2020
Ny zavatra tsaroako momba ny Krismasy
Desambra 2020


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Ny zavatra tsaroako momba ny Krismasy

“Ny vanim-potoan’ny Krismasy dia fotoana tena tsara handinihantsika ny zavatra ataontsika laharampahamehana ary hampitodihantsika ny fifantohantsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Izany dia fotoana hisaintsainana ny zavatra ataontsika mba hampitomboana ireo harentsika any an-danitra.”

Ny Krismasy dia fotoana miavaka foana ho an’ny fianakavianay. Nandritra ny fahazazako tany Brésil dia tsaroako fa ny fianakaviako dia mihaona amin’ireo nenitoanay sy dadatoanay foana mba hifanakalo fanomezana amin’ny sasakalin’ny Krismasy. Izaho sy ny mpiray tampo amiko, fony izahay ankizy, dia milalao an-tsehatra ny fahaterahan’i Jesoa zazakely sy mihira hiran’ny Noely vitsivitsy ary avy eo ny raiko dia mizara foana hafatra momba ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Rehefa nihalehibe kokoa izahay dia mbola nohazoninay hatrany izany fomba fanao izany. Nandritra ny fotoana ela izaho sy ny vadiko dia nanao izay hilalaovan’ireo zanakay sy ny zanaky ny mpiray tampo aminay ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa zazakely.

Rehefa manao jery todika aho dia tsy tsaroako ireo fanomezana azoko, saingy tsaroako tsara ilay fanahy mamin’ny fijerena ireo ankizy miara-milalao an-tsehatra sy miara-mihira hiran’ny Krismasy, ary ny raiko na ny reniko mizara hafatra manokana ho anay. Hatramin’ny nahafatesan’ny raiko dia ny reniko no mizara hafatra aminay isaky ny Krismasy. Miandrandra hatrany izany fotoana izany aho, ary na dia rehefa tsy afaka mihaona mivantana aza izahay dia mifandray amin’ny alalan’ny teknôlôjia ary mankafy ireo fotoana hiarahan’ny fianakaviana ireo. Fantatro izao fa ireo fahatsapana nananako fony aho ankizy ireo dia ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona amiko ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Rehefa misaintsaina ireo zavatra niainako nandritra ireo sasakalin’ny Krismasy ireo aho, ny soratra masina tonga ao an-tsaiko dia hita ao amin’ny Matio 6:19–21: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra:

“Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra:

“Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”

Ny vanim-potoan’ny Krismasy dia fotoana tena tsara handinihantsika ny zavatra ataontsika laharampahamehana ary hampitodihantsika ny fifantohantsika amin’ny Jesoa Kristy Mpamonjy. Izany dia fotoana hisaintsainana ny zavatra ataontsika mba hampitomboana ireo harentsika any an-danitra.

Rehefa mieritreritra momba ireo fanomezana sarobidy indrindra azoko aho dia mieritreritra momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Amin’ny alalany no ahafahantsika mandresy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Noho ny Aminy dia hiaina indray isika. Nataony izay hahafahantsika mibebaka sy ho voavela. Fantany ny zavatra tsapantsika. Mahatakatra tsara ny zavatra mahazo antsika Izy rehefa miatrika ireo fotoana sarotra indrindra isika. Tia antsika Izy, fantany ny zavatra mety ho vitantsika ary Izy dia tsy hamela antsika ho irery velively na tsy hisy mpampionona.

Nanantitrantitra ny iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra nomen’ny Mpamonjy antsika ny Filoha Russell M. Nelson: dia ny fanomezan-pahasoavan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izany. Tamin’ny fomba kanto no nampahatsiahivany antsika izany fitsipika izany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020, rehefa nampahafantatra “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” izy, izay mivaky hoe “ny olombelona rehetra dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana, fa Izy dia manana drafitra masina ho an’ny fiainantsika, ary ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, dia miteny ankehitriny toy ny tamin’ny andro fahiny”1. Ho an’ireo izay manontany tena hoe tena te hiresaka amin’izy ireo tokoa ve Andriamanitra, ny Filoha Nelson dia nilaza hoe, “Eny! Nampiany hoe tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo.”2. Tena tombontsoa ho antsika tokoa ny mandray fitarihana sy fampiononana mivantana avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Tsy voatery mandeha ao anaty haizina isika na dia mandritra izao fotoana sarotra iainantsika izao aza. Izy no Fahazavana! Nitondra fahazavana tety an-tany Izy tamin’ Izy teraka ary mbola manohy manome ny Fahazavany an’ireo izay manaraka Azy Izy.

Mivavaka aho ny mba hisaintsainantsika, mandritra izao vanim-potoana miavaka anatin’ny taona izao, ny amin’ireo fanomezana sarobidy maro azontsika avy amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ireo. Aoka isika handinika ny fomba hampiasantsika azy ireo ary ny fomba fanehoantsika fankasitrahana ny amin’izy ireo.

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana mankalaza ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Mivavaka aho ny mba hampiasantsika izao vanim-potoana izao amin’ny fampitomboana ireo harentsika any an-danitra ary ny mba hampitomboantsika ny fahaizantsika mihaino Azy tsaratsara kokoa. Ary rehefa mandray ireo fanomezana ireo eo amin’ny fiainantsika isika dia enga anie isika hizara izany amin’ireo izay tiantsika ary hanaparitaka ny Fahazavany amin’izao tontolo izao.

Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2020 ny Loholona Ciro Schmeil. I Alessandra Machado Louza no vadiny. Manan-janaka roa izy ireo.

Naoty

  1. Russell M. Nelson, “Henoy Izy”, Liahona, Mey 2020, 91.

  2. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika”, Liahona, Mey 2018, 95.