2021
Manampy ireo razambentska ny tantaram-pianakaviana
Desambra 2021


“Manampy ireo razambentska ny tantaram-pianakaviana,” Liahona, desambra 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona desambra 2021

Manampy ireo razambentska ny tantaram-pianakaviana

Ny tantaram-pianakaviana dia famantarana ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy fianarana momba azy ireo. Manangona ny mombamomba ireo razambentsika ihany koa isika mba hahafahantsika manao asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo.

Sary
alt text

Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana. Nanomana lalana Izy mba hahafahan’ny fianakaviana mitohy mandrakizay. Rehefa manao ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly izay tokony hataontsika isika dia manampy amin’ny fampitambarana ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika na ny velona na ny maty. (“Ny asa atao any amin’ny tempoly” dia midika hoe mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny tenantsika, toy ny famehezana antsika amin’ny vadintsika, sy ny fanaovana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika.)

Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny Tempoly

Ny olona rehetra izay efa niaina na mbola hiaina eto an-tany dia mila ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Raha tsy nanana fahafahana nandray izany ireo razambentsika dia afaka manatanteraka ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly isika. Isan’ireo ôrdônansy ireo ny famehezana amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Ny hoe “voafehy” dia midika hoe ho afaka ny hiara-hiaina mandrakizay amin’ny fianakaviantsika isika raha manao ny marina. Any amin’ny tempoly ihany no azo hamehezana antsika amin’ny fianakaviantsika.

Ireo fitahiana avy amin’ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana

Sary
fianakaviana

Ny tantaram-pianakaviana dia afaka manampy antsika hanamafy orina ny fifandraisantsika amin’ireo fianakaviantsika izay mbola velona. Rehefa mifampizara tantara, sary, ary fahatsiarovana hafa isika dia mampisy fifamatorana eo amin’ny mpianakavy. Manamafy orina ny fifankatiavantsika ihany koa isika. Nampanantena koa ireo mpaminany fa ny fanaovana tantaram-pianakaviana dia hitondra antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Mitady ireo Razambentsika

Sary
Rakitsoratra amin’ny teny Sinoa

Tian’ny Ray any An-danitra hofehezina amin’ireo fianakaviantsika amin’izao fotoana izao sy amin’ireo razambentsika isika. Alohan’ny hahafahana mamehy antsika amin’ny razambentsika dia mila mitady ary avy eo dia mitahiry ny mombamomba azy ireo isika. Saingy mihoatra lavitra ny fitadiavana anarana sy daty ary teorana fotsiny ny tantaram-pianakaviana. Rehefa miezaka ny hahafantatra ireo razambentsika isika dia hahatsapa ho mifandray kokoa amin’izy ireo.