Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107


Fizarana 107

Fanambarana momba ny fisoronana, nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, tany amin’ny volana aprily 1835 tany. Na dia noraketina an-tsoratra tamin’ny 1835 aza ity fizarana ity, ireo rakitsoratra ara-tantara dia milaza fa ny ankamaroan’ny andininy 60 ka hatramin’ny 100 dia mampiditra fanambarana iray izay nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny 11 nôvambra 1831. Mifandray amin’ny fananganana ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ny volana febroary sy martsa 1835 ity fizarana ity. Angamba nambaran’ny Mpaminany teo anatrehan’ireo izay niomana ny handeha ny 3 mey 1835 hanatanteraka ny asa voalohany anirahana azy amin’ny maha-ao amin’ny kôlejy azy izy ity.

1–6, Misy fisoronana roa: ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna; 7–12, Ireo izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia manana fahefana hitondra amin’ny anjara fanompoana rehetra ao amin’ny Fiangonana; 13–17, Ny episkôpà no miahy ny Fisoronana Aharôna izay mitondra ny ôrdônansy ivelany; 18–20, Ny Fisoronana Melkizedeka no mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra; ny Fisoronana Aharôna no mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely; 21–38, Ny Fiadidiana Voalohany, ny Roambinifololahy ary ny Fitopololahy no antsoina hoe: kôlejy miahy ka raisiny ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fahamarinana ny fanampahan-keviny; 39–52, Voaorina hatramin’i Adama ka hatreo amin’i Noa ny lamin’ny patriarka; 53–57, Niangona tao Adama-ondia-Amàna ireo Olomasina fahiny ary niseho taminy ny Tompo; 58–67, Tokony handamin’ny ny mpitondra ao amin’ny Fiangonana ny Roambinifololahy; 68–76, Manompo toy ny mpitsara tsotra amin’i Isiraely ny eveka; 77–84, Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy no fitsarana avo indrindra ao amin’ny Fiangonana; 85–100, Samy mitondra ny kôlejiny avy ireo filohan’ny Fisoronana.

1 Misy fisoronana roa ao amin’ny fiangonana, dia ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna izay ao anatiny ny fisoronan’i Levy;

2 Ny antony niantsoana ny voalohany hoe ny Fisoronana Melkizedeka dia satria mpisorona avo tena lehibe tokoa i Melkizedeka.

3 Talohan’ny androny dia natao hoe ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra izany.

4 Nefa ho fanajana sy fitsaohana ny anaran’ilay Izy Faratampony, ho fisorohana ny famerenana matetika loatra ny anarany, ny fiangonana tamin’ny andro fahiny dia niantso io fisoronana io araka an’i Melkizedeka na ny Fisoronana Melkizedeka.

5 Ireo fahefana hafa rehetra, na anjara fanompoana ao amin’ny fiangonana, dia tovan’io fisoronana io.

6 Saingy misy fizaràna na lohateny lehibe roa—ny anankiray dia ny Fisoronana Melkizedeka ary ny iray hafa dia ny Fisoronana Aharôna na Levy.

7 Ny anjara fanompoan’ny loholona dia ao anatin’ny fisoronana Melkizedeka.

8 Mihazona ny zon’ny fiadidiana ny Fisoronana Melkizedeka ary manan-kery sy fahefana amin’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fiangonana, amin’ny vanim-potoana rehetra eo amin’izao tontolo izao, mba hitantana ny zavatra ara-panahy.

9 Ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo araka ny lamin’i Melkizedeka dia manana zo hitarika amin’ny anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fiangonana.

10 Ny mpisorona avo, araka ny lamin’ny Fisoronana Melkizedeka, dia manana zo hitarika eo amin’ny toerany eo ambany fitarihan’ny fiadidiana, amin’ny fitantanana ny zavatra ara-panahy, ary koa amin’ny anjara fanompoan’ny loholona, ny mpisorona (avy amin’ny Lamin’i Levy), ny mpampianatra, ny diakona ary ny mpikambana.

11 Ny loholona dia manana zo hitarika eo amin’ny toerany rehefa tsy eo ny mpisorona avo.

12 Ny mpisorona avo sy ny loholona no hitantana ny zavatra ara-panahy, araka ny fanekempihavanana sy ny didin’ny fiangonana; ary izy ireo dia manana zo hitarika amin’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fiangonana ireo, rehefa tsy misy manampahefana ambonimbony kokoa manatrika.

