2023
Loharanom-pitaovana ho an’ny Zatovo sy ny Ankizy
Febroary 2023


Loharanom-pitaovana ho an’ny Zatovo sy ny Ankizy,” Liahona, feb. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, febroary 2023

Loharanom-pitaovana ho an’ny Zatovo sy ny Ankizy

Sary
ray aman-dreny miara-mamaky soratra masina miaraka amin’ny zanany lahy

Ny ray aman-dreny dia manana andraikitra voalohany hampianatra ny zanany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana rafitra sy fandaharan’ Asa ary loharano hafa hanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny ezaka ataon’izy ireo. Afaka manampy ny ankizy sy ny zatovo rehetra hanatona an’i Kristy ny ray aman-dreny miaraka amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ny namana.

Sary
ankizy ao amin’ny Kilonga

Sary nalain’i Ben Johnson

Ny Kilonga

Ny Kilonga dia rafitry ny Fiangonana ho an’ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 11 taona. Ao amin’ny Kilonga, ny ankizy dia mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany amin’ny alalan’ireo lesona sy hira ary fiaraha-mientana. Ny Kilonga dia afaka hanampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo.

Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy

Amin’ny janoary amin’ny taona mahafeno 12 taona ny ankizy dia miala ao amin’ny Kilonga izy ireo ary na mifindra ho ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna (ho an’ny ankizilahy) na ho ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy (ho an’ny ankizivavy). Ao amin’ny kôlejin’izy ireo sy ny kilasiny dia manohy manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona sy manompo ny hafa ny zatovo.

Sary
tanana manao sary

Fandaharan’ Asa Ankizy sy Zatovo

Nandritra ny naha zatovo Azy, i Jesoa Kristy dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52). Ny fandaharan’ Asa Ankizy sy Zatovo dia manampy ireo tanora mpikamban’ny Fiangonana hanaraka ny ohatra nasehon’i Kristy. Mianatra sy mitombo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainany izy ireo: ara-panahy, ara-tsosialy, ara-batana ary ara-tsaina.

Gazetibokin’ ny Fiangonana

Ny gazetiboky Namana no gazetibokin’ny Fiangonana ho an’ny ankizy. Ny Ho zatovo mahery! no gazetiboky ho an’ny zatovo. Ireo gazetiboky ireo dia ahitana tantara, sy fampianarana, ary hetsika nosoratana manokana ho an’ny ankizy sy ny zatovo.

Sary
fonon’ny boky torolalana amin’ny teny espaniola

Boky torolalana Ho zatovo mahery!

Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy dia mampianatra ny zatovo momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Izany dia mampianatra azy ireo ny fomba handraisana fanapahan-kevitra izay hanampy azy ireo hanaraka an’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny valin’ireo fanontaniana mety ananan’ny zatovo mikasika ny fomba hiainana ny filazantsara.

Médiathèque de l’Évangile

Ny Médiathèque de l’Évangile dia manana loharanom-pitaovana nomerika maro, ao anatin’izany ny horonan-tsary sy mozika sy tantara ao amin’ny soratra masina ary ireo fiaraha-mientana. Ahitana loharanom-pitaovana hanampiana ireo ray aman-dreny sy mpitarika hampianatra ny fitsipiky ny filazantsara ihany koa izany. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.

Fihaonambe HZM

Manomboka amin’ny taona mahafeno 14 taona azy ireo, ny zatovo dia asaina hanatrika ny fihaonamben’ny Ho zatovo mahery! (HZM). Ireo hetsika ireo dia ahitana fiaraha-mientana sy kilasy izay manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoana an’i Jesoa Kristy sy manampy ny zatovo hivoatra ara-panahy, ara-tsosialy, ara-batana ary ara-tsaina.