Ny soratra masina
Môzià 24


Toko 24

Nanenjika an’i Almà sy ny olony i Amiolôna—Novonoina ho faty izy raha mivavaka—Nanao izay hanamaivanana ny enta-mavesany ny Tompo—Nanafaka azy tamin’ny fanandevozana Izy, ary niverina tany Zarahemlà izy. Tokony ho 145–120 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia nahita sitraka teo imason’ny mpanjakan’ny Lamanita i Amiolôna; noho izany ny mpanjakan’ny Lamanita dia nanaiky ny hanendrena azy sy ny rahalahiny ho mpampianatra teo amin’ny vahoakany, eny, dia teo amin’ny vahoaka izay tao an-tanin’i Semlôna sy tao amin’ny tanin’i Silôma ary tao amin’ny tanin’i Amiolôna.

2 Satria efa nandray ny fizakana ireo tany rehetra ireo ny Lamanita; noho izany, ny mpanjakan’ny Lamanita dia efa nanendry mpanjaka teo amin’ireo tany rehetra ireo.

3 Ary ankehitriny ny anaran’ny mpanjakan’ny Lamanita dia i Lamàna noho izy nantsoina araka ny anaran-drainy; noho izany izy dia nantsoina hoe i Lamàna, mpanjaka. Ary mpanjakan’ny vahoaka maro izy.

4 Ary notendreny tamin’ny rahalahin’i Amiolôna ny mpampianatra ho an’ny tany tsirairay izay nozakain’ny vahoakany; ary dia toy izany no nanombohana nampianarana ny fitenin’i Nefia tany anivon’ny vahoaka Lamanita rehetra.

5 Ary izy samy vahoaka dia nifampisakaiza tokoa; na dia teo aza izany dia tsy nahalala an’ Andriamanitra izy; sady tsy nampianarin’ny rahalahin’i Amiolôna azy koa na inona na inona momba ny Tompo Andriamaniny, na ny momba ny lalàn’i Mosesy; no tsy nampianariny azy koa ny tenin’i Abinadia;

6 Fa nampianariny azy kosa ny tokony hitanany ny rakitsorany ary mba hahazoan’izy samy izy mifanoratra.

7 Ary dia toy izany no nanombohan’ny Lamanita nitombo harena sy nanombohany nifampivarotra sy nihalehibe ary nanombohany ho lasa vahoaka fetsy sy hendry, raha ny amin’ny fahendren’izao tontolo izao, eny, vahoaka tena fetsy, finaritra tamin’ny karazana faharatsiana rehetra sy ny famaboana fananana afa-tsy ny teo anivon’ny rahalahiny ihany.

8 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nanomboka nampihatra fahefana tamin’i Almà sy ny rahalahiny i Amiolôna ary nanomboka nanenjika azy, ary nataony izay hanenjehin’ny zanany ny zanak’izy ireo.

9 Satria nahafantatra an’i Almà i Amiolôna, fa anankiray tamin’ny mpisoron’ny mpanjaka izy, ary izy ilay nino ny tenin’i Abinadia ka efa noroahina hiala teo anoloan’ny mpanjaka, ary noho izany izy dia nisafaoka taminy; satria olom-pehezin’i Lamàna mpanjaka izy, kanefa izy dia nanampatra fahefana taminy sy nampanao azy asa an-tery vozona ary nanome azy mpampiasa.

10 Ary ny zava-nitranga dia lehibe loatra ny fahoriany ka nanomboka ho nahery nitalaho mafy tokoa tamin’ Andriamanitra izy.

11 Ary nandidy azy i Amiolôna hampitsahatra ny fitalahoany; ary nametrahany mpiambina teo aminy hiandry azy, ka na zovy na zovy no ho hita miantso an’ Andriamanitra dia hovonoina ho faty.

12 Ary i Almà sy ny olony dia tsy nanandratra ny feony tamin’ny Tompo Andriamaniny fa namboraka ny tao am-pony taminy, ary Izy dia nahalala ny fihevitry ny fony.

13 Ary ny zava-nitranga dia tonga taminy tao amin’ny fahoriany ny feon’ny Tompo, nanao hoe: Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko; ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ny famatorana.

14 Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo na dia mbola ao anatin’ny famatorana aza ianareo; ary izany no hataoko dia ny mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona ny Amiko rahatrizay sy mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ny fahoriany.

15 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’i Almà sy ny rahalahiny; eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra.

16 Ary ny zava-nitranga dia lehibe loatra ny finoany sy ny faharetany ka tonga taminy indray ny feon’ny Tompo, nanao hoe: Manàna fahatokiana fa rahampitso Aho dia hanafaka anareo hiala amin’ny famatorana.

17 Ary hoy Izy tamin’i Almà: Ianao no handeha eo alohan’ity vahoaka, ary Izaho dia handeha hiaraka aminao ka hanafaka ity vahoaka ity hiala amin’ny famatorana.

18 Ankehitriny ny zava-nitranga nony alina dia nanangona ny biby fiompiny ary koa ny ampahan’ny voamainany i Almà sy ny olony; eny, nandritra ny alina manontolo no nanangonany miaraka ny biby fiompiny.

19 Ary nony maraina dia nahatonga torimaso lalina tamin’ny Lamanita ny Tompo, eny, renoky ny torimaso lalina avokoa ny mpampiasa azy.

20 Ary dia niainga nankany an-tany foana i Almà sy ny olony; ary nony efa nandeha nandritra ny manontolo andro izy, dia nanangana ny lainy teo an-dohasaha iray, ary nantsoiny hoe Almà ny lohasaha, satria izy no nitarika ny diany tany an-tany foana.

21 Eny, ary tao andohasahan’i Almà izy no namboraka ny fisaorany an’ Andriamanitra noho Izy efa feno famindram-po taminy ary nanamaivana ny enta-mavesany sy nanafaka azy hiala tamin’ny famatorana; satria tao amin’ny famatorana izy, ary tsy ho nisy nahafaka azy tamin’izany afa-tsy ny Tompo Andriamaniny.

22 Ary nanolotra fisaorana an’ Andriamanitra izy, eny, ny lehilahiny rehetra, sy ny vehivaviny rehetra ary ny zanany rehetra izay nahay miteny dia nanandra-peo ho fankalazana ny Andriamaniny.

23 Ary ankehitriny dia hoy ny Tompo tamin’i Almà: Faingàna ianao ary mialà eo amin’ity toerana ity ianao sy ity vahoaka ity fa efa nifoha ny Lamanita sy manenjika anao; koa mialà ianao eo amin’ity toerana ity ary Izaho hampijanona ny Lamanita eto amin’ity lohasaha ity mba tsy handehanany lavidavitra kokoa amin’ny fanenjehana ity vahoaka ity.

24 Ary ny zava-nitranga dia nanainga izy niala ny lohasaha ary nanohy ny diany nankany an-tany foana.

25 Ary rehefa avy nandeha roa ambin’ny folo andro tany an-tany foana izy, dia tonga tao an-tanin’i Zarahemlà; ary i Môzià mpanjaka dia nandray azy koa tamim-pifaliana.