13 Ny fisoronana faharoa dia atao hoe ny Fisoronan’i Aharôna, satria natolotra an’i Aharôna sy ny taranany izany, hatrany amin’ny taranany rehetra mifandimby.

14 Ny antony iantsoana azy ho fisoronana ambany dia noho izy fanampin’ilay ambony na ny Fisoronana Melkizedeka, sy manana fahefana amin’ny fitantanana ny ôrdônansy ivelany.

15 Ny episkôpà no miadidy io fisoronana io sy mihazona ny fanalahidiny na ny fahefany.

16 Tsy misy olona manana zo ara-dalàna amin’io anjara fanompoana io ka hihazona ny fanalahidin’io fisoronana io, raha tsy taranak’i Aharôna ara-bakiteny izy.

17 Nefa noho ny mpisorona avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka manana fahefana hitarika amin’ireo anjara fanompoana ambany rehetra, dia mahazo mitarika eo amin’ny anjara fanompoan’ny eveka izy rehefa tsy misy taranak’i Aharôna ara-bakiteny mety ho hita, raha toa izy ka voantso sy voatendry ary voatokana ho eo amin’io fahefana io, tamin’ny alalan’ny tanan’ny Fiadidiana ny Fisoronana Melkizedeka.

18 Ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana ambonimbony kokoa na ny Fisoronana Melkizedeka dia ny mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana—

19 Ny manana ny tombontsoa handray ny misterin’ny fanjakan’ny lanitra, ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany, ny miombona amin’ny fivoriana faobe sy ny fiangonan’ny Lahimatoa ary ny manana anjara amin’ny fiombonana sy ny fanatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao.

20 Ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana ambany, na ny Fisoronana Aharôna, dia ny mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny mitantana ireo ôrdônansy ivelany, ny soratry ny filazantsara, ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka, araka ny fanekempihavanana sy ny didy.

21 Tsy maintsy misy ny filoha na ny mpitarika miahy izay mivoaka avy eo, na voatokana avy aminy na avy eo anivon’ireo izay voatokana ho amin’ireo anjara fanompoana maro ao amin’ireo fisoronana roa ireo.

22 Mpisorona avo Miahy telo avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka, nofidin’ny kôlejy, notendrena sy natokana ho amin’ity anjara fanompoana ity ary notohanana tamin’ny fahatokiana, ny finoana ary ny vavaky ny fiangonana no miforona ho kôlejin’ny Fiadidian’ny Fiangonana.

23 Ireo mpanolotsaina roa ambin’ny folo mpitety faritra no antsoina ho Apôstôly Roambinifololahy na ireo vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao—izay mampiavaka azy amin’ny mpitarika hafa ao amin’ny fiangonana amin’ny andraikitry ny antso ananany.

24 Ary izy ireo dia miforona ho kôlejy, mitovy hery sy fahefana amin’ireo filoha telo voalaza tetsy aloha.

25 Ny Fitopololahy dia antsoina koa hitory ny filazantsara sy ho vavolombelona manokana amin’ny Jentilisa sy eran’izao tontolo izao—izay mampiavaka azy amin’ny mpitarika hafa ao amin’ny fiangonana amin’ny andraikitry ny antso ananany.

26 Ary izy ireo dia miforona ho kôlejy mitovy fahefana amin’ny an’ny Roambinofololahy vavolombelona manokana na ireo Apôstôly voalaza teo aloha.

27 Ary ny fanapahan-kevitra tsirairay raisin’ny iray amin’ireo kôlejy ireo dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny firaisan’ny feony; izany hoe, ny mpikambana tsirairay amin’ny kôlejy tsirairay dia tsy maintsy manaiky ny fanapahan-kevitra mba hahatonga ny fanapahan-kevitr’izy ireo hanana hery sy fahefana mitovy eo amin’izy samy izy—

28 Ny maro an’isa dia afaka manapaka ho an’ny kôlejy rehefa tojo toe-javatra tsy azo anoarana—

29 Fa raha tsy izany kosa no mitranga, ny fanapahan-keviny dia tsy manan-jo amin’ny fitahiana mitovy amin’ny an’ny fanapahan-kevitry ny kôlejin’ny filoha telo fahiny, izay lehilahy marina sy masina natokana araka ny lamin’i Melkizedeka.

