2023
Namangy an’i Jesoa zazakely ireo mpiandry ondry
Desambra 2023


“Namangy an’i Jesoa zazakely ireo mpiandry ondry,” Namana, Des. 2023, 46–47.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, desambra 2023

Namangy an’i Jesoa zazakely ireo mpiandry ondry

Sary
Alt text

Sary nataon’i Apryl Stott

Indray alina, nisy anjely namangy mpiandry ondry tany an-tsaha. Nolazain’ilay anjely tamin’izy ireo fa nisy zazakely tena manan-danja teraka. Jesoa Kristy no anarany. Izy no ho Mpamonjy ny olona rehetra manerana an’izao tontolo izao. Nisy anjely maro fanampiny tonga. Nihira izy ireo hoe “Voninahitra any amin’ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.”

Sary
Alt text

Nandeha faingana ireo mpiandry ondry hamangy an’i Jesoa zazakely. Faly be tokoa izy ireo nahita azy!

Sary
Alt text

Nambaran’ireo mpiandry ondry tamin’ireo hafa ny momba an’i Jesoa Kristy. Tian’izy ireo ho ren’ny rehetra ilay vaovao mahafaly.

Pejy holokoina

Afaka mihira momba an’i Jesoa Kristy aho

Sary
alt text here

Sary nataon’i Apryl Stott

Afaka mihira hira momba an’i Jesoa Kristy aho hankalazana ny nahaterahany.