2023
Manasitrana vehivavy iray i Jesoa
Febroary 2023


“Manasitrana vehivavy iray i Jesoa,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2023

“Manasitrana vehivavy iray i Jesoa”

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2023

Manasitrana vehivavy iray i Jesoa

Sary
Jesoa mandeha eny an-dalana

Sary nataon’i Apryl Stott

Indray andro Jesoa dia nandeha tamin’ny lalana iray feno olona. Nisy vehivavy iray efa narary nandritra ny 12 taona teo anivon’ilay vahoaka.

Sary
vehivavy nanendry ny lamban’i Jesoa

Nanam-pinoana ilay vehivavy fa afaka hanasitrana azy i Jesoa. Nahinjiny ny tanany dia nokasihany ny akanjony. Sitrana avy hatrany izy!

Sary
Jesoa Kristy

“Iza moa no nanendry ny lambako?” Hoy Jesoa nanontany. Natahotra ilay vehivavy. Nandohalika teo anoloan’i Jesoa izy ary nilaza taminy ny zava-nitranga.

Sary
Jesoa miresaka amin’ny vehivavy iray

Naneho fitiavana i Jesoa. Hoy Izy, “Matokia.” Nolazainy taminy fa ny finoany no efa nahasitrana azy.

Sary
ankizy ao anaty sambokely

Afaka hanam-pinoana an’i Jesoa Kristy aho. Afaka hanampy ahy sy hitondra fiadanam-po ho ahy ny fitiavany.

Pejy holokoina

Manam-pinoana an’i Jesoa Kristy aho

Sary
Reny sy zanakalahy mivavaka

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Ahoana no anehoanao ny finoanao?