Liahona
Ilay fifaliana maharitra ateraky ny fiainana ny filazantsara
Febroary 2024


“Ilay fifaliana maharitra ateraky ny fiainana ny filazantsara,” Liahona, febroary 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona febroary 2024

Ilay fifaliana maharitra ateraky ny fiainana ny filazantsara

Ny fifaliana maharitra dia tonga amin’ny alalan’ny faharetana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fanampiana ny hafa hanao tahaka izany koa.

Sary
I Adama sy i Eva, tazana ao aoriana ny Saha Edena

The Garden of Eden [Ny saha Edena], nataon’i Grant Romney Clawson; Leaving the Garden of Eden [Mandao ny Saha Edena], nataon’i Joseph Brickey

Hita ao amin’ireo fampianarana ara-paminaniana nataon’i Lehia mahakasika ny fiandohan’ny fiainan’olombelona teto an-tany ny fanehoana fohy ny tanjon’ny fiainantsika. Tao amin’ny saha Edena i Adama sy i Eva dia niaina tao anatin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny. Raha nijanona tao amin’io toetoetra io izy ireo dia tsy ho “nanam-pifaliana satria tsy nahalana fahoriana; tsy nanao ny tsara satria tsy nahafantatra ny fahotana” (2 Nefia 2:23). Noho izany, araka ny nohazavain’i Lehia, “lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25; jereo ihany koa ny Mosesy 5:10–11).

Eo am-pivoarantsika ao anatina tontolo lavo, dia mianatra ny maha samy hafa ny tsara sy ny ratsy isika amin’ny alalan’ny zavatra ampianarina antsika sy ny zavatra iainantsika. “Manandrana ny mangidy [isika] mba hahaiza[ntsika] mankamamy ny tsara.” (Mosesy 6:55). Tonga ny fifaliana rehefa mandà ny mangidy isika ary mankamamy misimisy kokoa hatrany ny tsara ka mifikitra amin’izany.

Mitady fifaliana

Noho ny fitiavana tonga lafatra itiavan’ny Ray any An-danitra antsika, dia iriny ny hizara ny fifaliany tonga lafatra amintsika, na ankehitriny izany na any amin’ny mandrakizay. Izany hatrany no tanjony tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana, anisan’izany ilay drafitry ny fahasambarana feno voninahitra sy ny namoizany ny Zanany Lahitokana hanavotra antsika.

Tsy miezaka manery antsika Andriamanitra hanana fifaliana na fahasambarana, fa mampianatra antsika kosa Izy ny fomba ahitana izany. Lazainy amintsika koa hoe aiza no tsy mety hahitana fifaliana—“ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana” (Almà 41:10). Amin’ny alalan’ireo didiny no hanambaran’ny Raintsika any An-danitra amintsika ny lalana mankamin’ny fifaliana.

Tahaka izao no nanambaran’ny Filoha Nelson izany:

“Izao anefa ny fahamarinana lehibe: raha toa izao tontolo izao manizingizina fa mitondra fahasambarana ny fahefana, ny fananana, ny fananana laza ary ny fahafinaretan’ny nofo, dia tsy izany anefa no izy! Tsy afaka [mitondra] izany ireo. Ny zavatra entin’ireo dia tsy misy afa-tsy ny mifamadika amin’ilay “toetry ny fitahiana sy fahasambarana an’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra.”[Môzià 2:41].

“Ny marina dia hoe mandreraka [lavitra] kokoa ny mitady fahasambarana any amin’izay tsy hahitanao izany na oviana na oviana! Kanefa, rehefa miara-miasa amin’i Jesoa Kristy ianao sy manaraka Azy ary manao ny asa ara-panahy takina mba handresena an’izao tontolo izao, dia Izy ary Izy irery ihany no manana ny hery hankaherezana antsika eo amin’ity izao tontolo izao ity.”1

