dia ny hahatonga ny tranonay ho toerana masina. Te hahatsapa azy ireo akaiky anay izahay.

Tsy hainay ny fitaizana zanaka any ivelan’ny voaly. Fa rehefa manao izay tsara vitanay izahay hiainana am-pahamarinana dia mino izahay fa hahatsapa ny ezaka ataonay izy ireo. Mandritra ireo fivoriana fankaherezam-panahy ataonay mianakavy dia arahabainay tonga soa ao amin’ny anarany i Esa sy i Esalynn.

Rehefa misy tsy fitovian-kevitra izahay ao an-tokantranonay dia miezaka mamaha izany haingana izahay. Tianay hijanona araka izay azo atao ho toerana masina ny tranonay. Rehefa nanao izany izahay dia samy nahatsapa fanantenana sy fahasitranana ary fitiavana avokoa.

Sakiusa:

Lasa nampifanakaiky bebe kokoa ny fianakavianay ny zavatra niainanay tamin’ny nahalasana an’i Esa sy i Esalynn. Mifampila hevitra miaraka amin’ireo zanakay hafa izahay. Miaraka mandeha any amin’ny tempoly izahay mianakavy. Miaina ny fiainanay amin’ny fomba tsotra araka izay azo atao izahay ary misafidy ny haneho fankasitrahana isan’andro. Rehefa miresaka momba ny dikan’izany hoe fianakaviana voafehy any amin’ny tempoly izahay dia lasa velona ao anatinay izany famehezana izany. Ary ao anatin’izany rehetra izany izahay dia tena mahatsapa fa eo ireo zanakay.

Ny iray amin’ireo zavatra nataonay hanaovana ny tranonay ho toerana masina dia ny fanombohana namaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’ny voalohany dia nozarainay ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny sary ho an’ireo zanakay kely kokoa. Avy eo dia nampianay horonan-tsary. Izao izahay dia mamaky bebe kokoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna aho.

Afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ny hery ao amin’ny drafitry ny famonjena ihany koa aho. Rehefa nanomana ny fandevenana an’i Esa sy i Esalynn izahay dia nanapa-kevitra ny tsy hanaraka ny fomba fandevenana mahazatra amin’ny kolontsaina fijiana. Fa izahay mivady irery ihany no mandray fitenenana, ary niresaka momba ny drafitry ny famonjena izahay. Maro tamin’ireo havanay nanomboka teo no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana rehefa avy naheno ireo fahamarinana avy tamin’ilay fotoam-pandevenana izy ireo.

Sary
Sakiusa in the kitchen

Mampianatra ny fianakaviany i Sakiusa fa tsy misy miverin-dalana amin’ny fiainana, fa mandroso ihany. “Mihatsara isan’andro isika” hoy izy. Miaina ny fiainany amin’ny fomba tsotra araka izay azo atao izy ireo ary mifantoka amin’ny fankasitrahana.

Sary
Salote with a little girl

I Salote dia mahita fifaliana lehibe amin’ny fandaniana fotoana miaraka amin’ireo zanany sy amin’ny fampianarana azy ireo ny filazantsara.

Sary
Little girl holding up photo

Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny famehezana any any amin’ny tempoly ny fianakaviana Maiwiriwiri. Hazonin’izy ireo am-po foana izany fahamarinana izany rehefa mahatsiaro an’i Esa sy i Esalynn izy ireo.

Sary
Maiwiriwiri family smiling boys

Rehefa mifantoka amin’ny fiainana tsotra sy amin’ny fandrosoana hatrany ny fianakaviana Maiwiriwiri dia mahita hankasitrahana noho ireo fitahiana azony isan’andro. “Velom-pisaorana noho izay anananay izahay” hoy i Sakiusa.