2022
Nanatontosa ny fihadiana fototra ny trano fivavahana voalohany ao Angola ny Fiangonana
Desambra 2022


Vaovao ao an-toerana

Nanatontosa ny fihadiana fototra ny trano fivavahana voalohany ao Angola ny Fiangonana

Miangona ireo Olomasina ao Angola ho fankalazana ny trano fivavahana voalohany aorina ao amin’ny firenen’izy ireo.

Ny sabotsy 9 jolay 2022, ireo Olomasina ao Angola dia niangona mba hanombohana amin’ny fomba ôfisialy ny fananganana ny trano fiangonana voalohany ao Angola.

Nandritra ireo 37 taona lasa, ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany monina ao Angola dia nanatrika ireo fivoriana isaky ny alahady tao amina trano nindramina na nofaina.

Mpikamban’ny Fiangonana eo amin’ny 60 isa eo no niangona mba hanatrehana ny fihadiana fototra voalohany toy izany ao Angola. Izany tranga manan-tantaran’ny Fiangonana izany dia teo ambany fiahian’ny Loholona Amando A. Feijo, Fitopololahin’ny Vondromparitra izay nanatrika niaraka tamin’ny Rahavavy Dionysia Feijo vadiny, ary koa ny Filoha Nuno Campos—Filohan’ny Tsatòkan’i Luanda—ary ny Filoha Scott Skyes sy Rahavavy Jennifer Skyes, mpitarika ao amin’ny Misiônan’i Angola Luanda.

Rahalahy Bernardo Luzitica, izay iray tamin’ireo olona voalohany tao amin’ny vondrona kelina mpikamban’ny Fiangonana tao Angola, dia nilaza fa ny fanorenana io trano fiangonana io dia misy dikany lehibe ho azy. “Tokony hisaotra ny Ray any An-danitra isika. Nandritra ny fotoana ela dia niandry ny mba hanana trano fivavahana isika,” hoy izy. “Tokony hisaotra ny Ray any An-danitra isika noho ny maha mpikambana voalohany antsika ary noho ny fandraisana anjara amin’ny lanonana fihadiana fototra voalohany indrindra ho an’ny fananganana ny fiangonantsika.”

Efa nisy mpikamban’ny Fiangonana nipetraka tao Angola nanomboka tamin’ny taona 1985. Nankatoavina tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana tamin’ny 1992 ka ny sampana voalohany dia naorina tamin’ny 1996 tao amin’ilay renivohitra, dia Luanda. Tamin’ny 2010, ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanokana an’i Angola ho an’ny fitoriana ny filazantsara ary valo taona taty aoriana dia nitsangana ny Tsatòkan’i Luanda Angola.

Ankehitriny dia misy mpikambana 4100 mahery ao Angola, dia ahitana tsatòka iray, paroasy valo ary sampana dimy an’ny Fiangonana. Ireo Olomasina ireo dia mahatoky ary nivavaka tsy tapaka mba hanana toerana azy ireo manokana hitsaohana.

Ireo mpikambana ao an-toerana dia efa niandrandra hatry ny ela ity andro ity hatramin’ny andro nanambarana voalohany ny fananganana ilay trano fiangonana tamin’ny 2016. Nanemotra ny fanombohana ny fanorenana saika nandritra ny dimy taona ny olana mahakasika ny fahazoan-dalana avy amin’ny fahefana eo an-toerana sy ny fanovana endri-panorenana im-betsaka.

Nilaza ny Rahalahy Vusi Msiza, talen’ny tetikasa fanorenana, fa nahatsapa “fanerena betsaka izy amin’ny fanatontosana ilay tetikasa noho ny fientanentanana sy fiandrasan’ireo mpikambana ao Angola”. Hoy izy hoe “Raha tsy nisy ny fidiran’ny Tompo an-tsehatra dia tsy ho eto isika ankehitriny. Raha tsy teo ny vavak’ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana ao Angola dia tsy tafatsangana ity trano fiangonana ity.”

-Haneho zavatra matanjaka ilay trano fivavahana-

Ny Filoha Nuno Campos dia nanasongadina ny lanjan’ny fihadiana fototra, ka nilaza izy fa izany dia “manamarika ny rafitra ara-tantaran’ny Fiangonana ao Angola . . . Izany dia tandindon’ny fivoaran’ny Fiangonana eto Angola. Izany dia maneho zavatra matanjaka, tena ara-panahy ary zavatra tena mana-danja ho an’ireo mpikambana eto.”

“Manana varavarana misokatra ho an’ny fiarahamonina ihany koa izahay. Ny olona rehetra eto dia afaka miaraka aminay ary mitsaoka, mianatra kokoa momba an’ Andriamanitra sy mifampianatra tenim-pahendrena ary manompo amin’ny fomba ilaina rehetra, na ara-panahy izany na ara-batana,” hoy ny Loholona Feijo.

Andrandraina ho vita amin’ny jolay 2023 ny fanorenana. Ilay trano fiangonana no ho ivon-toeran’ny tsatòka ho an’ny Tsatòkan’i Luanda ary handray paroasy anankitelo. Rehefa vita ilay trano fivavahana dia hampiasaina ho an’ireo fivoriam-pivavahana amin’ny alahady, ireo fiaraha-mientan’ny zatovo amin’ny andavanandro, ao anatin’izany ireo kilasim-pianarana ara-pivavahana, fivoriam-pihaonan’ny vehivavy ary asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina ao amin’ny faritra Luanda.