Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1


Ny
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fizarana 1

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ny 1 nôvambra 1831 nandritra ny fihaonambe manokana nataon’ireo loholon’ny Fiangonana tao Hiram, Ohio. Maro ireo fanambarana efa noraisina tamin’ny Tompo talohan’io fotoana io, ary ny fanangonana azy ireo mba havoaka ho boky no anankiray tamin’ireo ventin-draharaha nankatoavina tamin’io fihaonambe io. Miendrika ho sasin-tenin’ny Tompo ho an’ireo fotopampianarana sy fanekempihavanana ary didy nomena amin’izao fotoampitantanana izao ity fizarana ity.

1–7, Miantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana; 8–16, Mialoha ny Fiaviana Fanindroany ny Apôstazia sy ny faharatsiana; 17–23, Nantsoina mba hamerina indray ny fahamarinana sy ny herin’ny Tompo eto an-tany i Joseph Smith; 24–33, Navoaka ny Bokin’i Môrmôna ary naorina ny Fiangonana marina; 34–36, Hoesorina eto an-tany ny fiadanana; 37–39, Diniho ireo didy ireo.

1 Mihainoa ianareo Ry olon’ny fiangonako, hoy ny feon’ilay mipetraka any amin’ny avo, izay mitsinjo ny olon-drehetra ny masony; eny lazaiko marina tokoa: Mihainoa ianareo ry olona lavitra; ary ianareo izay any amin’ny nosin-dranomasina, miaraha mihaino.

2 Fa miantefa amin’ny olon-drehetra marina tokoa ny feon’ny Tompo, ary tsy misy afa-miala; ary tsy misy maso izay tsy hahita, na sofina izay tsy handre, na fo izay tsy hotohina.

3 Ary hotrobaran’alahelo mafy ny mpikomy; fa hodradraina eo an-tampon-trano ny helony, ary hambara ny asany miafina.

4 Ary hiantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana amin’ny alalan’ny vavan’ny mpianatro izay efa nofidiko amin’izao andro farany izao.

5 Ary handeha izy ireo ary tsy hisy hahasakana azy ireo, satria Izaho Tompo no efa nandidy azy ireo.

6 Indro, izao no fahefako sy ny fahefan’ireo mpanompoko ary ny sasin-teniko ho an’ny bokin’ny didiko, izay efa nomeko azy ireo mba havoakany ho anareo, ry mponin’ny tany.

7 Koa matahora sy mangovita ianareo ry olona, satria izay efa nodidiako Izaho Tompo ao anatiny dia ho tanteraka.

8 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, fa ireo izay mandeha mitondra ireny hafatra ireny ho an’ny mponin’ny tany, ireo no omena fahefana hifehy na eto an-tany, na any an-danitra, ny tsy mpino sy ny mpikomy;

9 Eny, marina tokoa, ny hifehy azy ireo ho amin’ny andro izay hampidinana tsisy fetra ny fisafoakan’ Andriamanitra amin’ny olon-dratsy

10 Amin’ny andro izay hahatongavan’ny Tompo hamaly ny olona tsirairay araka ny asany avy sy hamatra ny olona tsirairay araka ny famarana izay efa namarany ny namany.

11 Koa mandeha hatrany am-paran’ny tany ny feon’ny Tompo, mba handre izay rehetra te handre:

12 Miomàna ianareo, miomàna ianareo ho amin’izay ho avy, fa efa akaiky ny Tompo;

13 Ary mirehitra ny fahatezeran’ny Tompo, ary diovina any an-danitra ny sabany, ary hianjera amin’ny mponin’ny tany izany.

14 Ary haseho ny sandrin’ny Tompo; ary avy ny andro, ka ireo izay tsy te handre ny feon’ny Tompo, na ny feon’ny mpanompony, na tsy hampandry sofina amin’ny tenin’ireo mpaminany sy ny apôstôly, dia hosarahina hiala avy eo anivon’ny olona;

15 Fa efa nialany ny ôrdônansiko ary efa nivadihany ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay;

16 Tsy mikatsaka ny Tompo izy ireo mba hanorina ny fahamarinany, fa samy mandeha amin’ny lalany avy ny olona tsirairay, ary manaraka ny endriky ny andriamaniny avy, izay manam-pitoviana amin’izao tontolo izao ny endriny, ary an’ny sampy ny votoatiny, izay mihantitra ary ho faty ao Babylona, dia ilay Babylona lehibe izay hianjera.