30 Ny fanapahan-kevitr’ireo kôlejy ireo na ny iray aminy dia horaisina amin’ny fahamarinana rehetra, amin’ny fahamasinana ary amin’ny fietren’ny fo, ny halemem-panahy sy ny fahari-po, ary amin’ny finoana sy ny hatsaran-toetra ary fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny toetra araka an’ Andriamanitra, ny fifankatiavan’ny mpirahalahy ary ny fiantrana;

31 Satria ny fampanantenana dia izao: raha miavosa ao aminy ireo zavatra ireo, dia tena hahavokatra izy ireo amin’ny fahalalana ny Tompo.

32 Ary raha toa ka misy fanapahan-kevitr’ireo kôlejy ireo noraisina tamin’ny tsy fahamarinana, dia azo entina eo anoloan’ny fivoriana faoben’ny kôlejy samihafa, izay miforona ho manampahefana ara-panahin’ny fiangonana, izany; fa raha tsy izany dia tsy misy fitsarana ambony azo ampakarana ny fanapahan-keviny.

33 Ny Roambinifololahy no Filankevitra Avo Miahy sady Mpitety faritra, mitarika amin’ny anaran’ny Tompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Fiangonana, araka ny andrim-panjakan’ny lanitra; manorina ny fiangonana sy mitantana ny raharahany rehetra any amin’ny firenen-drehetra, voalohany any amin’ny Jentilisa ary faharoa any amin’ny Jiosy.

34 Ny Fitopololahy dia tokony hiasa amin’ny anaran’ny Tompo, eo ambany fitarihan’ny Roambinifololahy na ny filankevitra avo mpitety faritra, amin’ny fanorenana ny fiangonana sy fitantanana ny raharahany rehetra any amin’ny firenen-drehetra, voalohany any amin’ny Jentilisa ary rehefa izany dia any amin’ny Jiosy—

35 Irahina ny Roambinifololahy mihazona ny fanalahidy mba hanokatra ny varavarana amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, voalohany any amin’ny Jentilisa ary rehefa izany dia any amin’ny Jiosy.

36 Ny filankevitra avo maharitra, eo amin’ny tsatòkan’i Ziona, dia miforona ho kôlejy mitovy fahefana amin’ny kôlejin’ny fiadidiana, na amin’ny filankevitra avo mpandehandeha eo amin’ny raharahan’ny fiangonana, amin’ny fanapahan-kevitra rehetra.

37 Ny filankevitra avo ao Ziona dia miforona ho kôlejy mitovy fahefana amin’ireo filankevitry ny Roambinifololahy ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona, eo amin’ny raharahan’ny fiangonana, amin’ny fanapahan-keviny rehetra.

38 Adidin’ny filankevitra avo mpandehandeha, rehefa mila fanampiana, ny miantso ny Fitopololahy mialoha ny hafa rehetra, mba hameno ireo antso maro ho fitoriana sy ho fitondrana ny filazantsara.

39 Adidin’ny Roambinifololahy ny manokana ireo mpanompo ara-pilazantsara any amin’ireo sampana lehibe rehetra ao amin’ny fiangonana, araka izay hanondroan’ny fanambarana azy ireny.

40 Ny lamin’ity fisoronana ity dia napetraka hiampita, avy amin’ny ray ho an’ny zananilahy, ary izany dia fananana ara-dalàn’ny tamingana ara-bakitenin’ny taranaka voafidy izay nanaovana ny fampanantenana.

41 Naorina tamin’ny andron’i Adama ity lamina ity ary nampitaina tamin’ny alalan’ny firazanana araka izao fomba manaraka izao:

42 Avy tamin’i Adama nankamin’i Seta izay natokan’i Adama tamin’izy sivy amby enimpolo taona sy notsofiny rano telo taona talohan’ny nahafatesany (an’i Adama) ary nandray ny fampanantenan’ Andriamanitra tamin’ny alalan-drainy fa ny taranany no ilay nofinidin’ny Tompo, ary hotehirizina izy ireo hatramin’ny fiafaran’ny tany;

43 Satria lehilahy fanaperana izy (i Seta), ary ny endriny dia ny endriky ny rainy tanteraka, hany ka toa nitovy tamin’ny rainy izy tamin’ny zava-drehetra ary tsy hay navahana taminy afa-tsy tamin’ny taonany.

