Liahona
Fenoy vavaka matetika ny fanahinao
Aprily 2024


“Fenoy vavaka matetika ny fanahinao,” Liahona, Apr. 2024

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, aprily 2024

Fenoy vavaka matetika ny fanahinao

Ilaintsika ilay famokisan’aina ara-panahy avy amin’ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra, fitahiana mety ho azontsika foana foana na aiza na aiza.

Sary
I Enôsa mivavaka

Sarin’ny mpilalao an-tsehatra iray izay maneho an’i Enôsa nataon’i Matt Reier

Samy efa nahatsapa noana avokoa isika rehetra. Ny kibo mangebaka no fomba entin’ny vatana milaza amintsika fa mila omena sakafo izy. Ary rehefa noana isika dia fantatsika ny tokony hataontsika—mihinana.

Ny fanahintsika koa dia manana ny fombany hampahafantarana antsika rehefa mila misakafo ara-panahy isika. Saingy toa mora amintsika kokoa ny tsy miraharaha ny hanoanantsika ara-panahy toy izay ny hanoanantsika ara-nofo.

Tahaka ny hamaroan’ny karazan-tsakafo azontsika hoanina dia maro toy izany koa ireo karazan-javatra azontsika atao mba hanomezana fahafaham-po ny hanoanantsika ara-panahy. Ohatra, afaka “mivoky amin’ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3) ao amin’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany isika. Afaka mandeha miangona tsy tapaka isika sy mandray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9). Afaka manompo an’ Andriamanitra sy ireo zanany isika (jereo ny Môzià 2:17).

Saingy misy loharanon-tsakafo ara-panahy azontsika ananana amin’ny fotoana rehetra, amin’ny fotoana rehetra amin’ny fiainantsika, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy antsika. Afaka mifandray foana amin’ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny vavaka.

“Mosarena ny fanahiko”

Raha nihaza bibidia tany an’ala ny mpaminany Enôsa dia nieritreritra ny “teny izay efa re[ny] matetika notenenin-drai[ny] momba ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina.” “Tafalatsaka lalina tao am-po[ny]” ireo teny ireo (Enôsa 1:3).

Satria tao anatin’izany toetra ara-panahy izany i Enôsa dia nahatsapa filana mahery vaika izy: “Mosarena ny fanahiko” hoy izy (Enôsa 1:4; nampiana fanamafisana).

Inona no nataon’i Enôsa rehefa nahatsapa io hanoanana ara-panahy na io filana sakafo ara-panahy io izy? “Nandohalika teo anoloan’ny Mpanao ahy aho,” hoy izy “ary nitalaho taminy sady nahery nivavaka no nitaraina ho an’ny fanahiko ihany” (Enôsa 1:4).

Lehibe tokoa ny hanoanan’i Enôsa ara-panahy ka nivavaka izy “nandritra ny manontolo andro … ary rehefa tonga ny alina dia mbola nanandratra avo ny feo[ny izy] ka nahatakatra ny lanitra izany” (Enôsa 1:4). Novalian’ Andriamanitra nony farany ny vavaka nataony ary navelany ny fahotany. Tsapan’i Enôsa ho voafafa ny helony. Saingy tsy nifarana teo ilay hanoanany ara-panahy.

Nianatra momba ny herin’ny finoana an’i Jesoa Kristy izy, ary nandrotsaka ny fanahiny manontolo izy ho an’ny vahoakany, ary hatramin’ny fahavalony mihitsy aza. Nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo izy ary nahazo fampanantenana Taminy. Ary taorian’ny vavaka mahery vaika nataon’i Enôsa dia nivezivezy tany anivon’ny vahoakany izy naminany ny amin’ny zavatra izay efa reny sy hitany. (Jereo ny Enôsa 1:5–19.)

Tsy ny vavaka rehetra no voavaly amin’ny fomba miavaka be toy izany, saingy mbola afaka ny ho manan-danja sy manova fiainana ny zavatra iainantsika amin’ny vavaka. Afaka mianatra lesona manan-danja avy amin’ny zavatra niainan’i Enôsa tamin’ny vavaka isika. Ohatra:

  • Ny fiezahana hiaina feno ny filazantsara dia afaka manampy antsika hahatsapa ny hanoanantsika ara-panahy.