17 Koa Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany, ka niantso an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy.

18 Ary nanome didy koa ho an’ny hafa mba hanambaran’izy ireo ireto zavatra ireto amin’izao tontolo izao; ary mba hahatanteraka izao rehetra izao izay efa nosoratan’ny mpaminany—

19 Ny zava-malemy amin’izao tontolo izao dia handroso sy handavo ireo zava-mahery sy matanjaka, mba tsy hanoro hevitra ny namany ny olona, sady tsy hitoky amin’ny sandry nofo—

20 Fa mba hahazoan’ny olona tsirairay kosa miteny amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao;

21 Mba ho afaka hitombo eto an-tany koa ny finoana;

22 Mba ho azo aorina ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay;

23 Mba ho azon’ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsarako, ary eo anoloan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka.

24 Indro, Izaho Andriamanitra no efa niteny izany; avy Amiko ireo didy ireo ary nomena ny mpanompoko tao amin’ny fahalemeny, araka ny fomba fiteniny, mba hahatongavany ao amin’ny fahatakarana.

25 Ka raha nanao hadisoana izy ireo, dia ho azo ampahafantarina izany;

26 Ary raha nitady fahendrena izy ireo dia ho azo ampianarina;

27 Ary raha nanota izy ireo dia ho azo faizina, mba hahazoany mibebaka;

28 Ary raha nanetry tena izy ireo dia mba ho azo atanjahina sy tahina avy any ambony, ary handray fahalalana ombieny ombieny.

29 Ary rehefa avy nandray ny rakitsoratry ny Nefita, eny, i Joseph Smith zanany mpanompoko, dia mba hahazo ny fahaizana handikana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny famindram-pon’ Andriamanitra sy noho ny herin’ Andriamanitra.

30 Ary koa mba hahazoan’ireo izay nomena ireto didy ireto hery handatsahana ny fanorenan’ity fiangonana ity ka hamoaka azy avy ao amin’ny haizina sy avy ao amin’ny haizimpito, dia ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo, izay tena ankasitrahako, Izaho Tompo, raha miteny amin’ny fiangonana manontolo fa tsy amin’ny mpikambana tsirairay—

31 Fa Izaho Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra.

32 Na izany aza anefa, izay mibebaka sy mankatò ny didin’ny Tompo dia havela heloka;

33 Ary izay tsy mibebaka, dia hoesorina aminy na dia ny hazavana izay efa noraisiny aza; fa tsy hiezaka ny hitaona ny olona mandrakariva ny Fanahiko, hoy ny Tompon’ny Maro.

34 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa ry mponin’ny tany: Izaho Tompo dia vonona ny hampahafantatra ireto zavatra ireto amin’ny nofo rehetra;

35 Fa tsy mizaha tavan’olona Aho, ary tiako ny hahafantaran’ny olona rehetra fa avy faingana tokoa ny andro; tsy mbola tonga ny ora, saingy efa antomotra, izay hanesorana ny fiadanana eto an-tany, ary hananan’ny devoly hery amin’ny fanapahany.

36 Ary ny Tompo koa dia hanan-kery amin’ny olomasiny sy hanjaka eo anivony ary hidina amin’ny fitsarana eo amin’i Idomeà, na izao tontolo izao.

37 Diniho ireto didy ireto, fa marina ireo sady mahatoky, ary ny faminaniana sy ny fampanantenana izay ao anatiny dia ho tanteraka avokoa.

38 Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho; ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany, ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa, na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.

39 Fa indro, ary jereo, ny Tompo no Andriamanitra, ary ny Fanahy dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany, ary ny fahamarinana dia mitoetra mandrakizay mandrakizay. Amena.