Ny soratra masina
2 Nefia 10


Toko 10

Nanazava i Jakoba fa hohomboan’ny Jiosy ny Andriamaniny—Haely patrana izy mandra-panombohan’izy ireo hino Azy—Ho tanim-pahafahana i Amerika izay tsy hisy mpanjaka hanapaka—Mihavàna amin’ Andriamanitra ianareo ka raiso ny famonjena amin’ny alalan’ny fahasoavany. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny izaho Jakoba dia miteny aminareo indray, ry rahalahiko malala, ny momba ilay sampana marina izay efa noteneniko.

2 Fa indro, ny fampanantenana izay efa azontsika dia fampanantenana natao tamintsika araka ny nofo; koa, na dia efa naseho ahy aza fa maro amin’ny zanatsika no ho faty ao amin’ny nofo noho ny tsy finoana, dia ho feno famindram-po amin’ny maro Andriamanitra; ary hampodiana amin’ny laoniny ireo zanatsika mba hahatonga azy any amin’izay hanome azy ny fahalalana marina ny Mpanavotra azy.

3 Koa, araka ny efa nolazaiko anareo, dia mety sady tsy maintsy ilaina ny hahatongavan’i Kristy—satria izany no nolazain’ny anjely ahy alina fa ho anarany—eo amin’ny Jiosy, eo anivon’ireo izay ampahany lozabe indrindra eo amin’izao tontolo izao; ary dia hohomboany Izy—satria izany dia araka ny efa nanampoizan’ny Andriamanitsika ary tsy misy firenena hafa eto ambonin’ny tany izay hanombo ny Andriamaniny.

4 Fa raha nitranga teo amin’ireo firenen-kafa ireo fahagagana lehibe, dia ho nibebaka ireny ary ho nahafantatra Azy ho Andriamaniny.

5 Nefa noho ny komiberaky ny mpisorona sy ny helony, ireo ao Jerosalema dia hanamafy ny hatony hanohitra Azy mba hanomboana Azy.

6 Koa, noho ny helony, dia hihatra aminy ny faharavana, ny mosary, ny areti-mandringana ary ny fandatsahan-dra; ary ireo izay tsy ho fongana dia haely patrana any anivon’ny firenen-drehetra.

7 Nefa indro, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Izaho efa nanao fanekempihavanana tamin’ny razany fa raha avy ny andro izay hinoany Ahy fa Izaho no Kristy, amin’izany dia hampodiana ao amin’ny nofo eto ambonin’ny tany, any amin’ny tany lovany izy.

8 Ary ny zavatra hitranga dia hangonina avy amin’ny fielezany maharitra izy, avy amin’ny nosy any an-dranomasina sy avy amin’ny vazan-tany efatra; ary ho lehibe eo imasoko ny firenen’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, amin’ny fitondrana azy hiverina any amin’ny tany lovany.

9 Eny, ny mpanjakan’ny Jentilisa no ho ray mpiahy azy, ary ny mpanjakavaviny no ho reny mpiahy; koa lehibe amin’ny Jentilisa ny fampanantenan’ny Tompo fa Izy no efa niteny izany ka iza no hahatohitra?

10 Nefa indro, hoy Andriamanitra, fa ity tany ity no ho tany lovanao ary hotahiana ny Jentilisa eo amin’ity tany ity.

11 Ary ho tanim-pahafahana ho an’ny Jentilisa ity tany ity ka tsy hisy mpanjaka eo amin’ny tany izay hitsangana hifehy ny Jentilisa.

12 Ary Izaho hampahatanjaka ity tany ity noho ny firenen-kafa rehetra.

13 Ary izay miady amin’i Ziona dia ho ringana, hoy Andriamanitra.

14 Satria izay manangana mpanjaka hanohitra Ahy dia ho ringana, fa Izaho Tompo, ny mpanjakan’ny lanitra no ho mpanjakany ary Izaho no ho fahazavana mandrakizay ho an’ireo izay mihaino ny teniko.

15 Koa, noho izao antony izao, dia ny hahatanteraka ny fanekempihavanako izay efa nataoko tamin’ny zanak’olombelona ka hataoko aminy raha mbola ao amin’ny nofo izy, dia tsy maintsy ilaina ny handravana ny asa manginginan’ny maizina sy ny famonoan’olona ary ny fahavetavetana.

16 Koa izay miady amin’i Ziona na Jiosy na Jentilisa, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy dia ho ringana; fa ireny no ireo izay vehivavy janga amin’ny tany rehetra; satria ireo izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy, hoy ny Andriamanitsika.

17 Satria hotanterahiko ny fampanantenako izay efa nataoko tamin’ny zanak’olombelona ka hataoko aminy raha mbola ao amin’ny nofo izy—

18 Noho izany, ry rahalahiko malala, dia izao no lazain’ny Andriamanitsika: Izaho hampahory ny taranakao amin’ny tanan’ny Jentilisa; kanefa, hanalefaka ny fon’ny Jentilisa Aho, hany ka ho toy ny ray ho azy izy; koa hotahiana ny Jentilisa sady horaisina ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely.

19 Koa hatokako mandrakizay ho an’ny taranakao sy ho an’ireo izay horaisina ho isan’ny taranakao ity tany ity mba ho tany lovany; satria tany nofinidy noho ny tany hafa rehetra izany, hoy Andriamanitra tamiko, koa hataoko izay hideran’ny olona rehetra izay mitoetra eo aminy Ahy, hoy Andriamanitra.

20 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, satria efa nomen’ny Andriamanitsika feno famindram-po antsika ny fahalalana lehibe tokoa momba ireo zavatra ireo, dia aoka hotsarovantsika Izy sy havelantsika ny fahotantsika, ary aoka tsy hitanondrika ny lohantsika satria tsy ariana isika; kanefa efa noroahina isika hiala ny tany lovantsika; fa efa nentina kosa isika hankany amin’ny tany tsaratsara kokoa, satria ny Tompo no efa nanao ny ranomasina ho lalantsika ary eo amin’ny nosin-dranomasina no misy antsika.

21 Nefa lehibe ny fampanantenan’ny Tompo amin’ireo izay eo amin’ny nosin-dranomasina; koa satria nosy no resahina, dia tsy maintsy ilaina ny fisian’ny nosy hafa ankoatra ity, ary ireo rahalahintsika ihany koa no monina amin’ireny.

22 Fa indro, ny Tompo Andriamanitra no efa nitondra ombieny ombieny avy tamin’ny mpianakavin’i Isiraely araka ny finiavany sy ny sitrapony. Ary ankehitriny, indro tadidin’ny Tompo avokoa ireo izay efa nosarahina ka dia tadidiny koa isika.

23 Noho izany, herezo ny fonareo ary tsarovy fa afaka manao araka ny sitraponareo ianareo—na hifidy ny lalan’ny fahafatesana mandrakizay na ny lalan’ny fiainana mandrakizay.

24 Noho izany ry rahalahiko malala, dia mihavàna amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ianareo fa tsy amin’ny sitrapon’ny devoly sy ny nofo; ary tsarovy fa rehefa mihavana amin’ Andriamanitra ianareo, dia ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ary amin’ny alalany ihany no hamonjena anareo.

25 Koa Andriamanitra anie hanangana anareo amin’ny fahafatesana, amin’ny herin’ny fananganana amin’ny maty ary hanangana anareo koa amin’ny fahafatesana maharitra mandrakizay amin’ny herin’ny sorompanavotana, mba hahazoana mandray anareo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra mandrakizay, ka hahazoanareo midera Azy noho ny fahasoavana araka an’ Andriamanitra. Amena.