2023
Mampahery antsika ny fizakan-tena
Aogositra 2023


“Mampahery antsika ny fizakan-tena,” Liahona, aog. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona , aogositra 2023

Mampahery antsika ny fizakan-tena

Sary
olona roa manasa lovia

Ny hoe mizaka tena dia midika hoe afaka mikarakara ny zavatra ilaintsika sy ny fianakaviantsika. Rehefa mizaka tena isika dia lasa afaka manompo tsara kokoa ny Tompo sy mikarakara tsara kokoa ny hafa. Saingy ny fizakan-tena dia tsy midika hoe mila miatrika samirery ireo olantsika isika. Afaka mangataka fanampiana isika amin’ny namana, ny fianakaviana, ny mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana, ary amina matihanina, rehefa mila izany.

Ireo fitsipiky ny fizakan-tena

Ny fahatongavana amin’ny fizakan-tena dia mitaky fianarana sy fankatoavana ary asa mafy. Manao izay rehetra azontsika atao isika hikarakarana ny tenantsika, ary afaka mangataka ny hafa isika hanampy rehefa ilaina. Saingy raha tena te ho lasa mizaka tena isika, dia mila koa mianatra manana finoana an’i Jesoa Kristy. Ka rehefa miezaka manampy ny tenantsika isika, dia Izy no hampahery antsika.

Sary
tanana roa mifamatotra

Fizakan-tena ara-panahy

Afaka manamafy orina ny fizakan-tenantsika ara-panahy isika amin’ny fiezahana hanamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mahazo izany isika rehefa mivavaka, sy mandalina soratra masina, sy mankany am-piangonana, sy mitandrina ny didy ary manao zavatra hafa izay mampanatona antsika an’i Kristy. Ny fahafantarana fa te-hanampy antsika Izy dia hahatonga antsika hanam-pinoana hitoetra hahery na dia rehefa mafy aza ny fiainana.

Fizakan-tena ara-batana

Tafiditra amin’ny fizakan-tena ara-batana ny fahafahana mikarakara ny zavatra ilain’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika eo amin’ny ara-batana. Tafiditra amin’izany ny hanina, ny trano fonenana, ny fahasalamana ary ny filana hafa. Mahazo izany isika amin’ny fandrantoana fianarana tsara, ny fianarana sy fampivelarana ireo fahaiza-manao ilaina, ny fiasana mafy, ny fampiasana amim-pahendrena ny fotoantsika, ary ny fitantanana tsara ny volantsika.

Sary
vehivavy telo miara-mandeha an-tongotra

Fizakan-tena ara-pihetsehampo

Ny fizakan-tena ara-pihetsehampo dia ny fahafahana miatrika ireo olana ara-pihetsehampo amin-kerimpo sy amim-pinoana. Samy manana olana sy sendra tsy fahombiazana daholo isika. Noho ny filazantsara dia mahafantatra isika fa afaka misafidy ny fomba hiatrehana azy ireny. Ny fiatrehana izany amim-pinoana ny Tompo dia mampitombo ny fahafahantsika miatrika zava-tsarotra hafa amim-panantenana kokoa.

Fianarana

Tokony hianatra mandrakariva isika. Tian’ Andriamanitra isika hanabe ny saintsika ary hanatsara ny fahaiza-manaontsika mandritra izao fiainana izao ka hatrany amin’ny fiainana manaraka. Arakaraka ny hianarantsika no ahafahantsika hanana fitaomana ho amin’ny tsara kokoa, sy hamatsy ny tenantsika sy ny fianakaviantsika ary ireo sahirana.

Sary
zatovolahy mibata lasaka

Ireo fitahiana noho ny fizakan-tena

Mpaminany maro no nampianatra fa rehefa manatsara ny fizakan-tenantsika isika dia hitombo fanantenana sy fiadanam-po. Ho afaka hanampy ireo fianakaviantsika isika sy ireo hafa izay sahirana. Ary dia hahazo fahafahana manao zavatra kokoa isika sy fahafahana hanohy hivoatra.

Loharanom-panampian’ny Fiangonana

Afaka manolotra vondrona fizakan-tena ny tsatòka misy anao. Izy ireny dia afaka mampianatra anao ireo fitsipiky ny fizakan-tena sy fahaiza-manao tahaka ny fihaizana mitantana vola na fitadiavana asa tsara kokoa. Afaka mahita ireo loharanom-pitaovana mifandray amin’izany ianao ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile. Safidio ny “Livre et leçons” ary avy eo ny hoe “Autonomie.”