2022
Ampaherezo ny rahalahinao amin’ny ataonao rehetra
Jona 2022


HAFATRA AVY AMIN’IREO MPITARIKA ETO AN-TOERANA

Ampaherezo ny rahalahinao amin’ny ataonao rehetra

Ny zavatra tsotra toy ny tsiky sy ny fampahafantarana fohy ny tena dia afaka ny hanana akony lehibe.

Fony aho natao batisa dia nientanentana ery fa hoe ho lasa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Niaraka tamin’izany anefa dia tsaroaka aho ho natahotra ny hikambana amina fiangonana iray izay tsy misy olona fantatro ao aminy ankoatra ireo misiônera izay nandany fotoana nampianatra ahy momba ny fiangonana naverina tamin’ny laoniny sy ny Bokin’i Môrmôna. Nonina tany Autriche aho tamin’izany fotoana izany. Nifankafantatra tamina mpikambana vitsivitsy tao am-piangonana aho saingy tsy dia tena hoe nisy fifandraisana mafy orina tamin’iza na iza aho tamin’izany. Ny alahady voalohany tamin’ny naha-mpikambana vao niova fo ahy dia tena nahatsapa ho voatahy tokoa aho satria nipetraka teo akaikiko ilay misiônera tanora izay naharesy lahatra ahy mba ho tonga any am-piangonana. Nandika teny ho ahy ny amin’izay zavatra nolazaina izy noho izaho mbola tsy nahay fiteny alemana firy mihitsy. Namela fiadanana lehibe tao am-poko ilay fivorian’ny fanasan’ny Tompo noho izaho nahatsapa ho nahatakatra ny hafatra nozaraina tamin’io andro io. Nampifankafantarina tamin’ny Rahavavy Toni izay nitsiky sy nipetraka teo akaikiko nandritra ireo fivorian’ny sekoly alahady sy ny Fikambanana Ifanampiana aho.

Taorian’ny fotoam-bavaka dia nasainy nankany an-tranony aho hisakafo atoandro ary nihaona tamin’ireo olona hafa rehetra tao amin’ny fianakaviany. Io fianakaviana io no lasa namako voalohany tato am-piangonana. Nalain’izy ireo foana aho mba hamonjy ireo hetsika karakarain’ny fiangonana. Tamin’ny alalan’izy ireo aho no nanomboka nahafantatra bebe kokoa hatrany momba ny filazantsara ary tsy andriko ny hankanesana any am-piangonana isan’ alahady. Nandray ho namana toraka izany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa.

Izany fahatsapana ho noraisin’ny olona tsy fantatra tamin’izany fotoana izany dia nitoetra tamiko mandraka androany. Tsapako fa maro amin’ireo mpikambana vao niova fo no manana fahatsapana mitovy tamin’ny ahy fony aho vao nikambana tamin’ny fiangonana, ka ny fomba tsara indrindra ahazoana antoka ny amin’ny hijanonan’izy ireo ho mavitrika dia ny manao izay ahatsapan’izy ireo ho voaray tsara sy hoe isan’ny fiangonana ihany koa.

Adidy sy andraikitsika amin’ny maha-mpikambana antsika ny maka antoka fa ireo izay mikambana amin’ny fiangonana dia mahatsapa tena ho tiana sy mahatsapa fifandraisana am-po. Ny zavatra tsotra toy ny tsiky sy ny fampahafantarana fohy ny tena dia afaka ny hanana akony lehibe. Hitondra fiovana lehibe ny fitiavana azy ireo. Milaza ny ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana fa “sarotra ny fiovana ho mpikamban’ny Fiangonana ho an’ny ankabeazan’ny olona. Matetika izany no mitaky ny fanarahana fampianarana ara-pivavahana vaovao sy fomba fiainana vaovao. Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra, ireo mpikambana vaovao indrindra indrindra, dia mila zavatra telo mba hanampiana azy ireo hitoetra ho mavitrika ato am-piangonana: fianamanana, sy fahafahana mivoatra sy manompo ato am-piangonana, ary famahanana amin’ny tenin’ Andriamanitra”.1 Fantatro fa afaka ny milofo amin’ny asa fanompoana ataontsika isika amin’ny alalan’ny fanampiana ireo mpikambana vao niova fo. Mila fifantohana bebe kokoa izy ireo noho izy ireo mora miverina amin’ny fomba fanaony taloha.

Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia tsy maintsy ho misiônera tsy tapaka isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Fantatro fa ny Ray any An-danitra dia miandrandra antsika ny mba hifampaherezantsika araka ny lazain’ny F&F 108:7 manao hoe: “Koa ampaherezo ny rahalahinao amin’ny resakao rehetra, amin’ny fivavakao rehetra, amin’ny fanentanana rehetra ary amin’ny ataonao rehetra.”

Ny Rahavavy Tarirai Mhonda dia monina ao Harare, Zimbabwe. Manan-janaka telo izy sy ny vadiny. Ny Rahavavy Mhonda dia nantsoina ho Mpanolotsaina momba ny Fandrindrana ny Vondrom-paritra tamin’ny Jolay 2021.

FANAMARIHANA

  1. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, “Ny asa famonjena eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka”, jereo ny 5.2.1.