Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131


Fizarana 131

Torolalana nomen’i Joseph Smith Mpaminany tao Ramus, Illinois, tamin’ny 16 sy 17 mey 1843.

1–4, Ny fanambadiana selestialy no fototry ny fisandratana ao amin’ny lanitra avo indrindra; 5–6, Hazavaina ny fomba ifehezana ny olona ho amin’ny fiainana mandrakizay; 7–8, Ny fanahy rehetra dia singan-javatra.

1 Ao amin’ny voninahitra selestialy dia misy lanitra telo na ambaratonga;

2 Ary mba hahazoana ny avo indrindra, ny olona dia tsy maintsy miditra ao amin’ity lamin’ny fisoronana ity [dia ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana];

3 Ary raha tsy manao izany izy dia tsy afaka ny hahazo izany.

4 Mahazo miditra ao amin’ny hafa izy, saingy izany no fiafaran’ny fanjakany; tsy afaka ny hanana fitomboana izy.

5 (17 mey 1843.) Ny tenin’ny faminaniana mafy orina kokoa dia ny fahalalan’ny olona fa izy dia fehezina ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanambarana sy ny fanahin’ny faminaniana, amin’ny alalan’ny herin’ny Fisoronana Masina.

6 Tsy azo heverina ny hamonjena ny olona ao amin’ny tsy fahalalana.

7 Tsy misy na inona na inona tsy avy amin’ny tamba-tsinga. Ny fanahy rehetra dia tamba-tsinga, saingy madio sy malefaka kokoa ary tsy hay avahana raha tsy amin’ny maso madio kokoa;

8 Tsy haintsika jerena izany; fa rehefa voadio ny vatantsika dia ho hitantsika fa tamba-tsinga avokoa izany.