2023
Nasehon’i Jesoa antsika ny lalana
Aogositra 2023


“Nasehon’i Jesoa antsika ny lalana,” Namana, aogositra 2023, 4–5.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana , aogositra 2023

Nasehon’i Jesoa antsika ny lalana

Sary
alt text

Sary nataon’i Dan Burr

Zanakalahin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Tonga teto an-tany Izy mba haneho amintsika fa afaka miverina any amin’ny Ray any An-danitra isika indray andro any. Natao batisa i Jesoa. Nampianatra Izy fa tokony hatao batisa koa isika.

Sary
alt text

Nasehon’i Jesoa antsika ny fomba tokony hiainana. Tia sy nanampy ny rehetra Izy. Tiany hanara-dia Azy isika.

Sary
alt text

Nahatsapa ny fanaintainantsika rehetra i Jesoa ary nijaly noho ny fahotantsika. Avy eo dia maty ho antsika Izy. Izany no antsoina hoe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nitsangana tamin’ny maty Izy. Midika izany fa velona Izy ankehitriny! Noho i Jesoa Kristy, isika ihany koa dia mbola ho velona indray aorian’ny fahafatesantsika.

Sary
alt text

Nanao ireo zavatra rehetra ireo ho antsika i Jesoa satria tia antsika Izy. Noho Izy dia afaka hiara hiaina amin’ny Ray any An-danitra sy ny fianakaviantsika isika indray andro any.

Sary
alt text

Afaka manara-dia an’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa. Afaka manara-dia Azy koa isika isan’andro rehefa tia sy manampy ny hafa ary mitandrina ny didiny.