  • Ny hanoanantsika ara-panahy dia afaka ary tokony hampandohalika antsika ka hikatsahantsika ny fanampian’ny Ray any An-danitra.

  • Ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra dia afaka manampy hanome fahafaham-po ny hanoanantsika ara-panahy, ary ny mihoatra izany aza.

  • Afaka mivavaka isika na aiza naiza, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.

  • Afaka manampy antsika hibebaka ny vavaka.

  • Afaka manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ny vavaka.

  • Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona manokana isika fa mahare antsika ny Ray any An-danitra ary mahafantatra izay manjo antsika.

  • Ny fijoroana ho vavolombelona sy ny hery azontsika amin’ny alalan’ny vavaka dia afaka manampy antsika hanompo sy hampahery ny hafa.

Sary
ny Loholona Soares fony zatovolahy

Ny zavatra niainako momba ny herin’ny vavaka

Tahaka an’i Enôsa dia nianatra lesona vitsivitsy toy ireo aho avy tamin’ny zavatra niainako manokana. Niditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny ray aman-dreniko fony aho zatovolahy, ary natao batisa aho rehefa feno valo taona. Nanana fahatsapana tsara sy mafana foana aho momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny ary ny Fiangonany. Saingy tsy nivavaka momba ny fahamarinan’ireo zavatra ireo aho raha tsy efa ho feno 16 taona.

Nangataka ahy ny evekako izay nentanim-panahy mba hampianatra kilasin’ny Sekoly Alahady. Tokony nampianatra lesona aho momba ny fomba ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny vavaka. Nahatonga ahy hieritreritra lalina kokoa momba ny fijoroana ho vavolombalona ananako manokana io fanendrena nataon’ny eveka io. Naka fotoana handalinana ny Bokin’i Môrmôna aho ary nahatsapa foana fa marina ny Fiangonana. Ary nino foana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy aho, saingy tsy mbola noraisiko am-po ilay fampanantenan’i Môrônia hita ao amin’ny Môrônia 10:4–5. Tsy mbola nivavaka momba ny fahamarinan’ny filazantsara mihitsy aho.

Tsaroako aho nanana fahatsapana tao am-poko fa raha handeha hampianatra ireo zatovo ireo aho momba ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny vavaka, dia tokony hivavaka irery koa aho mba hahazo fijoroana ho vavolombelona. Mosarena ny fanahiko, mety hoe tsy mitovy amin’i Enôsa, fa nahatsapa filana ara-panahy aho.

Teo am-panomanana ny lesona aho dia nandohalika ary nanolotra ny fanirian’ny foko tamin’ny Raiko any An-danitra mba hanamafy ny fahamarinana tsapako tato anatiko. Tsy nanantena fisehoan-javatra goavana aho. Saingy rehefa nanontany ny Tompo aho raha toa ka marina ny filazantsara, dia nisy fahatsapana tena mamy tonga tao am-poko—ilay feo tony sy malefaka nanamafy ahy fa marina izany ary tokony hanohy ny zavatra nataoko aho.

Tena mafy ilay fahatsapana ka tsy azoko notsinontsinoavina mihitsy izany valiny izany dia hiteny hoe tsy fantatro. Nahatsapa fifaliana aho ny tontolo andron’io. Tany an-danitra ny saiko nankafy ilay fahatsapana mahafinaritra tao am-poko.

Ny alahady manarak’io dia nijoro teo anoloan’ny telo tamin’ireo mpianatro aho, izay samy zandriko avokoa. Nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo aho fa ho valian’ny Ray any An-danitra ny vavaka ataon’izy ireo raha manam-pinoana izy ireo.

Sary
Loholona Soares

Ny valim-bavaka azon’ny Loholona Soares fony izy zatovolahy dia nanome fahafahana azy hijoro ho vavolombelona, tamin’ny naha misiônera (etsy ambony), ray, sy vady, ary Apôstôly azy, fa mamaly ireo vavaka atao am-pinoana ny Ray any An-danitra.