44 Efatra amby telopolo amby zato taona ary fito andro sy efa-bolana i Enosy raha natokana tamin’ny tanan’i Adama.

45 Nantsoin’ Andriamanitra tany an-tany foana i Kenana tamin’ny fahefapolo taonany; ary nihaona tamin’i Adama izy raha nankany Sedolamaka. Fito amby valopolo taona izy raha nandray ny fanokanana azy.

46 Enina amby sivifolo sy efajato taona i Mahalalila raha natokana tamin’ny tanan’i Adama izay nitso-drano azy koa.

47 Roanjato taona i Jareda raha natokana tamin’ny tanan’i Adama izay nitso-drano azy koa.

48 Dimy amby roapolo taona i Enoka raha natokana tamin’ny tanan’i Adama; ary dimy amby enipolo taona izy raha nitso-drano azy i Adama.

49 Dia nahita ny Tompo izy ary niara-nandeha Taminy sy teo anoloan’ny tavany lalandava; ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra dimy amby enimpolo sy telonjato taona izy, ka ny fitambarany dia feno telopolo sy efajato taona izy raha nalaina ho any an-danitra.

50 Zato taona i Metosela raha natokana tamin’ny tanan’i Adama.

51 Roa amby telopolo taona i Lameka raha natokana tamin’ny tanan’i Seta.

52 Folo taona i Noa raha natokana tamin’ny tanan’i Metosela.

53 Telo taona talohan’ny fahafatesan’i Adama, dia nampanantsoiny i Seta, i Enosy, i Kenana, i Mahalalila, i Jareda, i Enoka ary i Metosela izay mpisorona avo avokoa, niaraka tamin’ny taranany sisa izay marina, hankeo amin’ny lohasahan’i Adama-ondia-Amana, ary teo no nanomezany azy ireo ny tsodranony farany.

54 Ary niseho tamin’izy ireo ny Tompo, dia nitsanga izy ireo ka nitso-drano an’i Adama sy niantso azy hoe Mikaela, ilay printsy, ilay arikanjely.

55 Ary nitondra fampiononana tamin’i Adama ny Tompo ka nanao taminy hoe: Efa napetrako ho lohany ianao; ary sesehena ireo firenena hivoaka avy aminao, ary ianao no printsy mandrakizay eo aminy.

56 Dia nitsangana teo afovoan’ny mpivory i Adama; ary na dia vokoka noho ny taona aza izy dia feno ny Fanahy Masina ka naminany ny zavatra rehetra hanjo ny fara aman-dimbiny hatramin’ny taranaka farany indrindra.

57 Ireo zavatra ireo dia nosoratana avokoa tao amin’ny bokin’i Enoka ary hijoroana ho vavolombelona amin’ny fotoana mahamety izany.

58 Adidin’ny Roambinifololahy koa ny manokana sy ny mandamin’ny ireo mpitarika hafa rehetra ao amin’ny fiangonana araka ny fanambarana izay manao hoe:

59 Ho an’ny fiangonan’i Kristy ao an-tanin’i Ziona, ho fanampin’ny lalàn’ny fiangonana momba ny raharahan’ny fiangonana—

60 Lazaiko aminareo marina tokoa, hoy ny Tompon’ny Maro, tsy maintsy ilaina ny hisian’ny loholona miahy mba hiahy ireo izay ao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona;

61 Ary koa mpisorona mba hiahy ireo izay ao amin’ny anjaran’ny fanompoan’ny mpisorona;

62 Ary koa mpampianatra mba hiahy toy izany koa ireo izay ao amin’ny anjaran’ny fanompoan’ny mpampianatra, ary koa ny diakona—

63 Koa avy amin’ny diakona mankamin’ny mpampianatra, ary avy amin’ny mpampianatra mankamin’ny mpisorona, ary avy amin’ny mpisorona mankamin’ny loholona, araka izay anendrena azy tsirairay avy, araka ny fanekempihavanana sy ny didin’ny fiangonana.

