2022
Aprily 1995: Nahazo fankatoavana ara-dalàna tao Malawi ny Fiangonana
Aprily 2022


ITY VOLANA ITY TAO ANATIN’NY TANTARAN’NY FIANGONANA

Aprily 1995: Nahazo fankatoavana ara-dalàna tao Malawi ny Fiangonana

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nahazo fankatoavana ara-dalàna tao Malawi tamin’ny 25 aprily 1995, saingy ny batisa tao amin’io firenena io dia efa nisy taona vitsivitsy talohan’izay.

Tamin’ny 1987 i McFarlane Phiri no nahare voalohany mikasika ny Fiangonana, ary izy dia nandany ireo 14 taona manaraka nandalinana ny soratra masina sy ireo boky hafa izay nalefan’ny foiben’ny Fiangonana tao Utah taminy. Nandritra izany fotoana izany Rahalahy Phiri dia nampianatra ny namany mikasika an’i Kristy, ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa tonga ny fotoana nanendren’ny Filoha Vern Marble, Filohan’ny misiônan’i Zimbabwe Harare ireo misiônera zokiolona, dia Elder Brian sy Sister Betty Peedle tao Malawi tamin’ny jolay 1992, dia olona 31 hafa ihany koa no vonona hatao batisa. Olona 43 fanampiny no natao batisa volana vitsivitsy taty aoriana.

Rehefa naorina ny sampana voalohany tao amin’ny Lohasahan’i Sitima tamin’ny mey 1999 dia voantso ho filohan’ny sampana Rahalahy Phiri, niaraka tamin’i Kennedy N. Phiri sy David Mponda mpanolotsainy.

Nisy dingana nanan-danja lehibe hafa tratra tamin’ny aprily 2011 rehefa nitombo ny Fiangonana ka azo naorina ny Distrikan’i Blantyre. I Peter Chinyumba no filohan’ny distrika voalohany, ary nanampy azy tamin’izany i Chimwemwe Lungu sy Edward Matale mpanolotsainy. Ilay distrika dia nahitana ny sampana Blantyre voalohany sy faharoa, ny sampana Ndirande, ary ny sampana Zingwangwa.

Volana vitsivitsy taty aoriana, tamin’ny ôktôbra 2011, ny Filoha Russell M. Nelson, fony izy mbola tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nanokana ny firenen’i Malawi ho an’ny fitoriana ny filazantsara.