Nanomboka tamin’izay dia nitoetra tamiko foana io fijoroana ho vavolombelona io. Nanampy ahy handray fanapahan-kevitra izany, indrindra amin’ireo fotoana niainako fanamby. Ilay vavaka nataoko tamin’io andro io, miaraka amin’ny vavolombelona fanampiny azoko nandritra ireo taona maro, dia nanome fahafahana ahy hijoro ho vavolombelona amin’ny olona, tsy an-kisalasala, fa afaka mahazo valiny avy amin’ny Ray any An-danitra izy ireo rehefa mivavaka am-pinoana. Voamarina izany rehefa nijoro ho vavolombelona aho fony aho misiônera, mpitarika ato amin’ny Fiangonana, ray ary vady, ary na dia ankehitriny aza amin’ny maha Apôstôly ahy.

Ny fotoana sy ny antony ivavahantsika

Mazava ho azy fa tsy rehefa mahatsapa filana miavaka ara-panahy ihany isika vao hivavaka. Rahoviana izany isika no tokony hivavaka? Ary inona no tokony angatahintsika am-bavaka? Ny valiny tsotra dia hoe amin’ny fotoana rehetra sy ho an’ny antony rehetra.

Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra. Ny fahafantarana izany dia manova ny fomba fivavahantsika. Nampianatra ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Rehefa mahafantatra an’ Andriamanitra isika dia manomboka mahafantatra ny fomba hanatonana Azy, sy ny fomba fangatahana mba hahazoana valiny. … Rehefa vonona ny hanatona Azy isika, dia vonona hanatona antsika koa Izy.”1

Vonona lalandava ny Ray any An-danitra hihaino antsika ary maniry antsika mba hivavaka tsy tapaka sy matetika Aminy. Tokony “mila hevitra amin’ny Tompo amin’ny atao[ntsika] rehetra” (Almà 37:37) isika ary mivavaka maraina, antoandro, hariva. Tokony hivavaka isika any an-trano, any am-piasana, any an-tsekoly—any amin’izay toerana rehetra misy antsika ary amin’izay zavatra rehetra ataontsika (jereo ny Almà 34:17–26).

Tokony hivavaka ao amin’ny fianakaviantsika isika (jereo ny 3 Nefia 18:21). Tokony hivavaka isika “na amim-peo avo na anakampo, na an-kalamanjana na mitokana,” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3). Ary “rehefa tsy mitalaho amin’ny Tompo [isika], dia aoka ny fon[tsika] ho feno, mitodika Aminy lalandava ao amin’ny vavaka ho an’ny fiadanan[tsika], ary koa ho an’ny fiadanan’ireo izay manodidina [antsika]” (Almà 34:27). Ary tsy maintsy mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’ny Jesoa Kristy isika (jereo ny 3 Nefia 18:19–20).

Sary
Joseph Smith fony zatovolahy

Sary fanehoana an’i Joseph Smith nataon’i Walter Rane, tsy azo adika

Manatona ny Raintsika any An-danitra

Te hitahy antsika ny Raintsika any An-danitra. Ary hataony izany raha mangataka isika. Nampianatra ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsarovy fa rehefa tsy mangataka dia tsy afaka mahazo na inona na inona, noho izany dia mangataha am-pinoana dia ho azonao ireo fitahiana izay hitan’ Andriamanitra fa mety aminao.”2

Ny vavaka tsy tapaka ataontsika sy matetika dia ampahany manan-danja amin’ny sakafo mahasalama hanohanana ara-panahy ny fanahintsika noana. Ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka dia misy ary mandray ny olona rehetra amin’ny fotoana rehetra na aiza na aiza.

Mampianatra ny iray amin’ireo soratra masina tiako indrindra momba ny fomba tokony hanatonana ny Raintsika any An-danitra rehefa mandohalika mba hivavaka isika: “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao.”Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10). Rehefa manetry tena sy mankatò isika, dia hiaraka amintsika ny Ray any An-danitra. Hitantana antsika Izy. Hanambara amintsika ny toerana haleha sy ny zavatra hatao Izy. Hamaly ny vavaka ataontsika Izy araka ny sitrapony, ny fombany, ny fotoany, ary ny fahalalany tonga lafatra izay tsara ho antsika.

Tokony hotsaroantsika izany ary tokony hankamamy ireo fahafahana hanatonana ny seza fiandrianan’ Andriamanitra isika ka handray fitahiana eo an-tanany.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 40, 41.

  2. Teachings: Joseph Smith, 131.