2020
Mizara ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ny Krismasy
Desambra 2020


“Mizara ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ny Krismasy,” Liahona, desambra 2020

Sary
manompo

Sarin’ny fahaterahan’i Jesoa zazakely nataon’i Niltza Beatriz Santillan Castillo; sarina fanomezana avy ao amin’ny Getty Images

Fitsipika momba ny fanompoana, desambra 2020

Mizara ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ny Krismasy

Eritrereto ireo izay tompoinao. Ahoana no fomba hahafahanao manampy azy ireo ho lasa akaiky kokoa an’i Kristy amin’izao Krismasy izao?

Na dia mahatsiaro an’i Jesoa Kristy Mpamonjy mandritra ny taona manontolo aza isika, dia ny Krismasy no fotoana ankalazana ilay fanomezana lehibe indrindra natolotra hatramin’izay: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana” (Jaona 3:16). Rehefa manompo amin’ny Krismasy isika dia afaka manolotra ihany koa fanomezana izay hanampy ny hafa hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Tena mahatalanjona ny mieritreritra ny tenantsika manolotra fanomezana tahaka ny nataon’ny Ray any An-danitra.

Mbola ankamamiako foana ilay fanomezana

Susan Hardy, Californie Etazonia

Fony aho 11 taona dia nilaza tamin’ny iray kilasy Rahalahy Deets mpampianatra Sekoly Alahadinay fa raha mianatra tsianjery ny Fanekem-pinoana izahay ka manazava aminy ny hevitra fonosin’izy ireo dia hividianany soratra masina ho anay manokana izahay.

Mbola mpivady vao Rahalahy sy Rahavavy Deets. Tsy dia nino loatra aho hoe hahavidy fanomezana ho an’ny tsirairay aminay Rahalahy Deets. Saingy nanapa-kevitra aho fa raha nieritreritra izy fa tena zava-dehibe ny Fanekem-pinoana ka mila hianarana tsianjery dia ho ataoko ilay fanamby.

Rehefa vitako daholo izy 13 dia nandeha ny fotoana ka hadinoko ny momba ilay fampanantenany.

Fa rehefa tonga ny andron’ny Krismasy dia naharay fonosan-javatra misy ny anarako aho. Nosokafako ilay izy dia soratra masina ho ahy manokana no hitako tao, miaraka amin’ny karatra mamporisika ahy hamaky izany tsy tapaka. Tamin’ny taona 1972 izany ary hatramin’izao dia mbola ao amiko foana ireo soratra masina ireo. Sarobidy amiko izany.

Tsy ny vidin’ilay fanomezana no nitondra faniriana lalina tao amiko handalina ny tenin’ Andriamanitra fa ny hatsaram-panahy izay nasehony ahy sy ny fahafoizana izay nananany fahavononana mba hatao ho ahy. Miezaka manaraka ny ohatra nasehon-dRahalahy Deets amin’ny fanompoana amin’ny alalan’ny fanolorana fanomezana izay hanan-danja ho an’ireo olona manodidina ahy aho, amin`ny fanantenana fa izaho dia afaka mitahy ny fiainan’ny hafa tahaka ny nitahiany ny fiainako.

Fanasana handray anjara

Richard M. Romney, Utah Etazonia

Rehefa nangataka ahy ireo olona izay nikarakara ny fiarahamientan’ny paroasinay ho an’ny Krismasy mba hamangy mpikambana malaindaina iray ary hanasa azy handray anjara ao anatin’ny fandaharam-potoana dia sarotra ny milaza fa tsy nanahiran-tsaina ahy izany. Indray mandeha no nihaonako tamin’i Darren, tamin’izy nandray anjara tamina fiarahamientan’ny paroasy tany aloha. Manao fehiloha fanaon’ny mpitondra môtô izy. Mifatotra any aoriana ny volony efa fotsy sady lava, misy volom-bava lava sy fotsy ihany koa izy, ary rakotra tombokavatsa ny sandriny.

Niaraka tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny kômity aho, nijoro teo anoloan’ny tokonam-baravaran’ny tranon’i Darren, nanontany tena ny amin’ny zavatra izay holazainy. Nasainy niditra izahay ary nolazainay taminy ny antony nahatongavanay. “Oay, tena hahafinaritra ahy mihitsy ny hanao izany!” hoy izy.

Tena nahavita zavatra mahatalanjona izy tamin’ny fanampiany mba hahatonga ilay fiarahamientana hanan-danja ho an’ny olona maro. Fotoana fohy taty aoriana dia nangatahana hamangy tsy tapaka an’i Darren izaho sy ny mpiara-manompo amiko. Toa hita soritra eo aminy foana ny haravoany mahita anay, ary ny resadresaka sasany nifanaovanay dia tena nahafinaritra tokoa. Feno fankasitrahana aho fa ny fitaomam-panahy hanasa azy handray anjara tamin’ilay fandaharam-potoan’ny fiarahamientana iray nataon’ny paroasy dia nitarika ho amin’ny fifandraisana ankamamiana.

