2023
Ny fitahiana azo avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly
Jona 2023


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

Ny fitahiana azo avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly

Ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny tempoly dia mametraka antsika eo amin’ny lalana mankany an-danitra ary manome antsika ny Fanahy Masina ho namana lalandava.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ahy dia naniry hatrany ny handeha any amin’ny tempoly sy hanao ireo ôrdônansy takina amiko aho. Rehefa nanana fahafahana aho tamin’ny 2018 dia faly tokoa nandeha tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny fianakaviako. Rehefa tonga tao amin’ny tempoly aho dia tsara fandraisana ilay toerana ary tena milamina. Nahatsapa faniriana mafy ny hijanona tao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho. Tsapako ny fahamasinan’ilay toerana sy ny fisian’ny Fanahy.

Nisy fanontaniana maro be tonga tao an-tsaiko. Tsapako fa tsy fiafarana ny fandehanana any amin’ny tempoly fa fiandohana. Ny fiandohana dia ny hoe tsy maintsy hitandrina ny fanekempihavanana rehetra izay nataoko tao amin’ny tempoly aho. Araka ny nolazain’ny Loholona Kim B. Clark ao amin’ny Fitopololahy hoe: “rehefa miaina ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia miantraika amin’ny zavatra rehetra lazaintsika sy ataontsika izany. Miaina ao amin’ny fanekempihavanana isika, dia fiainana feno asa amim-pinoana tsotra amin’ ny andavanandro mifantoka amin’i Jesoa Kristy: vavaka avy amin’ny fo amin’ny anarany, fivokisana amin’ny teniny, fitodihana Aminy mba hibebaka amin’ireo fahotantsika,”1 ary mankatò mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny tempoly dia mametraka ny olona iray eo amin’ny lalana mankany an-danitra ary manome antsika ny Fanahy Masina ho namana lalandava. Fanomezana lehibe tokoa izany! Fantatro fa ny fitandremana ireo fanekempihavanana no hany fomba tokana hisaorana ny Ray any An-danitra noho ny fiainana sy ny fianakaviana izay nitahiany ahy ary indray andro any dia ho afaka ny hiverina any Aminy aho. Nahatsapa aho fa amin’ny maha-fianakaviana anay dia mila mitandrina sy mifampahatsiahy ireo fanekempihavanana nataonay tany amin’ny tempoly izahay. Nanapa-kevitra mihitsy aza aho ny hametraka sarin’ny tempolin’i Johannesbourg ao amin’ny efitrano fandraisam-bahininay mba hampahatsiahy anay mandrakariva ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny tempoly.

Hoy ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (1932–2017) hoe: “Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hanome ireo ôrdônansy ilaina ho an’ny fisandratantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mitarika antsika ho any amin’ny Mpamonjy ary manome antsika ireo fitahiana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.”2

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza fa: “ny ôrdônansin’ny tempoly, ny fanekempihavanana, ny fanafiana masina ary ny famehezana dia manome fahafahana ny isambatan’olona hihavana amin’ny Tompo sy ny fianakaviana mba ho voafehy any ankoatry ny voalin’ny fahafatesana. Ny fankatoavana ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia mahatonga antsika ho mendrika ny fiainana mandrakizay, ilay fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ny fiainana mandrakizay dia mihoatra noho ny tsy fahafatesana. Ny fiainana mandrakizay dia fisandratana any amin’ny lanitra ambony indrindra—ilay karazana fiainana iainan’ Andriamanitra.”3

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) dia nanasongadina fa ireo fanekempihavanan’ny tempoly natao tamin’ Andriamanitra dia tsy maneritery, fa miaro kosa. Izy ireny dia mampisondrotra antsika mihoatra ny fetran’ny herintsika manokana sy ny fomba fijerintsika. Ny fomba fijery toy izany dia manampy antsika hitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao. Nanamafy izy fa “ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana no fepetra takina mba hahatongavantsika eo anatrehan’ [Andriamanitra]. Ny fandraisana azy ireo amim-pahamendrehana no zavatra katsahina mandritra ny fiainana ary ny fanajana azy ireo aorian’izany no fanamby eto amin’ny fiainana.”4

Fantatro fa rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana aho dia manomana ny tenako hiverina any amin’ny Ray any An-danitra rahatrizay ary mifaly amiko Izy rehefa mitandrina ny fanekempihavanako aho.

Fanamarihana

  1. Kim B. Clark, “Banjino i Jesoa Kristy”, Liahona, Mey 2019, 55.

  2. Robert D. Hales, “Fitahiana avy amin’ny Tempoly”, Liahona, Ôkt. 2009, 14.

  3. Russell M. Nelson, “Personal Preparation for Temple Blessings”, Liahona, Jolay 2001, 33.

  4. Boyd K. Packer, “Covenants”, Ensign, Mey 1987, 24.