2022
Fanilon’ny tongotsika
Aogositra 2022


“Fanilon’ny tongotsika,” Ho zatovo mahery!, aog. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, aogositra 2022

Fanilon’ny tongotsika

Afaka mampianatra antsika ny zavatra iray fampiasan’i Isiraelita fahiny.

Sary
fanala mirehitra amin’ny solika

Fampahalalana amin’ny ankapobeny

Tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha ny olona dia nampiasa fanala solitany entin’izy ireo ao anatin’ny haizina. Ny ankabeazan’ireny fanala ireny dia nanana endrika fototra telo:

  1. Tavy vita amin’ny tanimanga asiana ny solitany; izay matetika no kelikely onina felatanan’olona

  2. Lahiny vita amin’ny tadin-drogony arehitra rehefa vonton’ilay solitany

  3. Fantsona kely mihazona ilay lahiny

Ny fanala solitany tsotra izay misy lahiny iray monja dia manely hazavana eo amin’ny iray metatra eo ho eo amin’ny manodidina azy. Raha entina mandehandeha dia manome hazavana ahitana izay diavin’ny tongotrao eo anoloanao monja mba handehananao amim-pitandremana ao anatin’ny haizina.

Inona no azontsika ianarana

Sary
I Jesoa Kristy mihazona fanala solitany

Nampiasaina rehefa nahazoana fankatoavana. Lead, Kindly Light [Tariho ry Hazavana feno hatsaram-panahy], nataon’i Simon Dewey. Sary nahazoana lalana avy amin’ny altusfineart.com © 2022.

Ny tenin’ny Tompo dia afaka manazava ny lalantsika manavatsava ny haizina sy ny fisafotofotoana izay miodidina antsika eo amin’izao tontolo izao.

Nasain’ny Tompo isika tsy hanarona ny fahazavantsika fa hitondra ny fahazavan’ny filazantsara miaraka amintsika mba hahitan’ny hafa izany (jereo ny Matio 5:14–16).

Miankina amintsika ny maka antoka fa feno solitany ny fanalantsika (jereo ny Matio 25:1–13). Ataontsika izany amin’ny alalan’ny vavaka, fandalinana soratra masina, asa fanompoana, fanarahana ny mpaminany ary ireo asa feno finoana sy fanoloran-tena hafa (jereo ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [Ny finoana dia mialoha ny fahagagana] [1972], 256).

Raha mampihatra finoana isika, dia hanazava ny lalantsika ny Tompo indraindray ka ampy izany ho antsika mba hanaovana dingana iray fanampiny (jereo ny Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 54).