Liahona
Moa ve aho miaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana”?
Febroary 2024


“Moa ve aho miaina ‘ao amin’ny toetry ny fahasambarana’?,” Ho zatovo mahery!, feb. 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, febroary 2024

2 Nefia 5

Moa ve aho miaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana”?

Ireto misy hevitra vitsivitsy omena anao ahafahanao miaina araka ny fomba nolazain’i Nefia fa niainan’ny olony.

Sary
zatovo

Sary nataon’i Alyssa Gonzalez

Fotoana fohy taorian’ny nisarahana tamin’ireo Lamanita, dia nilaza i Nefia fa ny vahoakany dia niaina “tao amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27). Raha mandinika fa nisy antokon’olona iray hafa izay nikatsaka ny hamono azy ireo (jereo ny 2 Nefia 5:1–6, 14), dia mety hanaitra izany. Ahoana no ahafahan’ny olona iray ho sambatra ao anatin’ny toe-javatra tahaka izany?

Voalohany indrindra aloha, mariho fa ilay hoe “niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay” dia tsy midika hoe “ny Nefita tsirairay dia sambatra adiny 24 isan’andro ary 7 andro isan-kerinandro.” Fa midika kosa hoe izy ireo dia niaina tamin’ny fomba sy nanao ireo karazana zavatra izay amin’ny ankapobeny mitondra amin’ny fahasambarana. Raha atambatra, na dia eo aza ireo olany, dia fotoam-pahasambarana izany.

Ka inona ary izany ny hoe “toetry ny fahasambarana”? Ahoana no fomba ahafahantsika mampihatra izany eo amin’ny fiainantsika manokana, izay ahitana olana ihany koa? Andeha hoe ho jerentsika!

  • Mankatò. “Niezaka izahay ny hitandrina … ny didin’ny Tompo” (2 Nefia 5:10).

    Miaina ny filazantsara no dingana 1. Mety ho sambatra vetivety ianao ao anaty fahotana, saingy tsy haharitra izany. Ny minia tsy mankatò an’ Andriamanitra dia tsy “toetry ny fahasambarana” (jereo ny Almà 41:10).

  • Mandalina ny soratra masina. “Izaho Nefia dia efa nitondra … ny rakitsoratra izay voasokitra tamin’ireo takela-barahina” (2 Nefia 5:12). “Nodinihinay izany ka hitanay fa mahaliana; eny, sarobidy mihitsy aminay” (1 Nefia 5:21) .

    Nanana ny soratra masina ny vahoakan’i Nefia. Ary tsy vitan’ny hoe nanana izany izy ireo, fa nandinika izany.

  • Mihaino ireo mpitarika entanim-panahy. “Nanokana an’i Jakoba sy i Jôsefa ho mpisorona sy ho mpampianatra eran’ny … oloko izaho Nefia” (2 Nefia 5:26).

    Nampiasa ny soratra masina ireo mpampianatra ireo ho mpitari-dalana ho azy ireo (jereo ny 2 Nefia 4:15; 6:4).

  • Mankany amin’ny tempoly (sy toerana masina hafa). “Izaho, Nefia, dia nanorina tempoly iray” (2 Nefia 5:16).

    Manan-danja ny fananana toerana masina tahaka ny trano fivavahana sy ny tempoly hiangonan’ireo mpianatra sy hitsaohany. (Azontsika heverina fa tsy vitan’ny hoe nanana tempoly ireo Nefita, fa tena nampiasa izany.) Raha tsy afaka manatrika fotoana mivantana any amin’ny tempoly ianao, dia afaka foana manao asa tantaram-pianakaviana.

  • Mamokatra tsara. “Nampianatra ny oloko aho hanorina trano sy [hiasa]. … Nanao izay hampazoto miasa ny oloko [aho] sy ny hampiasany ny tanany” (2 Nefia 5:15, 17).

    Anisan’ny “toetry ny fahasambarana” ny fananana zavatra hatao! Asa ampanaovina, anton’asa, andraikitra, zavatra izay ahafahanao manana zavatra ifantohana sy tanjona (ary fotoana sahaza hakana aina, mazava ho azy). Sarotra ny ho sambatra raha monamonaina foana ianao mandrakariva.

Afaka miteny ve ianao fa miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana ianao ankehitriny? Raha tsia, angamba afaka manome anao hevitra ahafahana mivoatra ny ohatr’i Nefia.