64 Rehefa izany dia tonga ny Fisoronana Avo izay lehibe indrindra amin’ny rehetra.

65 Koa tsy maintsy ilaina ny hanendrena anankiray amin’ny Fisoronana Avo mba hiahy ny fisoronana, ary izy dia antsoina hoe Filohan’ny Fisoronana Avon’ny Fiangonana;

66 Na amin’ny teny hafa, Ny Mpisorona avo Miahy ny Fisoronana Avon’ny Fiangonana.

67 Avy aminy no iavian’ny fitantanana ny ôrdônansy sy ny fitahiana amin’ny fiangonana, amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.

68 Koa tsy mitovy amin’izany ny anjara fanompoan’ny eveka; fa ny anjara fanompoan’ny eveka dia ny fitantanana ny zavatr’izao fiainana izao;

69 Kanefa dia tsy maintsy voafidy avy amin’ny Fisoronana Avo ny eveka, raha tsy hoe taranak’i Aharôna ara-bakiteny angaha izy;

70 Fa raha tsy taranak’i Aharôna ara-bakiteny izy dia tsy afaka mihazona ny fanalahidin’io fisoronana io.

71 Kanefa ny mpisorona avo, izany hoe, araka ny lamin’i Melkizedeka, dia azo atokana mba hitantana ny zavatr’izao fiainana izao sy hanana fahalalana momba izany amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana;

72 Ary koa mba ho mpitsara amin’i Isiraely, hanao ny raharahan’ny fiangonana, hipetraka hitsara ny mpandika lalàna araka ny tenivavolombelona izay hapetraka eo anoloany, araka ny lalàna, amin’ny alalan’ny fanampian’ny mpanolotsainy izay efa nofidiny na hofidiny eo anivon’ireo loholon’ny fiangonana.

73 Izany no adidin’ny eveka izay tsy taranak’i Aharôna ara-bakiteny fa efa natokana kosa ho amin’ny Fisoronana Avo araka ny lamin’ny Melkizedeka.

74 Dia ho mpitsara toy izany izy, mpitsara tsotra eo anivon’ny mponin’i Ziona, na ao amin’ny tsatòkan’i Ziona na any amin’ny sampan’ny fiangonana izay hanokanana azy ho amin’io asa fanompoana io, mandra-panalalahana ny sisintanin’i Ziona ka manjary ilaina ny hananana eveka na mpitsara hafa ao i Ziona na amin-toeran-kafa.

75 Ary raha misy eveka hafa voatendry, dia hiasa ao amin’izany anjara fanompoana izany ihany izy ireo.

76 Fa ny taranak’i Aharôna ara-bakiteny dia manana zo ara-dalàna amin’ny fiadidiana an’io fisoronana io, amin’ny fanalahidin’io asa fanompoana io, hiasa irery ao amin’ny anjara fanompoan’ny eveka, tsy misy mpanolotsaina, hitoetra ho mpitsara amin’i Isiraely afa-tsy amin’ny toe-javatra izay itsarana ny Filohan’ny Fisoronana Avo, araka ny lamin’i Melkizedeka.

77 Ary ny fanapahan-kevitry ny iray amin’ireo filankevitra ireo dia hifanaraka amin’ny didy izay manao hoe:

78 Ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina fa ny raharahan’ny fiangonana manan-danja indrindra sy ny fitrangan-javatry sarotra indrindra ao amin’ny fiangonana, raha toa ka tsy misy fahafaham-po azo tamin’ny fanapahan-kevitry ny eveka na ny mpitsara, dia hatolotra ary hampitaina amin’ny filankevitry ny fiangonana, eo anoloan’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo.

79 Ary ny Fiadidian’ny filankevitry ny Fisoronana Avo dia hanam-pahefana hiantso mpisorona avo hafa, dia roa ambin’ny folo, mba hanampy toy ny mpanolotsaina; ary dia toy izany no hananan’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo mbamin’ny mpanolotsainy fahefana hanapaka avy amin’ny tenivavolombelona, araka ny lalàn’ny fiangonana.

80 Ary aorian’ity fanapahan-kevitra ity, dia tsy hotsarovana intsony eo anoloan’ny Tompo izany; fa ity no filankevitra ambony indrindra ao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra, sy manana ny teny farany momba ny fifanjihirana eo amin’ny lafiny ara-panahy.