Manompo ny hafa amin’ny Krismasy

Ireto dia zavatra vitsivitsy azonao atao mba hakana antoka fa ireo izay tompoinao dia hahafantatra fa mieritreritra azy ireo ianao, indrindra amin’izao vanim-potoana ao anatin’ny taona izao.

  1. Indraindray ny antso na hafatra amin’ny telefaonina dia mahatonga zavatra mahatalanjona. Ny fanombohana ny fifampiresahana amin’ny zavatra tsotra toy ny hoe “Manahoana ianao, salama tsara ve?” dia mety hanova zavatra betsaka.

  2. Miaraha mankalaza amin’izy ireo rehefa azo atao izany. Ny Krismasy dia afaka ny ho fotoana tena tsara hianarana momba ireo zavatra inoana iombonantsika. Rehefa mizara zavatra inoana sy mihaino ny hafa ianao dia manokatra varavarana mba hisian’ny fahatakarana bebe kokoa.

  3. Ento am-bavaka amin’ny fanononana ny anarany izy ireo. Angataho ny Ray any An-danitra hanampy anao hieritreritra ny fomba hitondrana azy ireo hanakaiky kokoa ny Zanakalahiny.

  4. Matetika ny fanomezana tena tsotra no tsaroana indrindra. Tsy voatery ho zavatra novolavolaina be ny fanomezana izay vao tian’ny hafa. Ny fanomezana fotoana, ny fahaizana mihaino, ny fizarana sary na fahatsiarovana, ireo zavatra rehetra ireo dia azo atao fanomezana avy amin’ny fo avokoa.

  5. Manolora fanomezana fijoroana ho vavolombelona. Angataho izy ireo hizara aminao ny fitiavany ny Mpamonjy ary mandrosoa hevitra ny hizara amin’izy ireo ny fitiavanao Azy.

  6. Asao ny hafa hanatrika fotoam-pivavahana amin’ny Krismasy. Ny olona sasany dia maniry ny handeha hivavaka saingy tsy mahafantatra izay tokony halehany. Asao izy ireo hiara-hitsaoka aminao.

  7. Fenoy fiadanana ao an-tokantranon’izy ireo. Ataovy fantatr’izy ireo fa ny misiônera dia manana hafatra manokana ho an’ny Krismasy izay azon’izy ireo zaraina, hafatra izay hitondra fanantenana sy fitiavana ao am-pon’izy ireo.

Mpiara-miangona miara-manompo ny rehetra

Tsy mitovy ny zavatra ilain’ny vondrona mpiara-miangona tsirairay avy. Ny sasany dia mahazo tombontsoa amin’ny fanaovana fiarahamientana lehibe kokoa. Ny vondrona mpiara-miangona hafa kosa dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny zavatra kely sy tsotra. Ireo izay mandray anjara amin’ny famolavolana sy fikarakarana fiarahamientana dia mandinika tsara ombam-bavaka ny fomba hitondrana ireo zavatra ilaina izay misy.

  • Nanampy tamin’ny fanohanana ny takariva fiaraha-mivory Hazavao Izao tontolo Izao izay nahitana fampisehoana talenta sy lamaody ny mpikambana avy amin’ny tsatòka telo tao Paris Frantsa. Nanomana fitaovana izay homena mpitsoa-ponenana sy olona tsy nanan-kialofana izy ireo.

  • Ny tsatòkan’i Charlotte afovoany, Caroline du Nord dia nikarakara hetsika “Krismasy manerana izao tontolo izao” ho an’ny fiarahamonina, izay nahitana hetsika ara-tsôsialy nankalazana an’i Kristy tamin’ny alalan’ny sakafo, ny fampisehoana ireo fombafomba maneran-tany amin’ny Krismasy, ny mozika, ny atrikasa hanaovana asa fanompoana, ary ny seho an-tsehatra fankalazana ny nahaterahan’i Jesoa izay ataon’ny ankizy.

  • Ireo mpikamban’ny tsatòkan’i Vero Beach Floride dia nandray anjara tamina hetsika tsiahy ho an’ny fiarahamonina ny amin’ny hoe nahoana isika no mankalaza ny Krismasy. Nozaraina kilalao ireo fikambanana mpanao asa soa. Nisy amboaram-peon’ny ankizy ao amin’ny Kilonga nihira, ary fiangonana maro no nampiasa trano heva nampirantiana fampahalalana.

  • Ny tsatòkan’i Jacksonville Floride atsimo dia nanolotra ny rindran-kira Savior of the World ho an’ny fiarahamonina.