Araka izany, ny fifaliana maharitra dia hita ao amin’ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra, ary ireo didin’ Andriamanitra dia hita ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Saingy antsika ny safidy. Raha toa noho ny fahalementsika isika ka tsy mahatandrina ny didy amin’ny fotoana iray, dia mbola afaka miverin-dalana, mandà ny mangidy, ary miverina mikatsaka ny tsara indray. Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy manamarina ny fahotana—voaroban’ny famindram-po ny fahamarinana raha izay no izy—fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony ny hanoloran’i Jesoa Kristy ny fanavotana avy ao amin’ny fahotana:

“nolazain’ [i Amioleka] … fa ho avy marina tokoa ny Tompo hanavotra ny olony, saingy tsy ho avy Izy hanavotra azy ao amin’ny fahotany, fa hanavotra azy kosa amin’ny fahotany.

“Ary manana ny fahefana nomena Azy avy amin’ny Ray Izy mba hanavotra azy amin’ny fahotany noho ny fibebahana; noho izany Izy dia efa naniraka ny anjeliny hilaza ny vaovao momba ny fepetran’ny fibebahana, izay mitondra mankamin’ny herin’ny Mpanavotra ho famonjena ny fanahiny” (Helamàna 5:10–11; nampiana fanafamisana).

Hoy i Jesoa:

“Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.

“Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ary mba ho tanteraka ny fifalianareo” (Jaona 15:10–11).

Izany no tsapan’i Lehia tao amin’ny nofiny raha nanandrana an’ilay voan’ny hazon’aina—izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra. Hoy izy: “Raha nihinana tamin’ny voany aho, dia nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko” (1 Nefia 8:12; jereo koa ny 11:21–23).

Nanambara fomba faharoa koa i Lehia ahafahantsika mitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika raha nilaza izy hoe “koa nanomboka nangetaheta aho ny mba hihinanan’ny ankohonako amin’[ny voan’] izany koa” (1 Nefia 8:12).

Sary
tanana iray manolotra voankazo amin’ny tanana iray hafa, misy hazo tazana etsy aoriana

Tree of Life [Hazon’aina], nataon’i Kazuto Uota.

Manampy ny hafa hahita fifaliana

Tahaka ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka, “feno fifaliana” isika rehefa mandray ny famelana ny fahotantsika ary miana “fiadanan-tsaina” (Môzià 4:3). Mahatsapa izany koa isika rehefa mijery ny hafa ka mikatsaka hanampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny hafa handray izany fifaliana sy fiadanana izany koa.

Fony izy zatovolahy i Almà dia nikatsaka fahasambarana tamin’ny zavatra rehetra nifanohitra tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nolevileven’ny anjely iray mafy izy, dia nisandratra avy tamin’ “ny mangidy” ho amin’ “ny tsara” tamin’ny alalan’ny fibebahana “saika hatrany amin’ny fahafatesana” (Môzià 27:28) sy ny fahasoavana mihoa-pampana avy amin’ny Mpamonjy. Taona maro taty aoriana i Almà dia nanambara tamim-pientanentanana tamin’i Helamàna zanany lahy hoe:

“Ary ô, endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako; eny, ny fanahiko dia feno fifaliana izay nihoa-pampana toy izay fanaintainako izay! …

“Eny, ary hatramin’izay fotoana izay ka mandrak’ankehitriny, dia efa niasa tsy nitsahatra aho mba hahazoako mitondra fanahy hankamin’ny fibebahana; mba hahazoako mitondra azy ireny hanandrana ny fifaliana mihoa-pampana izay nandramako. …

“Eny, Ary ankehitriny indro anaka, ny Tompo dia manome ahy fifaliana lehibe fatratra tokoa noho ny vokatry ny asako;

“Fa noho ny teny [dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy] izay efa nozarainy tamiko, dia indro, maro no efa naterak’ Andriamanitra sy efa nanandrana toy ny efa nanandramako” (Almà 36:20, 24–26).

Tamin’ny fotoana iray hafa dia nijoro ho vavolombelona i Almà hoe:

“Izao no reharehako dia ny hahatonga ahy angamba ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra ka hitondra ny fanahy sasany hankamin’ny fibebahana, ary izany no fifaliako.