81 Tsy misy olona mpikambana ao amin’ny fiangonana ka afaka amin’ity filankevitry ny fiangonana ity.

82 Ary raha toa ka mandika lalàna ny Filohan’ny Fisoronana Avo, dia hotsarovana eo anoloan’ny filankevitra tsotra amin’ny fiangonana izay hampian’ny mpanolotsaina roa ambin’ny folo avy amin’ny Fisoronana Avo;

83 Ary ny fanapahan-keviny momba azy dia ho fiafaran’ny fifanjihirana momba azy.

84 Koa tsy misy ho afaka amin’ny fitsarana sy ny lalàn’ Andriamanitra, mba ho azo atao amim-pilaminana sy amim-pahendrena eo anoloany ny zava-drehetra, araka ny marina sy ny fahamarinana.

85 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo tokoa, ny adidin’ny filohan’ny anjara fanompoan’ny diakona dia ny miahy diakona roa ambin’ny folo, ny miara-mivory aminy amin’ny filankevitra ary ny mampianatra azy ireo ny adidiny, mba hifampahery araka izay ambaran’ny fanekempihavanana.

86 Ary ny adidin’ny filohan’ny anjara fanompoan’ny mpampianatra dia ny miahy mpampianatra efatra amby roapolo sy ny miara-mivory aminy amin’ny filankevitra, ny mampianatra azy ireo ny adidiny amin’ny anjara fanompoany, araka izay ambara ao amin’ny fanekempihavanana.

87 Ary koa ny adidin’ny filohan’ny Fisoronan’i Aharôna dia ny miahy mpisorona valo amby efapolo sy ny miara-mivory aminy amin’ny filankevitra, ny mampianatra azy ireo ny adidy amin’ny anjara fanompoany, araka izay ambara ao amin’ny fanekempihavanana.

88 Izany filoha izany dia tsy maintsy eveka; satria izany dia anankiray amin’ny adidin’ity fisoronana ity.

89 Ankoatra izany, ny adidin’ny filohan’ny anjara fanompoan’ny loholona dia ny miahy loholona enina amby sivifolo sy ny miara-mivory aminy amin’ny filankevitra ary mampianatra azy ireo araka ny fanekempihavanana.

90 Io fiadidiana io dia miavaka amin’ny an’ny fitopololahy ary natao ho an’ireo izay tsy mandehandeha eran’izao tontolo izao.

91 Ary ankoatra izany, ny adidin’ny Filohan’ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Avo dia ny miahy ny fiangonana manontolo ary ny hitovy amin’i Mosesy

92 Indro, eto ny fahendrena; eny, ny ho mpahita, mpanambara, mpandika teny ary mpaminany, manana ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra rehetra, izay natolony ho an’ny filohan’ny fiangonana.

93 Ary izany dia araka ny fahitana mampiseho ny lamin’ny Fitopololahy, fa izy ireo dia tokony ho hanana filoha fito nofinidy teo anivon’ny fitopololahy mba hiahy azy ireo;

94 Ary ny filoha fahafito amin’ireto filoha ireto no miahy ny enina;

95 Ary ireto filoha fito ireto dia tokony hifidy fitopololahy hafa ankoatra ny fitopololahy voalohany izay misy azy ireo ary tokony hiahy azy ireo;

96 Ary fitopololahy hafa koa hatrany amin’ny fitopolo impito, raha ilain’ny asa ao amin’ny tanimboaloboka ny hitakiana izany.

97 Ary ireto fitopololahy ireto dia tokony ho mpanompo mpandehandeha any amin’ny Jentilisa aloha, ary rehefa izany dia any amin’ny Jiosy.

98 Fa tsy adidin’ireo mpitarika hafa ao amin’ny fiangonana kosa, izay tsy isan’ny Roambinifololahy na ny Fitopololahy, ny mandeha any anivon’ny firenen-drehetra, saingy tokony handeha izy ireo raha afaka manao izany, na dia mety mitana anjara fanompoana avo sy mavesatra ao amin’ny fiangonana aza.

99 Koa ankehitriny, aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra ao amin’ny anjara fanompoana izay anendrena azy.

100 Izay midonanaham-poana dia tsy hisaina ho mendrika ny hahazo sitraka, ary izay tsy mianatra ny adidiny, ka mampiseho fa tsy mahafatra-po ny tenany, dia tsy hisaina ho mendrika ny hitoetra. Izany tokoa. Amena.