2023
Ireo maty dia hitsangana eo anoloan’ Andriamanitra
Desambra 2023


“Ireo maty dia hitsangana eo anoloan’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery, des. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, desambra 2023

Ireo maty dia hitsangana eo anoloan’ Andriamanitra

Ao amin’io fanambarana io i Jaona dia nahita ny Fitsarana farany.

Sary
Jesoa Kristy

Hiverina indray Izy hanapaka sy hanjaka, nataon’i Mary Sauer

ireo maty na ny lehibe na ny kely dia mitsangana eo anoloan’ Andriamanitra

Ny herin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia mitondra ny olona rehetra ho eo anatrehan’ Andriamanitra mba ho tsaraina (jereo ny Almà 11:42–44; 33:22; 40:21; Helamàna 14:15–17; Môrmôna 9:13–14).

novelarina ireo boky;

Ireo boky ireo ny maneho ireo firaketana notahirizina teto an-tany momba izay nataon’ny olona teto an-tany mba hanarahana ny lalan’ny fanekempihavanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:7).

ny bokin’ny fiainana

“Amin’ny lafiny iray, ny Bokin’ny Fiainana dia ny fitambaran’ireo eritreritra sy zavatra nataon’ny olona iray—ny firaketana ny fiainany. Manambara koa anefa ny soratra masina fa misy rakitsoratra any an-danitra, tanana ho an’ny mahatoky, ka ao anatin’izany ny anarany sy ny fitantarana ny zavatra marina vitany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Bokin’ny fiainana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

notsaraina

Ny Fitsarana farany dia mitranga rehefa avy nitsangana tamin’ny maty ny olona. Jesoa Kristy no ho Mpitsaran’ny olona tsirairay. Io fitsarana io no hamatritra ny voninahitra mandrakizay izay ho raisin’ny olona tsirairay (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitsarana farany, ny,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; Almà 41:3–5; Fotopampianarana sy fanekempihavanana 88:26–32.)

araka ny asany

Ny olona tsirairay dia hotsaraina araka izay nataony sy izay niriany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9). Hotsaraina izy ireo raha toa ka nankatò ireo didin’ Andriamanitra ary nanao araka izay mety ho fahazavana sy fahamarinana izay noraisiny teo amin’ny fiainany.