“Ary indro, rehefa mahita ny maro amin’ny rahalahiko mivalo marina tokoa aho sy manatona ny Tompo Andriamaniny, amin’izany ny fanahiko dia heniky ny fifaliana” (Almà 29:9–10).

Nanohy nanambara ilay fifaliana mihoa-pampana tsapany i Almà rehefa nahita fahombiazana ireo hafa tamin’ny fitondrana fanahy mankamin’i Kristy:

“Nefa tsy mifaly amin’ny fahombiazako irery aho, fa ny fifaliako kosa dia feno kokoa noho ny fahombiazan’ny rahalahiko izay efa niakatra tany an-tanin’i Nefia.

“Indro, efa nilofo fatratra tokoa izy ireo ary efa namoa voa betsaka; ka endrey ny halehiben’ny valisoany!

“Ankehitriny, rehefa mieritreritra ny fahombiazan’ireto rahalahiko ireto aho, dia lasalasa ny fanahiko, toy ny misaraka amin’ny vatana mihitsy, fa lehibe loatra ny fifaliako” (Almà 29:14–16).

Afaka mahita an’io fifaliana io isika rehefa mitia ny hafa amin’ “ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47; jereo koa ny andininy 48), sy mizara amin’izy ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny, ary manasa azy ireo hiara-hiangona amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanana.

Sary
ny Mpamonjy nijaly tao Getsemane

O My Father (Ô ry Ray), nataon’i Simon Dewey

Fifaliana ao anatin’ny fahoriana

Tsy tokony hatahotra isika hoe hanakana na handrava ny fifaliantsika ireo fitsapana sy sedra izay tsy maintsy hiainantsika eo amin’ny fiainana an-tany. Almà dia anisan’ny nijaly mafy noho ny fanompoana feno fandavan-tena nataony tamin’ny hafa. Niaritra fampidirana am-ponja izy, sy hanoanana sy hetaheta nandritra ny fotoana naharitra, vono, fandrahonana ho faty, ary fanesoana sy fanilihana niverimberina. Kanefa izany rehetra izany dia “voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy” (Almà 31:38). Angamba ny fijalian’i Almà no nahatonga ny fifaliana izay nanaraka izany ho vao maika goavana kokoa.

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson fa nanana anjara asa ny fifaliana teo amin’ny fijalian’ny Mpamonjy, “izay naharitra ny hazo fijaliana … mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany” [Hebreo 12:2).

“Saintsaino anie izany e! Mba hizakana ny zavatra sarotra indrindra niainana teto ambonin’ny tany, ny Mpamonjintsika dia nifantoka tamin’ny fifaliana.

“Ary inona ilay fifaliana izay napetraka teo anoloany? Azo antoka fa izany dia nahitana ny fifaliana avy amin’ny fanadiovana, fanasitranana, ary fampatanjahana antsika; ny fifaliana avy amin’ny fanefana ny fahotan’ny olona rehetra izay mibebaka; ny fifaliana avy amin’ny fanaovana izay hahafahantsika sy ianao mandeha mody—madio sy mendrika—mba hiaina miaraka amin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra sy ny fianakaviantsika.

“Raha toa ka mifantoka amin’ilay fifaliana izay ho avy amintsika isika, na amin’ireo izay tiantsika, dia inona no zavatra azontsika zakaina izay toa manempitra, manaintsina, mampatahotra, tsy rariny, na tsy ho tanteraka tsotra izao ankehitriny?”2

Ny fifaliana maharitra dia tonga amin’ny alalan’ny faharetana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fanampiana ny hafa hanao tahaka izany koa. Tonga ny fifaliana maharitra rehefa mitoetra ao amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra isika, mankato ireo didiny ary mandray ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Eo amin’ny lalan’ny filazantsara dia misy fifaliana mandritra ny dia ary fifaliana koa any amin’ny farany. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no lalan’ny fifaliana isan’andro.