2022
Ilay Mpamonjy izay mijaly
Aprily 2022


“Ilay Mpamonjy izay mijaly,” Ho zatovo mahery!, Apr. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! Aprily 2022

Ilay Mpamonjy izay mijaly

An-jato taonany mialoha ny nahatongavan’i Jesoa Kristy dia efa hitan’i Isaia mialoha ireo fijaliany noho ny fahotantsika.

natao tsinontsinona sy nolavina

Sary
Ireo tanan’i Jesoa Kristy izay mifatotra

Rehefa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy dia nisy olona sasantsasany nino Azy saingy betsaka ireo tsy nino. Notsinontsinoavin’izy ireo aza Izy ary maro ireo nankahala Azy. Tamin’ny farany dia nifidy ny hampijaliana sy ny hamonoana Azy ny olona. (Jereo ny 1 Nefia 19:9.)

nitondra ny aretintsika tokoa Izy

Sary
I Jesoa Kristy mandohalika ao Getsemane

Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny aretintsika ary ny fahalementsika. Nataony izany mba hahazoany mamindra fo amintsika sy mahafantatra ny fomba hanampiana antsika. (Jereo ny Almà 7:11–13.)

Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika

Sary
I Jesoa Kristy eo amin’ny hazofijaliana

Nijaly noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy. Nataony izany mba hahazoantsika famelan-keloka raha mibebaka isika. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11; 19:15–19.)

ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika

Sary
olona mitsapa ny tanan’i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty

“Ny dian-kapoka taminy” dia ireo ratrany. Ireo dia maneho ny fijaliana rehetra izay niaretany ho antsika, ka tafiditra ao anatin’izany ny rany latsaka sy ny fahafatesany. Koa satria nijaly ho antsika i Jesoa Kristy dia afaka ny ho sitrana indray isika. Mahatonga ny fahotantsika ho voavela ny sorona fahafoizan-tenany. Manasitrana antsika sy manova antsika Izy rehefa mibebaka sy miezaka mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika. (Jereo ny Môzià 3:7–11; Fanekem-pinoana 1:3.)