2022
Mandresy ny fahakiviana sy ny faharesena
Jona 2022


Ny lalan’ny fanekempihavanako

Mandresy ny fahakiviana sy ny faharesena

Afaka manisy hazavana mamiratra amin’ny fotoana maha-maizina ny fiainantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny andro tsirairay dia ahitana fotoam-pifaliana maro izay tokony hankasitrahana, sy hifaliana ary ankafizina. Saingy indraindray ireo rahona—fahakiviana, fihetseham-po voaratra, fomba fijery diso—dia manembatsembana sy manamatroka ireo laharam-pahamehantsika mandrakizay. Natao ho feno traikefa ity fiainana ity, izay manampy antsika hitombo sy hiomana amin’ireo fifalian’ny mandrakizay.

Raha hindrana teny avy ao amin’ny boky fandalinantsika, “Avia, hanaraka Ahy,” dia mianatra isika avy amin’ny tantaran’ny famoronana fa afaka manao zavatra mahafinaritra avy amin’ny zavatra tsy milamina Andriamanitra. Angamba isika indraindray lasa somary “tsy milamina” eo am-piezahantsika hiaina ireo fitsipiky ny filazantsara.

“Mpahary ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tsy mbola vita ny asa famoronana ataon’izy ireo amintsika. Afaka manisy hazavana mamiratra amin’ny fotoana maha-maizina ny fiainantsika Izy ireo. Afaka mamorona tany mafy eny afovoan’ny ranomasina misamboaravoaran’ny fiainana Izy ireo . . . Afaka manova antsika ho ilay zavaboary tsara tarehy nanaovana antsika Izy ireo.”1

Rehefa toa mavesatra loatra ireo fanamby atrehintsika ary rehefa tonga ny fahakiviana, dia ireto misy zavatra sasantsasany tena azontsika atao mba hamerenana indray ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana, fiadanana sy famelan-keloka ary ny herim-po izay atolotry ny Mpamonjy antsika amin-katsaram-panahy:

  1. Tohizo ny vavaka—resaho manokana ireo ahiahintsika ary avy eo dia mangina sy mihainoa. Nilaza ny Filoha Nelson hoe, “Manasa anao aho hampitodika bebe kokoa hatrany ny fonao sy ny sainao ary ny fanahinao any amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.”2

  2. Tohizo ny famakiana soratra masina—rehefa ampiharintsika amin’ny tenantsika izy ireny dia afaka mandray fitariham-panahy sy hevi-baovao isika.

  3. Tombatombano amin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo ireo ahiahintsika. Azontsika apetraka amin’ny tenantsika ireto fanontaniana ireto: Inona no ilaintsika ovaina? Inona no azontsika atao; inona no azon’ny Tompo hanampiana antsika?

Moa ve isika te hanova ny fomba fiainantsika sy mitazona ny fomba fijerintsika mandrakizay? Moa ve isika vonona ny hampandefitra ny sitrapontsika amin’ny an’ny Tompo? Moa ve isika vonona hitodika amin’ireo vondrona mpanohana antsika—dia Andriamanitra, fianakaviana, sy ireo namana—mba hahazoana hevi-baovao sy fahatakarana ary torohevitra bebe kokoa? Moa ve isika vonona hankatò sy hanaraka ny fitaoman’ny Tompo?

  1. Miezaha mankafy ny fotoanan’ny Tompo—manàna faharetana amin’ireo fanamby atrehintsika sy amin’ny tenantsika.

  2. Makà fotoana hanehoana ny fankasitrahantsika ho an’ny Mpamonjintsika sy ny Raintsika any An-danitra noho ny fanampian’izy ireo sy ireo fitahiana nomeny. Afaka mankasitraka sy mankalaza ireo fiezahana kely tsirairay vitantsika miaraka amin’ny fanampian’Izy ireo isika.

Nilaza ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe, “Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy antsika amin’izao fotoana izao, dia misy azo antenaina ny amintsika. Tian’ny Ray any An-danitra isika hanatona Azy na toy ny ahoana ny fahoriantsika, na toy ny ahoana ny alahelontsika, na toy ny ahoana ny fahadisoantsika, mba ahafahany manakakiky antsika. [Izy] dia mameno ny fontsika amin’ny fifaliana mihoam-pampana sy manazava ireo ora antsika feno haizina amin’ny fiadanana feno fitahiana, mampirotsaka ireo fahamarinana sarobidy ao an-tsaintsika, miandry antsika toy ny ondriny amin’ireo fotoam-pahoriana, mifaly rehefa faly isika ary mamaly ireo vavaka feno fahamarinana ataontsika”.3

Nanome antsika izao tsodrano izao ny Filoha Nelson tamin’ny faran’ny Fihaonambe Ôktôbra 2020 hoe: “Mitsodrano anareo aho mba ho feno ny fiadanan’i Jesoa Kristy Tompo ianareo. Tsy takatry ny sain’olombelona rehetra ny fiadanany. Mitsodrano anareo aho mba hanana faniriana sy fahafahana bebe kokoa hankatò ireo lalàn’Andriamanitra ianareo. Mampanantena aho fa rehefa ataonareo izany dia ho tondraky ny fitahiana ianareo, ao anatin’izany ny herim-po bebe kokoa, fanambarana bebe kokoa ho an’ny tena manokana, firaisan-kina mamy kokoa ao an-tokan-tranonareo, ary fifaliana eny fa na dia eo anivon’ireo zavatra mampiahiahy antsika.”4

FANAMARIHANA

  1. Hanaraka Ahy—Ho an’ny Isam-batan’olona sy ny fianakaviana, Testamenta Taloha 2022, pejy 7.

  2. Russell M. Nelson, “Fiaingana vaovao”, Liahona, Nôv. 2020, 118.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Ny fitiavan’Andriamanitra”, Liahona, Nôv. 2009, 23.

  4. Russell M. Nelson, “Fiaingana vaovao”, Liahona, Nôv. 2020, 119.