2022
Inona no atao hoe Krismasy aminao?
Desambra 2022


Hafatra avy amin’ny mpitarika eo an-toerana

Inona no atao hoe Krismasy aminao?

Ny Krismasy dia fanokanana fotoana miaraka amin’ny Mpamonjy sy fanaovana ireo zavatra izay ho nataony raha teo Izy.

Nipetraka tamina trano misy rihana roa ahitana fonenana enina izaho sy ny fianakaviako nandritra ny fahazazako, ary isan-taona dia miara-mivondrona ireo tokan-trano enina rehetra mba hankalaza ny Krismasy. Izany no fotoana nankafiziko indrindra tao anatin’ireo taona naha-zatovolahy ahy.

Napetraka teo ampovoan-tokotany ny hazo kesika ary manampy amin’ny fanaingoana ny hazo sy ny tokotany izahay sy ireo rahalahiko ary ireo namako. Rehefa avy mikarakara ny jiro ireo olon-dehibe dia lokoin’izy ireo amina loko isan-karazany izany ary avy eo izany dia ampiasain’izy ireo handravahana ilay hazo.

Iray amin’ireo fotoana mahafinaritra indrindra ny fotoana handrehetana ny jiro. Vao mainka mahatonga ilay toerana ho kanto kokoa ny fifangaroan’ireo loko, indrindra rehefa mitaratra eo amin’ilay sehatra misy ny Fahaterahana ireo jiro.

Araka ny nianarantsika avy amin’ny tonon-kiran’ny “Avec émoi” (Tanatin’ny hatairana), ny Krismasy dia “ilay tantara tranainy sy masina, izay mbola hirain’ny tsirairay Ilay hiram-boninahitry ny anjely: Hôsana, hôsana, hôsana ho an’ilay Iray!”1

Mbola tsaroako tsara ireo fotoana sy fifaliana tsapanay isan-taona eo am-piomanana tamin’ity fankalazana lehibe ity. Amin’izao ankatoky ny Krismasy izao dia te hanasa anao aho mba handalina ilay fanontaniana hoe inona izany Krismasy izany aminao?

Olona maro no nanontany hoe: “Inona no mahatonga ny Krismasy ho tena hiavaka?” Ny lahatsoratra iray tao anatina blaogy izay mitondra io lohateny io ary navoakan’ny rafitra fividianan-javatra an-jotra iray tamin’ny 2019 dia manoro hevitra fa ny dikan’ny Krismasy dia miovaova arakaraka ny olona tsirairay.

Raha izany no izy ka raha samihafa arakaraka ny olona tsirairay ny dikany dia moa ve isika rehetra mahazo ireo tena fitahiana rehetra mifandray amin’ny Krismasy?

Vakiantsiaka ao amin’ny bokin’i Lioka ao amin’ny Testamenta Vaovao ity tantaran’ny fahaterahan’i Kristy manaraka ity:

“Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho dia fifaliana lehibe, izay ho an’ny olona rehetra.

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo” (Lioka 2:10–11).

Ilay hafatry ny fifaliana lehibe izay nentin’ireo anjely dia tonga niaraka tamin’ny fanasana ny olona rehetra, hankalaza an’ Andriamanitra any amin’ny avo indrindra; ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany. Mazava noho izany fa tsy misy fomba samihafa hankalazana ny Krismasy fa tokana monja. Fomba tokana izay mifantoka amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy, ilay Mpanavotra ny olon-drehetra; Izy izay naneho antsika ny lalana mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fiainana mandrakizay, tamin’ny alalan’ny fahaterahany sy ny fiainany.

Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) hoe: “Tsy ho nisy ny Krismasy raha tsy nisy ny Paska. Ilay Jesoa zazakely tao Betlehema dia ho zazakely hafa mihitsy raha tsy nisy ny fanavotan’i Kristy tao Getsemane sy Kalvary, sy ilay tranga feno fandresena momba ny Fitsanganana amin’ny maty”.2

Mbola manan-kery hatrany io fanasana io ankehitriny. Rehefa mahatsiaro Azy isika mandritra ity Krismasy ity sy mameno ny fontsika sy ny fanahintsika amin’ny fankasitrahana ny sorona nataony dia hitobaka eo amin’ny fiainantsika ireo fitahiana, dia ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny fitiavana.

Noho izany, inona no atao hoe Krismasy amiko?

Izany dia ny fitondrana ireo fianakaviana sy namana hiara-hanokana fotoana hiarahana amin’ny Mpamonjy, hankalazana ny asa fanavotana nataony sy hanaovana ireo zavatra ho nataony raha teo Izy: dia ny mifankatia, mizara ny hafatra sarobidin’ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny manasa ny rehetra ho tonga sy hizaha satria Izy no tena fanomezana—ilay Mesia, ilay zanak’ Andriamanitra izay hijoroako ho vavolombelona dia Jesoa Kristy.

Fanamarihana

  1. « Avec moi », Cantiques, nu. 129.

  2. Gordon B. Hinckley “The Wondrous and True Story of Christmas,” Ensign na Liahona, 2000, 6.