2022
Inona no atao hoe takarivan’ny mpianakavy?
Aogositra 2022


“Inona no atao hoe takarivan’ny mpianakavy?” Liahona, aog. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, aogositra 2022

Inona no atao hoe takarivan’ny mpianakavy?

Sary
reny, ray, ary ankizy vavy kely mipetrapetraka eny ivelany

Ny takariva ao an-tokantrano dia fotoana iray natokana mandritra ny herinandro mba hivorian’ny fianakavianao. Mandritra io ianareo dia afaka “mianatra ny filazantsara, manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona, manorina firaisan-kina, ary mankafy ny fahafahana miaraka” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 2.2.4, ChurchofJesusChrist.org). Somary samihafa ny fitrangan’ny takarivan’ny mpianakavy ho an’ny fianakaviana tsirairay. Saingy ny tanjona dia ny mampiasa io fotoana io mba hifanakaikezana sy hanakaikezana ny Mpamonjy.

Fiomanana

Mieritrereta fiaraha-mientana izay tian’ny fianakavianao sy lohahevitra ara-pilazantsara iray izay tianao hifanakalozan-kevitra sy hiaraha-mianatra. Misafidiana ihany koa andro sy fotoana isan-kerinandro izay ahafahan’ny ankabeazan’ny olona ao amin’ny fianakaviana na ahafahan’ny rehetra ho tafavory. Ny Fiangonana dia mamporisika ireo mpikambana hanao takarivan’ny mpianakavy isaky ny alatsinainy alina. Saingy azon’ny fianakaviana atao ny mivory amin’ny fotoana izay mety indrindra ho azy ireo.

Sary
vavaka ataon’ny mpianakavy

Vavaka

Fianakaviana maro no manomboka sy mamarana ny takarivan’ny mpianakavy amin’ny vavaka. Izany dia manasa ny Fanahy Masina ho ao an-tokantranon’izy ireo. Ny takarivan’ny mpianakavy no fotoana tsara indrindra ho an’ny ankizy sy ny lehibe mba hianarana mivavaka miaraka ao anatina vondrona kely.

Hira

Fianakaviana maro ihany koa no manao hira fanokafana sy hira famaranana. Hira iray avy ao amin’ny fihirana na ny bokin-kiran’ny Kilonga matetika no safidian’izy ireo. Manana raki-peon-kiran’ireo fihirana izay notendrena tamin’ny pianô ny Fiangonana ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org. Azonareo atao ihany koa ny mijery horonan-tsarin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely avy ao Temple Square. Ny fihirana mandritra ny takarivan’ny mpianakavy dia manampy ireo mpikambana hianatra ireo fihirana izay hiraina any am-piangonana.

Lesona

Manana loharanom-pitaovana maro izay afaka manampy anao amin’ny takarivan’ny mpianakavy ny Fiangonana. Azonareo hatao ny maka fotoana fohifohy hamakiana lahatsoratra avy ao amin’ny Liahona, na ny Namana, na ny Ho zatovo mahery! sy hifanakalozana hevitra momba izany. Io ihany koa dia fotoana azo hijerena horonan-tsarin’ny Fiangonana sy hifanakalozan-kevitra momba izany. Na azonareo atao ny mamaky lahateny avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na mamaky soratra masina, na mifanakalo hevitra momba ny famakiana ny ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’izany herinandro izany.

Sary
ankizy manamboatra biscuits

Sarina ankizy manamboatra biscuits nalain’i Michelle Loynes

Fampandraisana anjara ny mpianakavy

Afaka mandray anjara amin’ny takariva ao an-tokantrano ny ankizy. Afaka manampy amin’ny fandrindrana ny fiaraha-mientana, na mivavaka, na misafidy sy mitarika ny hira izy ireo. Afaka mampianatra lesona mihitsy aza izy ireo. Mialoha ny takariva ao an-tokantrano dia azonao atao ny manampy ny zanakao hamaky tantara iray ao amin’ny gazetiboky Namana na ny tantara tian’izy ireo indrindra ao amin’ny soratra masina. Avy eo ilay zaza dia afaka mitantara izany tantara izany amin’ny fianakaviana ho toy ny lesona. Maro ihany koa ny ankizy no tia milalao an-tsehatra ireo tantara ao amin’ny soratra masina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Avelao ny ankizy lehibe handrindra ny lesona na hisafidy lahateny iray avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay tian’izy ireo hovakina. Avelao izy ireo avy eo hitarika ny fifanakalozan-kevitra.

Fiaraha-mientana

Maro ny fianakaviana no tia mampiditra ny fiaraha-mientana ho isan’ny takarivan’ny mpianakavy. Mety ho isan’ireo fiaraha-mientana atao ao an-trano ny fiarahana milalao, na manao asa tanana, na mahandro sakafo.

Ho an’ireo fiaraha-mientana atao any ivelan’ny trano dia azonareo atao ny mandehandeha, na manao diabe an’ny mpianakavy, na miara-manao fanatanjahantena any ivelan’ny trano. Mitadiava fiaraha-mientana iray izay azon’ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana hatao sy hiarahana mahazo fahafinaretana. Alaviro ireo fotoana izay hahatsapana hoe misy fifaninanana ka mety hampiala ny Fanahy Masina.

Asa fanompoana

Ny takarivan’ny mpianakavy no fotoana tsara hahafahan’ny fianakaviana manompo ny hafa. Azonareo hatao ny manampy ny sasany amin’ireo zokiolona mpifanolobodirindrina aminareo, na manome sakafo any amin’ny toby ho an’ireo tsy manan-kialofana, na manoratra ho an’ireo misiônera, na mitsimpona fako, ohatra.