2021
Ny Fiangonana manerana izao tontolo izao
Desambra 2021


“Ny Fiangonana manerana izao tontolo izao,” Ho zatovo mahery!, apr. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, desambra 2021

Ny Fiangonana manerana izao tontolo izao

Sary
Ankizy mpamaky lay

Sary nataon’i Apryl Stott

Nilaza tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo mba hifindra toerana lavitra. Ny sasany tamin’izy ireo dia nandeha sarety mitafo. Ny hafa kosa nitarika sarety tarihan-tanana.

Sary
Ankizy manampy amin’ny fanorenana ny Tempolin’i Salt Lake

Nandeha tamina toerana vaovao mba hipetrahana izy ireo. Nanorina trano sy tanàna izy ireo. Nanorina tempoly vaovao izy ireo.

Sary
Ireo misiônera fahiny manao batisa ao anaty renirano

Nandeha tany amin’ny firenena maro ireo misiônera. Nampianatra ny hafa momba an’i Jesoa Kristy izy ireo. Nihabetsaka ny olona natao batisa. Nitombo ny Fiangonana.

Sary
Ny tany
Sary
Sarivongan’ny anjely Môrônia

Ankehitriny dia misy manerana izao tontolo izao ny mpikamban’ny Fiangonana. Firenena maro no ahitana tempoly.

Sary
ankizy

Na aiza na aiza onenantsika dia tia antsika i Jesoa. Fantatro fa tia ahy Izy!

Pejy lokoina

Tia antsika rehetra i Jesoa

Sary
Jesoa Kristy miaraka amin’ny ankizy

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Ahoana no ahatsapanao ny fitiavan’i Jesoa?